Tantara mikasika ny Hebreo
Misintaka vetivety amin'ny COVID-19 ny mpitia boky amin'ny fankalazana ny Dashain amin'ny boky vaovao
"Vonona aho hitsidika toerana izay tsy ilàko fitarihan-dalana sy torohay corona. Manantena fa hitondra ahy amin'ny hasin'ora sy faritra samihafa ny pejy maro."
Palestina: miantso mifananihany amin'ny tafika israeliana
Miaraka amin'ny balafomanga sy baomba, andrarahana taratasy kely (flyer) ny Palestiniana ao Gaza, izay mangataka azy ireo mba hamono ireo mpikomy Hamas sy handositra ny tranon'izy ireo.
Sambany tany Israely no voasakana ny tranonkala filokana amin’ny Aterineto
Nanome baiko ny mpamatsy tolotra Aterineto rehetra tao amin’ny firenena ny polisy Israeliana mba hanakana ny fidirana amin’ny tranonkala maromaro manao filokana an-tserasera,
Miozolomana Mpampianatra Ambony Iray Te-Hampifandray an'i Israely sy i Indonezia Amin'ny Alalan'ny Teny Hebreo
"Niteny tamin'ny fianakaviako aho fa mety tsy hisy fiantraikany mihitsy ny zavatra ataoko, saingy zavatra nilaina hovitaina izany."
Israely : Hanukkah, Fetiben'ny Hazavàna Sy Ady Ara-Kolontsaina
Fety iray isan'ny tena ankamamian'ny Jiosy nandritra ny fotoana rehetra ary manana lanja ara-tantara raha resaka mifandray amin'ny lafiny ara-kolontsaiana sy ny maha-izy an-dry zareo Israeliàna ny Hanukkah, Ny Hanukkah no fahatsiarovana ny fandresen'ireo Israelita taloha ny Grika tamina ady izay niseho ny taona 165 talohan'i Jesoa Kristy. Tsy ady faritra na harena ilay ady, fa resaka ady amin'ny fahafahana; ny zo hanana fironam-pivavahana sy hanaraka ny finoana Jiosy. Gilad Lotan mampiseho antsika ny fitohizan'ny ady mandraka ankehitriny.
Sefo Israelianina Iray Mahandro Pizza ao Anaty Fiara Hanairana ny Fiarovana ny Ankizy
16 ny isan'ny ankizy maty hatramin'ny 2008 noho ny famelana irery ny ankizy ao anaty fiara mikatona. Nandefa ny hafatra tamin'ny alalan'ny fahandroana pizza ao anaty fiara ny sefo mpahandro hanina iray.
Maneho Hevitra Amin'ny Fanavaozana Ady Amin'i Gaza ny Israeliana
"Miteny daholo fa heloka an'ady ny mitifitra amin'ny sivily, fa tsy misy mahita sivily ny andaniny sy ny ankilany," hoy ny siokan'ilay Israeliana ankavia fironana Noam.
‘Ny Vehivavy Dia Tokony Hanaiky’, Sy Tolo-hevitra Hafa Mivoaka Amin'ny Karoka Google
Nanaraka ny ohatra nataon'ny vehivavin'ny Firenena Mikambana, Nanatontosa ny traikefany manokana ny Global Voices miaraka amin'ny Google "Autocomplete". Namoaka ireo fihetsika malaza eo amin'ny andraikitry ny vehivavy, ny ara-nofo, ny toe-batana ivelany sy ny fifandraisana amin'ny lehilahy ny fikarohana.
Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “
Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika "Israeli social justice (#j14)" - Rariny Sosialy Israeliana - no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin' ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.
Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely
Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.