Voasivana ao Rosia ny sarimihetsika Yakut ‘Aita’

Pikantsarin'ny sombiny ofisialin'ny sarimihetsika ao amin'ny  YouTube. Fampiasana ara-drariny.

Nesorina tamin'ny servisy mivantana tao Rosia noho ny fangatahan‘ny Roskomnadzor [kiadin'ny haino aman-jery Rosiana sy ny aterineto ary ny andry mpanao sivana voalohany] ny sarimihetsika nataon'ilay Yakut antsoina hoe Stepan Birnashev, mpanatontosa ny “Aita”.

Ny antony notononin‘ny Roskomnadzor dia noho ny fiezahan'ilay sarimihetsika ‘handrava ny fitsipiky ny mahairay ny vahoaka ao Rosia’. Mifototra amin'ny raharaha fanolanana ny Aita, izay nahitana polisy Rosiana iray voarohirohy ho nanolana tovovavy Yakut.

Sombiny ofisialin'ny sarimihetsika Aita

Navoakan‘ny fampahalalam-baovao Meduza ny fizotran'ny sarimihetsika. Ny Aita dia Tantara mampitaintaina mifangaro fitsikilovan'olona an-toerana i Aita. Naorina tao Yakutia tamin'ny taona 2019, nipoitra ny fitantarana rehefa nampandrenesina momba an'i Aita, ankizivavy mpianatra ao an-toerana, nampidirina hopitaly noho ny fikasana hamono tena, i Nikolai Innokentyevichlehiben'ny polisy [Yakut] ao an-tanàna. Ny antony? Nisy naoty tao am-paosiny mivaky hoe: “Afonya, halako ianao!!!.” nitondra an'i Aita nody rehefa hita niaraka tamin'ny andian-jatovo mamo mitabataba i Afanasy [Afonya] Shchukin, polisy [Rosiana] ao an-toerana. Nihanatevina ny fizotran-tantara rehefa nambara ny naoty nosoratan'i Shchukin am-pandaingana fa tao an-trano ny renin'i Aita. Indrisy fa tsy tana i Aita ary niteraka onjam-pahatairana ny fanambaràna fa bevohoka izy, nampirona ny ahiahy ho any amin'i Shchukin. Na dia teo aza ny fiampangana mivaivay nataon'ny tanàna, dia nametraka an'i Shchukin tao amin'ny efitra figadrana i Innokentyevich mba hiarovana azy amin'ny loza mety hitranga. Noho ny fitomboan'ny fihenjanana, manamafy ny fitaintainana ny fitokana-monin'ny tanàna noho ny toetry ny andro, ka mahatonga ny mpanatrika hanontany tena ny amin'izay filaharan'ny zava-nitranga tokoa.

Mifanohitra amin'ny fomba fijerin'ny Roskomnadzor, tsy mampifanohitra loatra ny lafiny tsara sy ratsy amin'ny fahasamihafam-pirenena ilay sarimihetsika. Raha aseho ho hentitra, na masiaka aza ny lehiben'ny polisy Yakut Nikolai Innokentyevich, ary aseho ho mpivadibadika fa tsy tena ratsy ny manamboninahitra polisy iray hafa, Ayaal Sleptsov [Yakut koa]. Ny fanehoana an'i Shchukin, etsy ankilany, dia mirona mankany amin'ny resaka hoe sariaka, na dia manana ny kilemany manokana aza. Ny fiparitahan'ny tsaho haingana sy ny fandisoam-baovaon'ny vanim-potoana nomerika no lohahevitra fototra, izay mitarika ho amin'ny fiampangana diso sy ny tabataba manerana ny fiarahamonina. Hain'ny mpanatontosa ny namafy voam-pisalasalana tao an-tsain'ny mpanatrika momba ny tsy fananan-tsiny an'i Shchukin sy ny tena antony nahatonga ny fiafaran'i Aita.

Ny fehin-kevitra, na dia fampianarana aza, dia manoritra ny lesona navoakan'ny mpiantsehatra ny maha-zava-dehibe ny faharetana, ny fahatakarana ary ny fifandraisana amin'ny vanim-potoana nomerika haingam-pandeha. Hitan'ny mpitsikera sasany fa somary hafahafa ihany ny toetra mivandravandra (mety hanafintohana) amin'ny fiafaran-tantara, saingy io mivandravandra be io no toa manaisotra ny fandraisan'ny Roskomnadzor azy.

Araka ny nosoratan'ny mpitsikera sinema Anton Dolin tamin'ny taona 2020,

It's become a recurring sentiment among film critics to emphasize the uniqueness of Yakut cinema. Even though Yakutia is a part of the Russian Federation, its cinematic style distinctively stands apart from mainstream Russian films. While Yakut films find a dedicated audience within their region, they are often met with curiosity and hesitation in the larger parts of Russia. 

The true essence of Yakut cinema is its deep connection to the daily life, issues, and cultural richness of the Republic of Sakha. It captures the breathtaking Yakut landscapes and age-old traditions without the intent of broad universal appeal. This authenticity is what draws local audiences in droves, making even the riskiest and most experimental of films profitable within Yakutia, whereas they might be deemed too adventurous to produce or distribute in cities like Moscow or St. Petersburg.

Lasa fihetseham-po miverimberina eo amin'ireo mpitsikera sarimihetsika ny hanasongadinana ny mampiavaka ny sinema Yakut. Na dia anisan'ny Federasiona Rosiana aza i Yakutia, dia miavaka amin'ny sarimihetsika Rosiana mahazatra ny fomba fanaovany sinema. Raha manana mpijeriny ao amin'ny faritra misy azy aza ny sarimihetsika Yakut, dia matetika tojo fahalianana sy fisalasalana any amin'ny faritra ankapobeny ao Rosia.

Ny tena fototry ny sinema Yakut dia ny fifandraisany lalina amin'ny fiainana andavanandro, ny olana ary ny harena ara-kolontsaina ao amin'ny Repoblikan'i Sakha. Pihany ny endritany Yakut manaitra sy ny fomban-drazana tranainy tsy misy fikasana hiantso ny tany manontolo. Io fiavahana io no mahasarika ny mpihaino marobe ao an-toerana, ka mampanao na dia ny sarimihetsika mampidi-doza indrindra sy fanaovam-panandramana indrindra aza hahazoana tombony ao Yakutia, fa mety hoheverina ho sahisahy loatra ka raha vokarina na zaraina any amin'ireo tanàna toa an'i Moskoa na St. Petersburg.

Mbola tsy fantatra raha avelan'ny Roskomnadzor hiverina amin'ny sehatra fandefasana mivantana anjotra [streaming] i Aita na tsia. Araka ny navoitran‘i Meduza, tokony hankalazaina aza fa tsy hosivanina ny votoatin'ity sarimihetsika ity, izay manandratra ny fifankahazoana sy ny firaisankina ao anatin'ny voina, raha fiaraha-monina nôrmaly i Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.