
Sary tao amin'ny tranonkala ôfisialin'ny Filoha Ilham Aliyev. Fampiasàna nahazoana alàlana, ampiasàna ny lisansa Creative Commons Attribution 4.0 International.
Tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity no navoaka voalohany. Dika nasiam-panovàna no averina avoaka etoana araka ny fifanarahana hifampizara votoaty.
Ny 14 May, nihaona tao Bruxelles ireo mpitarika avy ao Armenia sy Azerbaijan, nandritra ny fihaonana an-tampony teo ambany fiahian'i Charles Michel, filohan'ny Filankevitry ny Fiombonambe Eorôpeàna. Voalaza fa ny famaritana sisintany no nifampiresahan'ny Praiminisitr'i Armenia, Nikol Pashinyan sy ny filohan'i Azerbaijan, Ilham Aliyev, ary ny fanokafana indray ny fitaterana sy ny fifandraisana ara-toekarena, ary ny famotsorana ireo miaramila Azerbaijaney roa babo ao Armenia.
Tao anaty fanambaràna iray navoaka taorian'ilay fihaonana, nilaza i Charles Michel fa “tamim-pahatsorana, nisokatra ary nitodika ho amin'ny vokatra” no nizoran'ny fifampiresahana.
Andro folo taorian'ny fihaonan‘ny minisitry ny raharaham-bahinin'ireo firenena roa ireo tao Washington no natao ilay fihaonana tao Bruxelles, ka tamin'izany ny andaniny sy ny ankilany dia nifanakalo hevitra momba ny drafitra iraisana momba ny Fifanaraham-Pandriampahalemana sy Fametrahana ny Fifandraisana Iraisampirenena.
Tao Bruxelles, noantitranterin'i Charles Michel ny lanjan'ny fitazonana ny fandaharam-potoana sy ny fandraisana “fanapahankevitra matotra” mankany amin'ny fanaovana sonia fifanarahana iray hisian'ny fandriampahalemana mazava.
Nifanaiky ireo mpitarika ny firenena roa tonta fa hamerina ireo fifampidinihana mba hiatrehana ireo olan'ny famaritana ny sisintany, tamin'ny fanamafisany ny firaiketan'izy ireo amin'izay sisintany voapetraka ao anatin'ny fanambaràna Almaty 1991, sy ny maha-iray tsy mivaky an'i Armenia sy i Azerbaidjan, araka ny fanambaràna navoakan'ny Filankevitra Eorôpeàna.
Nampian'i Michel fa nisy ny “fivoarana mazava” momba ny fanokafana indray ny fifandraisana ara-pitaterana sy ara-toekarena eo amin'ny tany roa tonta, ary efa miha-manakaiky ny fifanarahana iray izao ny roa tonta momba ny fanokafana indray ny fifandraisana an-dalamby miditra sy mivoaka an'i Nakhchivan. Nakhchivan dia faritra lavitra mitoka-monina ao Azerbaijan tery eo anelanelan'i Armenia, Tiorkia ary Iràna.
Araka ny voalazan'ilay teboka farany ao amin'ilay fifanarahan'ny telo tonta teo ambany fitantanan'ny filoha rosiàna , Vladimir Poutine, ary niarahan'ny praiminisitra armeniàna, Nikol Pashinyan, sy ny filoha azerbaidjaney, Ilham Aliyev, nanao sonia tamin'ny Novambra 2020, “hovahàna daholo ireo fitaterana sy ny fifandraisana ara-toekarena rehetra ao amin'ny faritra.”
“Ireo andiana fitaterana an-tanety no resaka, izay nikatona hatrany amin'ny fiandohan'ny andian-taona 1990, nanapaka an'i Armenia sy ilay tanàna azerbaijaney mitoka-monina ao Nakhchivan tsy ho afaka mifandray amin'ny iraisampirenena. Raha toa ireny làlana nikatona rehetra ireny ka “vahàna”, araka izay voalazan'ilay fifanarahana, ny fiantraikany tena hovoamarika indrindra dia ny fiverenan'ny làlana mampifandray ny avaratra sy atsimo izay miainga avy any Rosia mankany Armenia sy Iràna mandalo ao Azerbaidjan,” hoy ny nosoratan'i Thomas de Waal, zokiolona mpikaroka ao amin'ny Carnegie Europe, mpandalina manokana an'i Eorôpa Atsinanana sy ny faritra Kaokazy. “ ny fisiana tambajotran-dalamby iray vaovao tsara kalitao, zara raha misy fisavàna eny an-tsisintany dia hanosika ihany koa ny ara-barotra tatsinanana-tandrefana, indrindra fa raha sokafana indray ilay sisintany eo anelanelan'i Armenia sy Tiorkia izay efa nikatona hatramin'ny 1993,” hoy izy nanampy.
Toa noresahan'ireo mpitarika ihany koa ny momba ny famotsorana ireo gadra ato anatin'ny herinandro vitsy ho avy, indrindra fa ireo miaramila azerbaijaney roa azo babo tany amin'ny faritany armeniàna tamin'ny Aprily. Nifanaiky ihany koa izy ireo momba ny “fampitomboana” ny asa fanesorana ireo vanja milevina ao amin'ny faritra. Ny Jona 2021, namotsotra Armeniàna gadra niisa 15 i Azerbaijan ho takalon'ireo sarintany maneho ny toerana misy ireo vanja milevina efa ho 100.000 napetraky ny tafika armeniàna tany amin'ny faritany izay azon'i Azerbaidjan indray tamin'ny 2020 nandritra ny ady nafotaka nifanaovan'ny firenena roa tonta. Niarahaba ilay fifanarahana ny minisitra nisahana ny raharaha ivelany tao Azerbaidjan tamin'izany fotoana izany. Tao anaty fanambaràna iray, hoy ilay minisitra, “Hanavotra aina maro sy ny fahasalaman'ireo mpiray firenena amintsika ny fahazoana ilay sarintany, isan'izany ireo mpiasa mpanala vanja, ary hampandeha haingana ireo tetikasa fanorenana natomboky ny filohan'ny Repoblikan'i Azerbaijan, Atoa. Ilham Aliyev, ao Agdam ary ny fiverenan'ireo PDI (olona voatery nandao ny toeram-ponenany).”
Nampian'i Michel fa izy dia nandrisika ireo Azerbaidjaney mba hiasa hiantoka ny fiarovana ny zo sy ny fitonian'ireo Armeniàna ao Nagorno-Karabakh, ary nanipika ny filàna “fifampiresahana mangarahara sy manova zavatra” eo amin'izy ireo sy Bakou.
Ny minisitry ny raharaha ivelany ao Azerbaijan namaritra ny fihaonana ho “nilaina sy nitodika tamin'ny fitadiavam-bokatra” rehefa nanamarika fa efa hatramin'ny sivy volana no tsy nisy ireo fihaonana tao Bruxelles noho ireo ‘andrana fitsabatsabahana sy fametrahana fepetra”
Ny biraon'ny praiminisitra ao Armenia nanamarika teboka mitovy amin'izany ihany koa tamin'ireo fifampiresahana nolazain'i Michel no sady tsy nanome tombana na kely aza momba ilay fihaonana.
Na Yerevan na ny Filohan'ny Filankevitry ny Fiombonambe Eorôpeàna dia samy nilaza fa mety hanao fihaonana an-jorony ireo mpitarika, mandritra ny fihaonana an-tampon'ny Vondrompiarahamonina Pôlitika eorôpeàna ao Chișinău, Môldavia, amin'ny 1 Jona, ka amin'ity indray mitoraka ity dia iarahana amin'ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy ny Chancellier Alemàna Olaf Scholz.
Tany am-boalohany i Baku dia nandà ny hidiran'i Frantsa ao anatin'ireo fifampiraharahàna, izay ampangainy ho manohana an'i Armenia.
Nambaran'i Michel fa nifanaiky ireo mpitarika ny hanao “matetika araka izay ilàna azy” ny fihaonana ao Bruxelles, misy fihaonana iray efa voaomana ho atao amin'ny Jolay ary hanasàny an'i Pashinyan sy i Aliyev hihaona mandritra ny fihaonana antampony iray hafa hataon'ny Vondrompiarahamonina Pôlitika Eorôpeàna ao Grenady amin'ny Ôktôbra.
Mitohy ao anaty fitomboan'ny disadisa ny fifampiresahana sy ny fihaonana. Ny akaiky indrindra, ny 11 May, nifampiampanga ny andaniny sy ny ankilany ho manitsakitsaka ny fifanarahana ho fampitsaharana poa-basy, izay nampitsahatra ny Ady Faharoa tao Nagorno-Karabakh tamin'ny 2020.