Tantara mikasika ny Okrainiana tamin'ny Marsa, 2022
Blaogera iray any Odessa mitondra feo hafa amin'ny fitantarana Shinoa momba an'i Okraina
Mpandraharaha Shinoa iray monina ao Odessa any Okraina no nivadika ho bilaogera manana ny fomba fijeriny manohitra ny fanafihan'ny Rosiana, nefa voasivana sy notafihana tao amin'ny media sosialy Shinoa.
Mozika amin'ny fotoanan'ny ady: Hira ho toy ny endri-panoherana Okrainiàna
Ao anatin'ny fananihambohitra Rosiàna ao Okraina, ao afovoan'ilay fifandonana ny kolontsaina sy ny maripanondroana. Anatin'io toejavatra io, niakatra lampihazo ny tarika okrainiàna "Okean Elzy" mba hanainga fanahy ny fanoheran'ny Okraniàna
Mpianatra Turkmen: Nandositra an'i Okraina rotidrotiky ny ady
Nandritra ny andro vitsivitsy voalohany tamin'ny ady nataon'i Rosia tamin'i Okraina, tena tsy nisy ny fanampian’ny masoivohon'i Turkmen tamin'ny famindra-toerana ireo mpianatra sy ny olom-pirenena.
Ady mari-panondroana: Nahoana i Kremlin no milaza ho miaro ireo ‘mpiteny Rosiana’ ao Okraina?
Nanandratra ny tenany ho mpiaro ny mpiteny Rosiana manerana ny habakabaka taorian'ny Sovietika i Moskoa kanefa maro no tsy miombon-kevitra amin'i Rosia. Ankehitriny izy mampiasa ireo vondrom-piarahamonina samihafa hanafihana an'i Okraina.
Miangona eo amin'ny sisintany any Moldavia, Slovakia, Polonina ireo mpitsoa-ponenana Okrainiana
"Tamin'ny dimy ora maraina, niantso anay ny namana nilaza taminay fa misy ny ady izao. Nangoninay ny entanay ary lasa izahay nandeha."