“Tsy nahita hazo aho tao anatin'ny telo taona ” : Taratasy avy amina Aostraliàna mpanao gazety mifonja any Shina

Cheng Lei

Nanoratra taratasy iray nalefany ho an'ireo Aostraliana mpiray tanindrazana aminy i Cheng Lei. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube tamin'ny tatitry ny ABC.

Raha nanamarika ny fahatelo taona nitazonana azy ao amin'ny fonja Sinoa, nanoratra “taratasim-pitiavana” miantefa amin'ireo Aostraliana mpiray tanindrazana aminy ilay Aostraliana mpanao gazety Cheng Lei .

Tamin'ny 13 Aogositra 2020 i Cheng Lei no voasambotra tany Shina noho ny “fiahiahiana azy ho namatsy tsy ara-dalàna ny tsiambaratelom-panjakana any ampitan-dranomasina”. Talohan'ny nisamborana azy, dia mpanao gazety ara-barotra niasa ho mpanolotra fandaharana tamin'ny fahitalavitra iray ambany fiahian'ny fanjakana izy, ny China Global Television Network.

Media sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona isan-karazany no nitaky ny famotsorana azy, nanameloka ny fitohizan'ny fitànana sy ny fanalavana ny fitsarana azy ho toy ny tsy ara-drariny. Mino ireo sasantsasany  mpanohana an'i Cheng Lei fa natao takalonaina izy satria nanana ady diplomatika mikasika ny fiavian'ny viriosy COVID-19 i Shina sy Aostralia, ny tsy fifandanjàn'ny ara-barotra sy ny olana mikasika ny zon'olombelona.

Navoakan'i Nick Coyle, olona miaraka aminy, ny taratasin'i Cheng Lei, izay azony noho ny fandikàna teny nataon'ireo mpiasa diplomatika Aostraliana.

Nanoratra mikasika ny trano izay tsaroany i Cheng Lei :

Tantaram-pitiavana ity alefa amin'ireo olona 25 tapitrisa sy ilay tany 7 tapitrisa kilometatra toradroa, tany iray tondraky ny natiora, hatsarana ary habaka.

Tsy mitovy amin'ny eto, tsy nahita hazo iray akory aho nandritra ny telo taona

Iverenako iainana tsirairay ireo fandehandehanana anaty bozaka, ny renirano, ny farihy, ny morontsiraka sy ireo filomanosana, ny fitsangatsaganana ary ny filentehan'ny masoandro maharavoravo fanahy, ny lanitra tarafin'ireo kintana sy ny amboaram-peonkira mangina sy miafin'ny kirihitra.

Tononiko mangina ny anaran'ireo toerana izay notsidihako sy nolalovako

Malahelo an'ireo vahoaka Aostraliana aho, ny ora fikatonan'ny tsenan-tsakafo, miaraka amin'ireo mpivaro-kena miantsoantso ny vidiny rehefa mifarana ny andro sy ny tsenan'ny entana tonta ny Alahady, ireo magazay fivarotana sakafo enti-mody tantanin'ireo fianakaviana mpifindra-monina.

Hafatra feno avy amin'i Lei. Misaotra amin'ny fanohananareo rehetra pic.twitter.com/epzoS8AxQv

— FreeChengLei (@FreeChengLei) 10 Aogositra 2023

Tsaroany ny hatsaram-panahin'ireo Aostraliana mpiray tanindrazana aminy :

Nandray  hatsaram-panahy tsy misy toy izany avy amin'ny olon-tsy fantatra sy namana aho, avy tamin'ny mpampianatra ESL ahy (teny anglisy ho fiteny faharoa) izay nampianatra ahy ny zavatra rehetra  tamin'ny fampandalovana ahy tamina toe-javatra marobe.

Tamin'ny 1987 tsaroako ny niarahako nilasy voalohany tamin'ny fianakaviako, ny raiko nitondra fiara novidiana 700 dolara misy takelaka P teo amin'ny fitaratra.

Tsaroako ilay namako be, ‘Chypriote’, ireo zatovo nanome anarana nampihomehy ahy tany am-pianarana

Fony aho niharan'ny herisetra tao an-tranoko, tao Brisbane, tamin'ny 1994, ny hatsaram-panahy tsapako avy tamin'ireo olona, anisan'izany ny manamboninahitra Mabbutt izay nanampy ahy, tsy nihozongozona mihitsy ny finoako.

Niverina tamiko ny fahatsiarovana an'io hatsaram-panahy io ankehitriny ary nampitraka ahy indray

Tantarainy ireo fepetra iainany ao anatin'ny efitra figadrana Sinoa :

Malahelo ny masoandro aho. Ato anatin'ny efitrano figadrako, mamiratra avy eo amin'ny varavarankely ny tara-masoandro saingy tsy afaka mijoro eo afatsy adiny 10 monja aho ao anatin'ny taona iray

Isantaona, adiny roa no ahahy amin'ny masoandro ny kidoro mba ho azon'ny rivotra. Rehefa niverina ilay izy tamin'ny farany dia nibonoka tao anaty doona aho mody hoe nofihinin'ny fianakaviako teo ambanin'ny masoandro.

Mieritreritra ny maha Sino-Aostraliana azy izy :

Nitombo tao anatin'ny maha-Sinoa Aostraliana ahy, nanana ny zom-pirenena roa aho izay matetika niady ho raisina ho ambony arakaraka ny zava-misy sy ny orinasa, saingy amin'ny hatsikana, ny hatsikana Aostraliana foana no mandresy amin'ny fotoana rehetra

Na dia miteny roa samihafa sy mihinana sakafo samihafa aza izahay, dia mitovy ny fihomehezanay ary samy manana ny fandraisana ny hadalana

Raisinay ho tena izy ny fahafinaretana ary  ihomehezanay ny fahamatorana

Farany, ambarany ny fitiavany ny fianakaviany :

Ilay Sinoa ato anatiko angamba no efa mihoatra ny fetra ara-dalànan'ny fihetsehampo

Ireo zanako no tena banga amiko indrindra.

Ny vadiny aminy, Nick Coyle, no lehiben'ny Tranoben'ny Varotra Shina-Aostralia taloha. Tao anaty tafatafa niarahany tamin'ireo media, nolazainy ny vokatry ny fitazonana an'i Cheng Lei amin'ny ankohonan-dry zareo.

“Tena tsapako tokoa fa mihamafy hatrany ny fiantraikany aminy amin'ny lafiny fisarahana maharitra amin'ny zanany. Tsy isalasalana fa io no zavatra tena sarotra indrindra ary zavatra izay hitako hatrany hatrany any anatin'ilay taratasy fifandraisana vao haingana izany, azo antoka.” – Nick Coyle#abc730 pic.twitter.com/rZn1flsWP5

— ABC News (@abcnews) 10 Aogositra 2023

Nanambara tamin'ireo media ny masoivohon'i Shina any Canberra fa nanaja ny maha-tany tàn-dalàna ny fanagadrana an'i Cheng Lei.

Nandray an-tànana ny raharaha mifanaraka amin'ny lalàna ary eo ambany fiarovana tanteraka ny zon'i Cheng araka ny lalàna ireo manampahefana ara-pitsarana. Miorina amin'ny fiheverana ny maha-olona, vonona i Shina ny hihaino ny fangatahan'i Aostralia sy hitondra fanampiana ao anatin'ny faritry ny fepetra voalazan'ny lalàna.

Niarahaba ny herin'i Cheng Lei ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Aostraliana, Penny Wong, ary nanome toky azy sy ny fianakaviany fa arovan'ny governemanta izay mahasoa azy.

Te-hankasitraka ny tanjak'i Rtoa Cheng sy ny fianakaviany ary ny an'ireo namany aho nandritra io vanim-potoana io.

Ny hafatr'i Rtoa Cheng ho an'ny vahoaka dia mampiseho mazava tsara ny fitiavany lalina ny firenenay. Maniry azy hihaona amin-janany ny Aostraliana rehetra.

Nisolo tena an-dRtoa Cheng hatrany i Aostralia, ary nangataka mba hampiharina amin-dRtoa Cheng ny fenitra fototra momba ny fitsarana, ny tsy fitanilàna ara-pitsaràna ary ny fitondrana ny maha-olona, ​​mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena.

Eryk Bagshaw, mpanao gazety solontena any Azia Avaratra ho an'ny Sydney Morning Herald sy The Age, no nanoratra mikasika an'i Cheng Lei hoe  “vatom-panoron'ny fifandirana ara-diplomatika mivelatra be” izy.

Mifamatotra amin'ny fifandraisana misy eo amin'i Aostralia sy Shina ny aminy, ary i Cheng no vatom-panorona amin'ity fifandirana ara-diplomatika mivelatra kokoa ity izay naharitra efa-taona sy mahatafiditra fitokonana ara-barotra mitentina 20 lavitrisa dolara, governemanta roa ary ity renim-pianakaviana 48 taona manan-janaka roa.

Feng Chongyi, profesora ‘agrégé’ amin'ny fianarana momba an'i Shina ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Teknolojia any Sydney dia nanentana ny governemanta Aostraliana mba hanohy ny fanafahana an'i Cheng Lei :

Raha tsy mijoro tsara amin'ny toerana misy azy i Aostralia dia mety hisedra loza amin'ny fisamborana tsy an-kiato na fiampangana fitsikilovana ireo olom-pirenena Aostraliana mandraharaha ara-barotra any Shina. Mametraka ny governemanta Aostraliana ho amina toerana tsy azo arovana ara-tsaina ny fanovàny ny fijorony manoloana ireo olana mifandraika amin'ny tombontsoa sy ny soatoavina fototr'i Aostralia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.