Tanora fiaviana Miozolomana nanavotra olona mihoatra ny zato nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro tao Moskoa

Islam Khalilov, 15 taona, no nitarika olona maherin'ny 100 nivoaka ny Lapan'ny Tanàna Crocus nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro. Pikantsary amin'ny lahatsary YouTube avy amin'ny fantsona YouTube BakuTV. Fampiasana ara-drariny.

Misaona i Rosia taorian'ny fanafihana goavana indrindra nataon'ny mpampihorohoro tao anatin'ny taona maro tao Moskoa ny alin'ny 22 marsa, izay nahafatesana olona 143 mahery, araka ny tarehimarika ofisialy farany.

Maminavina ny manam-pahaizana fa vao mainka hiharihary ankehitriny ny fankahalana vahiny sy ny fanavakavaham-bolon-koditra mandady miakatra ao Rosia, satria ireo olona voatazona noho ny asa fampihorohoroana dia voalaza fa miozolomana mifandray amin'ny Fanjakana Islamika.

Nitatitra ny fampitam-baovao Rosiana tsy miankina Meduza any an-tsesitany, fa nitarika olona maherin'ny 100 hivoaka ny Lapan'ny fampisehoana Crocus i Islam Khalilov, 15 taona, izay miasa tapakandro ao amin'ny toeram-pisoloana akanjo, nandritra ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny fanondroana azy ireo ny lalana mivoaka mankany amin'ny arabe manavatsava toeram-piasana maro. Ny fantsona Telegram 112 no voalohany nitatitra izany.

Islam Khalilov tenany no nilaza tamin'ny famoahana Moscow Online fa niasa tapakandro tao amin'ny efitrano fanaovana fampisehoana nandritra ny herintaona teo ho eo izy. Nanomboka asa tamin'ny 4 ora hariva izy tamin'ny andron'ny nanafihan'ny mpampihorohoro. Rehefa nanomboka ny fanafihana ka nandre tabataba izy, dia nieritreritra tamin’ny voalohany hoe “orinasa mpitabataba angamba izany tonga izany”. Tsikaritr'i Khalilov fa nisy zavatra tsy milamina rehefa nanomboka nihazakazaka niala ny tohatra ny olona.

Я понимал, что если не среагирую, то свою жизнь потеряю и жизни многих людей. Честно, было очень страшно. Когда я был в толпе людей, шел к двери, чтобы открыть, думал, с лестницы либо с эскалатора могут выйти, не знаю, гранату кинуть или огонь на поражение открыть. Слава богу, ничего не произошло, я вовремя успел открыть дверь и всех выпустить

Takatro fa raha tsy mihetsika aho dia ho very ny aiko sy ny ain’ny olona maro. Raha ny marina, tena nampatahotra izany. Rehefa tao anaty vahoaka aho, nandeha teo am-baravarana hanokatra izany, dia nihevitra aho fa mety hivoaka avy any an-tohatra na avy amin'ny toha-miakatra na toha-midina ry zareo, tsy haiko, hitoraka grenady na hitifitra mahafaty. Isaorana Andriamanitra, tsy nisy na inona na inona, nahavita nanokatra ny varavarana ara-potoana aho ary namoaka ny rehetra.

Nohazavain‘i Khalilov fa, amin'ny maha mpiasa azy, dia nomena toromarika momba ny tokony hatao amin'ny toe-javatra maika izy, noho izany dia “fantany izay hitondrana olona hiarovana azy ireo”. Vokatr'izany, dia nanatitra olona 100 teo ho eo izy ho eo amin'ny fidirana amin'ny Crocus Expo, trano iray mifanila amin'ny Crocus Concert Hall. Nivoaka ny trano farany ilay zatovo, mba hahafantarany, araka ny teniny, “fa tsy misy olona tavela”.

Мама была в шоке, плакала из-за того, что мне всё это пришлось пережить. Что всё это было на моих глазах. Я сам еще, если честно, в шоковом состоянии. На моих глазах мужчину пристрелили, не могу перестать об этом думать.

Taitra be i Neny, nitomany satria tsy maintsy niaritra izany rehetra izany aho. Nitranga teo imasoko izany. Raha ny marina, mbola ao anatin'ny fahatairana aho. Lehilahy iray no voatifitra teo anoloko, tsy afaka tao an'eritreritro izany.

Araka ny nosoratan'i Meduza, mpiondana ekipan'i Spartak Moscow i Khalilov. Rehefa fantatra ny nataony, dia nasain'ilay klioba ilay zatovo hihaona amin'ireo mpilalao ary nanome azy tapakila mandritra ny taom-pilalaovana ao an-trano.

Araka ny filazan'ny Fantsona Telegram Ostorozhno Novosti (Tandremo fa Vaovao ity), nilaza ho nandefa vola RUB 1 tapitrisa (10.760 dolara amerikana) ho an'ilay zatovo ilay mpihira rap Alisher Morgenshtern (izay manohitra ny ady ary miaina any an-tsesitany amin'izao fotoana izao). Araka ny fanazavan’ity tovolahy ity dia ampiasain’ny fianakaviany handoavana ny trosa io vola io.

Hahazo ny Medaly Miozolomana Rosiana “Noho ny Fahamendrehana” ihany koa i Khalilov, hoy i Ravil Gainutdin, lehiben'ny Fitantanana ara-panahy Silamo ao Rosia, hoy ny nosoratan'i RBC. Hatolotra ilay zatovo ao amin'ny moske katedraly ao Moskoa mandritra ny vavaka zoma manaraka izany loka izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.