
Lahatsary nopihana: Ahiahy fikarakarana ‘henjana’ an'i Yang Hengjun – Sky News Australia 2019
Ilay mpanoratra Yang Hengjun no Shinoa Aostraliana faharoa hita lohaten-gazety lehibe tato anatin'ny volana vitsivitsy noho ny mbola itazonana azy ireo any Shina. Nosamborina tany Shina i Yang, tamin'ny Janoary 2019, izay mizaka zom-pirenena Aostraliana nandritra ny roapolo taona mahery. Niatrika fitsarana an-tsokosoko amin'ny filazana raharaham-pitsikilovana izy tamin'ny taona 2021, saingy hatramin'izao, tsy mbola nisy didim-pitsarana navoaka ampahibemaso.
Hita tamin'ny vaovao maneran-tany [mg] ihany koa ny Aostraliana mpanao gazety iray hafa, Cheng Lei, tamin'ny volana Aogositra taorian'ny famoahana ny taratasiny manoritra ny toe-piainana mahatahotra tany am-ponja tamin'ny tsingerintaona fahatelo nitazonana [mg] azy noho ny filazana raharaham-pitsikilovana.
Tamin'ny hafatra vao haingana, naneho ny tahotra i Yang Hengjun fa ho faty any am-ponja izy aorian'ny fahitana kista lehibe iray amin'ny vihiny.
Iray amin'ireo fikambanana iraisampirenena maro nizara ny vaovao tamin'ny media sosialy ny Safeguard Defenders :
#Australian novelist #YangHengjun has been waiting for the verdict on his case in #China for more than two years. He's accused of spying. Now he fears he may die in detention.
A foreign passport is no protection in #China. https://t.co/Q6tyuT183B— Safeguard Defenders (保护卫士) (@SafeguardDefend) August 28, 2023
#Aostraliana mpanoratra tantara #YangHengjun niandry ny didim-pitsarana momba azy tany #Shina nandritra ny roa taona mahery. Voampanga ho mpitsikilo izy. Ankehitriny izy dia matahotra sao ho faty am-ponja.
Tsy maharo ny pasipaoro vahiny any #Shina.
Nanantena ny mpiaro sasany fa mety hitarika amin'ny famotsorana azy ireo ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin'ny governemanta vaovaon'ny (antokon'ny) mpiasa ao Aostralia voafidy tamin'ny taona 2022 sy ny governemanta Shinoa. Nampanantena ny praiminisitra Aostraliana Anthony Albanese fa hilaza ny ahiahiny amin'ny fahasalaman'i Yang amin'ny filoha sinoa Xi Jinping amin'ny fihaonambe G20 amin'ny volana septambra.
Toa rava ny fanantenana hiresahana ny raharaha amin'ny ambaratonga avo indrindra noho ny vaovao fa mety handingana ny fivoriana G20 amin'ity taona ity i Xi.
Niaro ny fomba fikarakarany an'i Yang i Shina tamin'ny nilazan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Shinoa fa “miezaka hampifanaraka ny raharaha amin'ny lalàna” ry zareo. Nanampy i Wang Wenbin, mpitondratenin'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny Shinoa, “Miaro tanteraka ny zon'ny olona voakasik'izany ry zareo ary manaja ary miaro ny zon'ny kaonsiolary ao Aostralia, anisan'izany ny zo hitsidika.”
7News Sydney nitantara ny valintenin'izy ireo:
China is defending its ongoing detention of Chinese-Australian writer and democracy blogger Yang Hengjun. 58-year-old Yang told his family he fears he will die in a Beijing detention centre after being diagnosed with a kidney cyst. https://t.co/OF81oZXOfr #China #7NEWS pic.twitter.com/3nYNQwDuAg
— 7NEWS Sydney (@7NewsSydney) August 29, 2023
Miaro ny fitazonana an'ilay mpanoratra Shinoa-Aostralianina sady bilaogeran'ny demaokrasia Yang Hengjun i Shina. Nilaza tamin'ny fianakaviany i Yang, 58 taona, fa matahotra ny ho faty any amin'ny toby fitazonana any Beijing izy rehefa voamarina fa voan'ny kistan'ny vihy.
Tao amin'ny tatitra nataony momba ny fivoarana farany, nanazava ny tontolon'ny fanagadrana sy ny famoretana mitohy ny asa fanaovan-gazety ao Shina ny Reporters Sans Frontières (RSF) :
Since Chinese leader Xi Jinping took power in 2012, he has been conducting a large-scale crusade against journalism, as revealed in RSF’s report The Great Leap Backwards of Journalism in China, which details Beijing’s efforts to control information and media within and outside its borders.
Hatramin'ny nandraisan'ny mpitarika Shinoa Xi Jinping ny fahefana tamin'ny taona 2012, dia nanao tafika goavana iadiana amin'ny asa fanaovan-gazety izy, araka ny nambara tao amin'ny tatitry ny RSF ilay dingana lehibe mihemotry ny fanaovan-gazety ao Shina, izay manazava antsipiriany ny ezaka ataon'i Beijing amin'ny fanaraha-maso ny vaovao sy ny media ao anatiny sy ivelan'ny sisin-taniny.
Nizara ny famoaham-baovaon'ny RSF i Tom Grundy, Lehiben'ny Tonia ao amin'ny Hong Kong Free Press :
“Detained in #China for “espionage” since January 2019, Yang Hengjun is denied medical care despite significant health deterioration. Reporters Without Borders (RSF) urges for the release of Chinese-born Australian political commentator.” @RSF_inter pic.twitter.com/yr2nyQbLlm
— Tom Grundy (@tomgrundy) August 31, 2023
“Notazonina tao #Shina noho ny “fitsikilovana” nanomboka tamin'ny Janoary 2019, tsy navela hahazo fikarakarana ara-pahasalamana i Yang Hengjun na dia nihasimba aoka izany aza ny fahasalamany. Mandrisika ny Reporters Sans Frontières (RSF) ny hamotsorana ilay mpaneho hevitra ara-politika Aostraliana teraka-shinoa.”
Tsy mahagaga raha mitohy ny fampitahana eo amin'ny fitazonan'i Shina sy ny fanagadrana an'i Julian Assange ataon'ny Fanjakana-Mitambatra raha miady amin'ny fandefasana ny voafonja any Etazonia. Nisy mpaneho hevitra iray nanapaingotra ny praiminisitra lefitra Aostraliana Richard Marles, ny praiminisitra Anthony Albanese, ary ny minisitry ny raharaham-bahiny Penny Wong tamin'ny ranty fanakianana :
News items about high level contacts between Australian & Chinese governments mention representation for @withMEAA members Cheng Lei & Yang Hengjun, which is great
Why no such mention for Julian Assange when @RichardMarlesMP @AlboMP @SenatorWong meet with US counterparts? https://t.co/FMpDJxEVzs
— Marcus Strom (@strom_m) July 18, 2023
Singa vaovao amin'ny fifandraisana any amin'ny sehatra avo lenta eo amin'ny governemanta Aostraliana sy Shinoa nanamarika fisoloantenan'ny mpikambana @withMEAA Cheng Lei & Yang Hengjun, izay tsara
Maninona no tsy misy filazana an'izany momba an'i Julian Assange rehefa mihaona amin'ireo mpiara-dia amin'i Etazonia i @RichardMarlesMP @AlboMP @SenatorWong ?