Nampiasa ny Google Autocomplete (tolo-kevitra mivoaka ho azy amin'ny karoka) ireo andianà dokambarotra avy amin'ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana (ONU) [anglisy] izay nambara tamin'ny faran'ny volana oktobra mba hijerena ireo fihetsika tsy mampandroso sasany mihanaka eny amin'ny vehivavy. Nanaraka ireo fihetsika nandritra izany hetsiky ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana izany ny Global Voices ary nitondra ny traikefany amin'ireo fiteny samihafa. Namoaka fiihetsika malaza, izay tsy mikasika ny andraikitra ara-piarahamonin'ny vehivavy ihany ireo vokatry ny karoka notontosaina nandritra ny fanentanan'ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana sy ny Global Voices fa momba ny ara-nofo, ny toe-batana sy ny fifandraisana mbamin'ny fiarahana amin'ny lehilahy ihany koa.
Ireo mpamorona ny dokambarotry ny Vehivavin'ny firenena mikambana dia nampiasa fehezanteny nokarohana tahaka ny hoe “ny vehivavy dia tsy mahazo”, “ny vehivavy dia tsy tokony” , “ny vehivavy dia tokony” ary ny hoe “ny vehivavy dia mila”, ary nofenoin'ireo toro-hevitra tena izy nokarohana tao amin'ny Google, mba hahitana mazava ireo fitsarana an-tendrony marobe tsy mampandroso, sy ireo fijery ara-nofo sy manavakavaka tafahoatra mihatra amin'ireo vehivavy avy amin'ny fiarahamonina manerantany. Nanjary lasa buzz [anglisy] vetivety izany dokambarotra izany ka niteraka adihevitra mafana tao amin'ny aterineto. Tamin'ny herinandro lasa teo, nanambara ireo mpamorona ny dokambarotra fa mikasa hanitatra ny hetsika izy ireo ho setrin'ireo fanehoan-kevitra marobe tao amin'ny aterineto.
Ny fiasan'ny auto-complete (fanangonana mandeha hoazy) rehefa mampiditra karoka, araka ny voalazan'ny Google dia mahafantatra mialoha izay tadiavin'ny mpiserasera, mifototra amin'ny asa fikarohana ataon'ireo mpampiasa ny habaka, sy ny votoatin'ireo pejy misy tovana koa. Mety misy ifandraisany amin'ireo fikarohana teo aloha nataon'ny mpiserasera tsirairay avy izany fahafantarana mialoha izany raha niditra tao amin'ny kaonty Google-ny izy ireo.
Nangataka tamin'ireo mpandray anjara manerantany ny Global Voices mba hanao karoka amin'ny Google, amin'ny fiteniny tsirairay, avy amin'ny fampiasana izany fehezan-teny izany na ny mitovitovy amin'izany tahaka ny ampiasain'ny hetsiky ny Vehivavin'ny Firenena Mikambana. Nampiseho fihetsika momba ny andraikitra izay heverina fa raisin'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina ireo karoka natao tanelanelan'ny 19 sy 25 oktobra 2013, ary mampiseho matetika ireo fitsarana an-tendrony mahazatra amin'ny ankapobeny, saingy indraindray kosa mampiseho ny mifanohitra amin'izany arakarak'ireo firenena samihafa. Ireto ambany ireto fikarohana natao tamin'ny fiteny 12 avy amin'ny firenena sy kaontinanta samihafa:
Espaniola
Shily
Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony mitoriteny
Ny vehivavy dia tsy tokony miasa
Ny vehivavy dia tsy tokony mandray fitenenana mandritra ny fivoriana
Ny vehivavy dia tsy tokony mitondra fiara
Però
Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy mahazo mitoriteny
Ny vehivavy dia tsy mahazo manao pasitera
Ny vehivavy dia tsy mahazo manome rà
Ny vehivavy dia tsy afaka mivelona raha tsy misy lehilahy
Poerto Riko
Ny vehivavy dia tokony…
Ny vehivavy dia tokony hanaiky
Ny vehivavy dia tokony hisarom-boaly
Ny vehivavy dia tokony hitoriteny
Ny vehivavy dia tokony hiasa
Frantsay
Frantsa
Ny vehivavy dia tokony…
Ny vehivavy dia tokony mijanona any an-trano
Ny vehivavy dia tokony miasa
Ny vehivavy dia tokony mitoriteny
Ny vehivavy dia tokony manao zipo
Ny vehivavy dia tokony ho mpanaiky
Ny vehivavy dia tokony mahafantatra
Ny vehivavy dia tokony mifidy
Ny vehivavy dia tokony mijanona any an-trano
Ny vehivavy dia tokony miasa
Ny vehivavy dia tokony mahandro sakafo
Ny vehivavy dia tsy mahay…
Ny vehivavy dia tsy mahay mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy mahafantatra izay tadiaviny
Ny vehivavy dia tsy mahay mitia
Ny vehivavy dia tsy mahay mamaky sarintany
Arabo
Ejypta (mitovy ny voka-pikarohana tao Jordania)
Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy afaka mivelona raha tsy atao mariazy
Ny vehivavy dia tsy afaka mivelona raha tsy misy lehilahy
Ny vehivavy dia tsy mahay mitàna tsiambaratelo
Ny vehivavy dia tsy mahatakatra ny fahanginan'ny lehilahy
Shinoa
Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy mahazo mahay be loatra
Ny vehivavy dia tsy mahazo mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy mahazo miteraka
Lohahevitra 10, ny vehivavy dia tsy mahazo miady hevitra amin'ny vadiny
Romaniana
Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tokony hotiavina fa tsy
Ny vehivavy dia tsy tokony hohenoina
Ny vehivavy dia tsy tokony hanao pataloha
Ny vehivavy dia tsy tokony hanao zavatra eo ambony fandriana
Italiana
Italy
Ny vehivavy dia tokony…
Ny vehivavy dia tokony mijanona ao an-trano
Ny vehivavy dia tokony miasa mafy mba hahazo
Ny vehivavy dia tokony mijanona ao an-dakozia
Ny vehivavy dia tokony hoesorina
Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony omena rariny
tsy tokony hiasa
tsy tokony omena rariny fa tiavina
tsy tokony mamaky teny
Alemàna
Alemàna
Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony mampianatra
Ny vadiko dia tsy tokony miasa
Ny vehivavy dia mahazo….
Ny vehivavy dia tsy mahazo tonga
Ny vehivavy dia tsy mety bevohoka
Ny vehivavy dia tsy mahazo mahandro
Ny vehivavy dia tsy mety mahazo zazakely
Hebreo
Ny vehivavy dia tsy…
Ny vehivavy dia tsy miasa
Ny vehivavy dia tsy maotina
Ny vehivavy dia tsy mahay mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy te-hanan-janaka
Hongariana
Ny vehivavy dia tokony ho…
ny vehivavy dia tokony ho lehibe ao an-dakozia
ny vehivavy dia tokony ho mahafatifaty sy masiaka
Danois
Ny vehivavy dia tsy mahazo…
Ny vehivavy dia tsy mahazo mitondra fiara
Ny vehivavy dia tsy mahazo manara-maso ny fivaviany
Ny vehivavy dia tsy tokony ho daltoniana (marary maso mampifanfaro loko jerena)
Ny vehivavy dia tsy mahazo manao “barbecue”
Amin'ny teny danoà, nanome vokatra mitovy ny “vehivavy dia tsy mahazo” sy ny “vehivavy dia mahazo”.
Rosiana
Rosia
Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony hino
Ny vehivavy dia tsy tokony hanainga zavatra mavesatra…
Ny vehivavy dia tsy tokony hisotro (toaka)
Ny vehivavy dia tsy tokony hinoana
Anglisy
UK
Ny vehivavy dia tsy tokony…
Ny vehivavy dia tsy tokony hojerena sy hohenoina
Ny vehivavy dia tokony hijanona ao an-trano
Ny vehivavy dia tokony hahafantatra ny toerana misy azy
Tsy ny karoka rehetra nentin'ny mpikambana ato amin'ny Global Voices no mivadika ho voambolana miiba. Saingy, manamafy ny ahiahin'ny vehivavin'ny Firenena mikambana ny vokatry ny andrana, fa mbola be ireo ezaka tokony atao mba hampandrosoana ny zon'ny vehivavy manerana izao tontolo izao.