Bilaogerana asongadina: Getutza

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2010)

Manaiky i Getutza fa olona saro-kenatra izy. Na izany aza, nahita izy fa nanampy azy handresy io fahamenarana io ny bilaogy noho ny fandraisany anjara tamin'ny tetikasa Blogging the Dream avy amin'ny Orizonturi Foundation tao amin'ny Campulung Moldovenesc any Romania. Hatramin'ny nanombohany ny bilaoginy Singuratate [ro], nahita toerana hanehoana ny eritreriny sy ny fihetseham-pony ary ny zava-niainany izy. Tamin'ny resadresaka vao haingana niaraka tamin'ny Rising Voices, dia nilaza i Getutza hoe:

Getutza

Getutza

For me, the blog is an easier mode to communicate with people. My shyness sometimes prevents me from being able to say things with animation. When I post on the blog, it’s only me and the computer. A minimal audience! Yet, a big opportunity to make my thoughts, opinions, ideas, passions, joys and problems known; and allowing me to become closer to people more easily.

Ho ahy, ny bilaogy dia fomba mora kokoa hifandraisana amin'ny olona. Matetika manakana ahy tsy hilaza zavatra am-pientanentanana ny fahamenarako. Rehefa mamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaogy aho, dia izaho sy ny solosaina ihany no mifanatrika. Mpamaky vitsivitsy! Na izany aza, fahafahana lehibe hampahafantarana ny eritreritro, ny hevitro, ny fomba fijeriko, ny zavatra tiako, ny fifaliana ary ny olana; ary mamela ahy hanakaiky ny olona mora kokoa.

Taorian'ny nialany tamin'ny maha-mpikarakara laboratoara azy, nanomboka tamin'ny fandraisany anjara tao amin'ny vondrona literatiora ny fidiran’ i Getutza tamin'ny hetsiky ny Fikambanana, ary taorian'izay dia nandray anjara tamin'ny “Fampiofanana mpilatsaka an-tsitrapo momba ny fiarovana ny fahasalamana ara-tsaina” izy. Tamin'ireo hetsika roa ireo, nanjary “nandray anjara bebe kokoa tamin'ny fiainan'ny fikambanana aho, ary nanatsara ny fiainako io lafiny io.” Nampitombo ny fahatokisana izany ka nahatonga azy hanaiky ny fanasana handray anjara amin'ny tetikasa Blogging The Dream, izay nampiditra azy ho amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny zavatra rehetra azo trandrahana amin'izany.

Na izany aza, miaiky i Getutza fa tsy mora izany tamin'ny voalohany.

When I started, I didn’t have the slightest idea how computers worked. Being invited to participate in the project was a challenge for me. I learned basic computer concepts, navigating the internet, using social networks.

Rehefa nanomboka aho, dia tsy nanan-kevitra momba ny fiasan'ny ordinatera. Fanamby ho ahy ny fanasana ahy handray anjara amin'ilay tetikasa. Nianatra momba ny fototry ny ordinatera aho, namakivaky ny aterineto, mampiasa tambajotra sosialy.

Vetivety izy dia nanjary zatra kitendry ary nanomboka nametraka ny lahatsorany voalohany. Nankafy ny orinasan'ireo bilaogera namany vaovao koa izy, “Tonga tany amin'ny klioban'ny bilaogy aho mba hiala-voly, sy nifaly tamin'ny fihaonana amin'ny namana mba  “hahita” ireo tsiambaratelo sy tombontsoa avy amin'ny tontolo virtoaly.”

Riding horses in Lucina

Mitaingina soavaly ao Lucina Riding horses in Lucina

Iray amin'ireo lohahevitra tiany indrindra hatramin'izao ny fitsidihana vao haingana tany amin'ny faritra manodidina an'i Romania. Iray tamin'ireo fitsangatsanganana ireo ny tao amin'ny monastera ortodoksa teo akaiky teo, sy ny dia tao Lucina izay nahafahany nitsidika ireo toeram-pivarotana sy nitaingina soavaly.

Nanazava izy hoe nahoana no tena zava-dehibe aminy ilay dia:

I chose to write about these trips because I like to travel. On excursions, people feel more free, more happy and are less inhibited. I wrote about excursions because I also feel “closer to people” when I travel. Excursions give you the privilege to see well-known places and new places, to discover wonderful corners of our beautiful country. I’m glad to be together with old friends and to make new friends, amongst both the adults and children who came with us on the trip.

Nisafidy ny hanoratra momba ireo fitsangatsanganana aho satria tiako ny mitsidika firenena. Amin'ny fitsangatsanganana, mahatsiaro ho malalaka kokoa, sambatra kokoa ary tsy dia voasakantsakana kokoa ny olona. Nanoratra mikasika ny fitsangatsanganana aho satria mahatsapa ihany koa aho fa “akaiky kokoa ny olona” rehefa mandehandeha. Manome anao tombontsoa hahita toerana malaza sy toerana vaovao ny fitsangatsanganana, ary koa mahita zoro mahafinaritra ao amin'ny firenena mahafinaritra. Faly aho niaraka tamin'ireo namako taloha sy mahazo vaovao, anisan'izany ireo olon-dehibe sy ankizy izay niaraka taminay nandritra ny dia.

Lohahevitra iray antenainy hosoratana bebe kokoa momba ny “zava-mahaliana azy” ny manamboatra mofomamy. Ao amin'ity lahatsoratra ity, nandefa sary misy ireo entana nentin-drazana namboariny ho an'ny Paska izy.

Baked goods during Easter

Entana nofonosina nandritra ny Paska.

Na dia mamaritra ny tenany ho saro-kenatra aza i Getutza, dia tena misokatra amin'ny firesahana ny fihetseham-pony izy. Ny anaran'ny bilaoginy raha adika amin'ny teny anglisy dia hoe “Manirery.” Nofaritany ny antony nanapahany hevitra hanome lohateny ny bilaoginy amin'izany fomba izany:

I gave this name because loneliness is the most profound feeling in which I have. I’m convinced that there are many people in the world with this feeling, people who live alone, isolated, without friends, without people nearby to open a door or to say an encouraging word. Through the title I wanted to suggest all of this. I think that whoever understands the meaning of this title and shares the same feeling will connect with me; so we can eliminate loneliness from our lives.

Nomeko an'io anarana io satria fahatsapana lalina indrindra ananako ny maha-irery. Mino aho fa misy olona maro eto amin'izao tontolo izao manana ity fahatsapana ity, olona miaina irery, mitoka-monina, tsy misy namana, tsy misy olona akaiky manokatra varavarana na milaza teny mampahery. Amin'ny alàlan'ny lohateny,  tiako ny hanolotra ireo rehetra ireo. Mihevitra aho fa izay mahatakatra ny hevitr'ity lohateny ity sy mitovy fahatsapana dia hifandray amiko; ka afaka manaisotra ny maha-irery eo amin'ny fiainantsika isika.

Manantena izy fa hanohy hibilaogy mba hahafahany mahita fifandraisana amin'ny hafa izay mety mitovy ny zavatra niainany, ary aoka ho fantany fa tsy irery izy ireo.

It’s hard to keep inside your concerns, thoughts, fears, joys and even enthusiasm. And when I manage to get this all out, I feel more free.

Sarotra ny mitazona ny fanahianao, ny eritreritrao, ny tahotra, ny fifaliana ary koa ny hafanam-po. Ary rehefa vitako ny manala izany rehetra izany, dia mahatsiaro afaka kokoa aho.

Isaorana manokana i Gabriela Tanasan noho ny famerenany ny tafatafa sy i Betsy Rowley noho ny fandikany an-soratra ny tafatafa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.