Ny 16 Martsa, nankatoavin'ny parlemanta môldavy nandritra ny fandinihany azy fanindroany ny volavolan-dalàna iray natolotry ny ankolafy Hetsika sy Firaisankina (PAS) hanovàna ny anaran'ny fitenim-panjakana ôfisialy ao anaty lalàm-panorenana sy ireo lalàna hafa mba tsy hoe “Môldavy” intsony fa “Romaniàna”,” hoy ny nosoratan'ny NewsMaker. Tanjon'ilay santatr'andraikitra ny hampifanaraka ny lalàna amin'ny fanapahankevitry ny fitsaràna momba ny lalàm-panorenana tamin'ny 2013, nandidy fa ny Fanambaràna ny Fahaleovantenan'i Môldavia – izay mamaritra fa ny fiteny Romaniàna – manjaka anatin'ny andinin-dalàna ao anatin'ny lalàm-panorenana, isan'izany ireo mamaritra izay ho fiteny ôfisialy ao amin'ny firenena.
Araka ny lahatsoratra iray nosoratan'ny Dr. Charles King voaresaka tao anatin'ny gazety siantifika Slavic Review (1991), ny fiteny môldavy dia narafitra tany ampiandohan'ny pôlitika ara-kolontsaina sôvietika, izay nifantoka tamin'ny Moldovan Autonomous Soviet Socialist Republic (MASSR) – Repoblika Sosialista Sôvietika Mizakatenan'i Môldavia – izay nisy nanomboka ny 1924 hatramin'ny 1940 teo amin'ny sisintany iraisan'i Okrainiàna sy ny Romaniàna ary lasa ho Repoblika maoderin'i Môldavia ankehitriny.
Fiovàna hafa hita nankatoavina tao anatin'ilay tolodalàna ny fanoloana ny anaran'ilay andro fialantsasatra “Limba noastră” [fiteninay] ho “Limba română” [fiteny romaniàna] sy ny fanekena ny fehezanteny ao amin'ny Andininy faha-13 amin'ny lalàm-panorenana fa hoe lany andro ny “fiasàna manaraka ny endri-tsoratra Latina”. Ao anatin'ny 30 andro taorian'ny naha-manankery ilay lalàna, ireo fanovàna rehetra dia tsy maintsy ampidirina any anatin'ireo fepetra rehetra.
58 ireo solombavambahoaka nandany ilay lalàna, nahitàna ireo mpikambana avy amin'ny PAS nihorakora-pifaliana hoe “Bravo” rehefa nandre ny vokatra. “Arahabaina. Somary efa tara ihany ity fifidianana ity,” hoy i Igor Grosu, mpitondra tenin'ny parlemanta
Na izany aza, ny ankolafy kaominista sy sôsialista dia nandà ilay tolodalàna, ka tamin'izany dia nilanja sorabaventy ireo solombavambahoakany nanatrika ilay fivoriana, toy ny hoe “Ny lalàm-panorenan'i Môldavia: Môldavia, Môldavy, Môldavy” sy ny hoe “Manana ny fiandrianany ny vahoaka. Mpanao didy jadona ny PAS.” Nanosoka hevitra mihitsy aza ireo ankolafy ireo ny hanatsoahana ilay tolodalàna tsy ho ao anaty lahadinika, saingy tsy nahazo ny isa takiana amin'izany ilay sosokevitra.