Mivoady fandriampahalemana i Armenia sy Azerbaijan – amin'izao fotoana izao

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Rehefa nandingana hirika maromaro hanaovana soniam-pifanarahana fandriampahalemana, voalohany tany Bruxelles, avy eo tany Espaina nandritra ny vovonan’ny mpitondra Eoropeana tamin'ny 5 Oktobra, ary taty aoriana tany Kyrgyzstan nandritra ny fihaonamben'ny Firenena Mahaleotena Miteny sy Mampiasa ny Teny Anglisy, dia mety ihany i Armenia sy Azerbaijan hifanaiky hanasonia fifanaraham-pandriampahalemana  “amin'ireo volana ho avy ireo”, hoy ny praiminisitra Armeniana Nikol Pashinian.

Mirakitra ny fifanarahana fandriampahalemana tamin'ny volana Mey 2022 natolotr'i Azerbaijan ny antontan-taratasy, misy fotokevitra dimy, ahitana ny fankatoavana ny tsifivakisam-paritry ny andaniny sy ny ankilany, ny tsy fisian'ny fitakiana faritany, ny tsy fanaovana endrika fandrahonana, ny fanoritana mazava ny sisintany, ary ny fanokafana ny rohi-pitaterana. Tamin'izany fotoana izany, tsy nisy resaka fiafaran’ny satan'i Karabakh na ny foko Armeniana monina ao Karabakh. Taorian’ny fanafihana ara-miaramila nataon'i Azerbaijan tany amin'ny faritr'i Nagorno–Karabakh izay nifandirana teo aloha tamin'ny 19 Septambra 2023, dia niova ny satan'ireo teboka roa farany. Tamin'ny 28 Septambra, nanambara ny faharavany alohan'ny taona 2024 ny governemantan'i Nagorno–Karabakh ary saika ny foko Armeniana manontolo monina ao Karabakh no nandositra ny faritra noho ny tahotra ny hiaina ambany fahefan’ny governemantan'i Azerbaijan. Tompon’andraikitra teo aloha sy ankehitriny maro tany Nagorno–Karabakh no notànana taorian'ny hetsika miaramila tamin'ny 19 Septambra.

Nofehezin’ny vahoaka Armeniana ao aminy hisora-tena ho fanjakana ny faritra Nagorno-Karabakh hatramin'ny nisian'ny ady tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1990, izay nifarana tamin'ny fampitsaharana ady sy ny fandresen'ny miaramila Armeniana tamin'ny taona 1994. Taorian'ny ady voalohany, naorina ny repoblika Nagorno–Karabakh vaovao, tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena. Faritra miisa fito mifanakaiky no nobodoin'ny tafika Armeniana. “Olona maherin’ny iray tapitrisa no voatery niala ny trano fonenany vokatr’io ady io: Nandositra an’i Armenia, Nagorno-Karabakh ary ny faritany teo akaiky teo ny Azerbaijani, raha nandao ny fonenany tany Azerbaijan kosa ny Armeniana”, araka ny filazan’ny International Crisis Group.

Nitarazoka ampolo taonany ny disadisa. Tamin'ny taona 2020, niady fanindroany izay naharitra 44 andro i Armenia sy Azerbaijan. Nanova ny satan'ny faritra io ady io. Azon’i Azerbaijan indray ny fifehezana ny ankamaroan'ny faritra miisa fito izay nobodoina teo aloha ary ny ampahatelon‘i Karabakh mihitsy aza no azony.

Nanao sonia fifanarahana fampitsaharana ady i Armenia sy Azerbaijan ny 10 Novambra 2020 noelanelaninin'i Rosia. Anisan'ireo teboka maromaro tamin'ny fifanarahana ny faneken’Armenia sy Azerbaijan ny hijanon’ny miaramila mpampandry tany Rosiana miisa 1.960 ao amin'ny faritr'i Karabakh izay “tsy tafaverina tamin’i Azerbaijan sy ao amin’ny lalantsara kely mampifandray an'i Armenia amin’ny distrikan'i Lachin any Azerbaijan.”

Nitohy tsy nisy fitsaharany ny fifampiampangana tamin’ny fanitsakitsahana ny fampitsaharana ady hatramin'ny nanaovana sonia ny fifanarahana tamin'ny volana Novambra 2020. Toy izany ihany koa ny teny fifampiantsiana teo amin’ny fitondram-panjakana sy ny eo an-toerana, ka nampihena ny fikatsahana fandriampahalemana.

Noho izany, nipetraka ny fanontaniana hoe: hisy ady hafa ve? Mamaly an'io fanontaniana io ny zava-nitranga farany tamin'ny 19 Septambra 2023.

Fifanarahana fandriampahalemana

Tamin'ny 30 Oktobra 2023, nilaza ny praiminisitra Armeniana Nikol Pashinyan fa “fotokevitra telo [amin'ny dimy] momba ny fandriampahalemana sy ny fanaovana ho ara-dalàna ny fifandraisana” no nifanekena ary “ho tanteraka ny fanaovana soniam-pifanarahana fandriampahalemana,” raha toa ka tsy mivadika amin'ireo fitsipika ireo ny roa tonta, hoy ny notaterin’ny OC Media.

Saingy tsy fifanarahana fandriampahalemana ihany izy ity. Araka ny tenin‘i Kirill Krivosheev, mpanao gazetin'ny Kommersant hoe, “Raha tsy kasinga politika intsony ny fisian'ny Armeniana ao amin'ny faritra, dia inona moa no mbola hiadian-kevitra?” Ho sehatrasa fotsiny ihany ny fifanarahana hoy izy  nanamarika. Ankoatra izany, mbola misy zavatra vitsivitsy ao anaty drafi-pikasana, anisan'izany ny “hiafaran'ireo Rosiana mpampandry tany ao Karabakh, ireo faritra Azerbaijani miisa valo mitoka-monina any Armenia, ny fikasan'i Azerbaijan hampifandray an'i Nakhichevan, ny faritra anisany azy izay mifanolotra amin'i Armenia, Torkia, ary Iran, sy amin'i Azerbaijan, sy hampiasa io lalana io,” ary ny hoe, “ho havela hiditra ao Azerbaijan ve ny Armeniana nafindra toerana ao Karabakh.”

“Haharitra taona maro ary hiankina amin'ny fivoaran’ny fahavitrihan’ny fahefana ao amin'ny faritra ny famahana ireo olana ireo. Amin'izao fotoana izao, ny fanaovana soniam-pifanarahana fandriampahalemana fototra izay hampihemotra an'i Azerbaijan amin'ny fivoarana dia mety ho vokatra tsara ho an'i Armenia. Fantatr'i Baku izany, ary noho izany dia hiezaka izy hanararaotra izay rehetra azony atao amin'ny zava-misy alohan'ny hanaovany sonia ny antontan-taratasy toy izany,” hoy i Krivosheev.

Ny famahana ny lalam-pitaterana - indrindra ilay iray mamakivaky an'i Armenia ka hatrany amin'ny faritr'i Azerbaijan ao Nakhchivan – no sisa mampifanditra. Fantatra amin'ny anarana hoe “Lalantsaray Zangezur” ity lalana manokana ity, izay antsoin'i Baku hoe ny lalana mankany Nakhchivan – faritra lavitra an'i Azerbaijan voatery eo anelanelan'i Armenia, Torkia ary Iran. Ny lalana — na dia tsy voatonona tamin’ny anarany aza — dia tao anatin’ny fifanarahana fampitsaharana nosoniavin’i Armenia sy Azerbaijan taorian’ny ady naharitra 44 andro nifanaovan’ny firenena roa tonta tamin’ny taona 2020. Toy izao ny fivakin’ny fifanarahana:

The Republic of Armenia shall guarantee the security of transport connections between the western regions of the Republic of Azerbaijan and the Nakhchivan Autonomous Republic in order to arrange unobstructed movement of persons, vehicles and cargo in both directions. The Border Guard Service of the Russian Federal Security Service shall be responsible for overseeing the transport connections. Subject to agreement between the Parties, the construction of new transport communications to link the Nakhchivan Autonomous Republic with the western regions of Azerbaijan will be ensured.

Hiantoka ny fiarovana ny fifandraisam-pitaterana eo amin'ny faritra andrefan'ny Repoblikan'i Azerbaijan sy ny Repoblika Mizakatenan’i Nakhchivan ny Repoblikan'i Armenia mba handaminana ny fivezivezen'ny olona, ny fiara ary ny entana malalaka amin'ny faritra roa. Ny Sampan-draharahan'ny Mpiambina Sisintany ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovana Federaly Rosiana no ho tompon'andraikitra amin'ny fanaraha-maso ny fifandraisam-pitaterana. Ho atao azo antoka ny fananganana fifandraisana vaovao amin'ny fitaterana mampifandray ny Repoblika Mizakatenan’i Nakhchivan amin'ny faritra andrefan'i Azerbaijan araka ny fifanarahana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny media tao an-toerana vao haingana, no nanambaràn’ny Filoha Ilham Aliyev ao Azerbaijan fa “tetikasa stratejika” ny lalana:

True, there is no word ‘Zangezur corridor’ in it because I included the term ‘Zangezur corridor’ in the geopolitical lexicon afterwards. However, it is explicitly stated there that there should be a transport connection between the western regions of Azerbaijan and the Nakhchivan Autonomous Republic, and Armenia should provide it.

Marina fa tsy misy teny hoe ‘Lalantsara Zangezur’ ao satria nampidiriko ny teny hoe ‘Lalantsara Zangezur’ tao amin’ny rakibolana jeopolitika taorian’izay. Na izany aza, voalaza mazava ao fa tokony hisy fifandraisam-pitaterana eo amin'ny faritra andrefan'i Azerbaijan sy ny Repoblika Mizakatenan’i Nakhchivan, ary tokony hanome izany i Armenia.

Zava-dehibe ihany koa ny lalantsara ho an'ny mpisehatra ara-paritra hafa sady mpiara-dia amin'i Azerbaijan dia i Torkia.

Ankehitriny, milaza i Azerbaijan fa tsy liana amin'ilay lalantsara intsony izy ireo, tsy amin'ny endriny ankehitriny aloha. Tamin'ny 25 Oktobra, tao amin'ny antsafa niarahana tamin'ny Reuters, nilaza i Hikmet Hajiyev, tale lefitr’i Aliyev hoe, “tsy nanana eritreritra haka an'i Zangezur i Azerbaijan.” Nampian ‘i Hajiyev fa miara-miasa amin'i Iran mihitsy aza ny firenena amin’izany.

Mandritra izany fotoana izany, namoaka tolo-kevitra momba ny fitaterana isam-paritra ny praiminisitra Azerbaijani Nikol Pashinyan — “Fihaonan-dalan'ny fandriampahalemana” — izay hampifandray an'i Torkia, Azerbaijan, Iran, ary Zeorzia amin'ny alalan'i Armenia, ary namaritra izany ho “ampahany manan-danja amin'ny kinasam-pandriampahalemana any Kaokazy Atsimo,” araka ny voalazan'ny tatitra avy amin'ny OC Media.

Samy nanao fampanantenana ho amin’ny fandriampahalemana tamin'ny fomba ofisialy i Baku sy Yerevan saingy mbola nitohy ny disadisa na dia teo aza ny fampanantenana. Hampiseho ny fanaovana sonia fifanarahana amin'ny faran'ny taona raha tena marina araka ny filazan'ny mpitondra ny fanoloran-tena ho amin'ny fandriampahalemana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.