Fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny andrana nokleary tany amin'ny Nosy Marshall

Bikini Atoll

Toerana fanandramana nokleary ao nosikely Bikini. Nosy Marshall. Sary avy amin'i Ron Van Oers / UNESCO. Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 IGO

Nanamarika ny faha-70 taona nanaovana ny andrana nokleary tao amin'ny Bikini Atoll ao amin'ny Nosy Marshall ny vondrom-piarahamonina Pasifika tamin'ny fanasongadinana ny fitakiana ny rariny sy ny tamberina andraikitra.

Andron'i Pasifika Mahaleotena sy tsy misy Nokleary ny 1 Marsa, saingy ahatsiarovana ireo niharam-boina nokleary any amin'ny Nosy Marshall izany ho fanomezam-boninahitra ireo niharam-boinan'ny Castle Bravo, anaran'ny kaody nomena ny andrana baomba thermônokleary nataon'ny tafik'i Etazonia.

Mitovy amin'ny baomba Hiroshima arivo ny baomba 15 megaton nalatsaka tao amin'ny Bikini Atoll. Niteraka rahona miendrika holatra (holatra atomika) izay nahatratra 40 kilometatra tao anatin'ny atmosfera izy io ary nisy fiantraikany tamin'ireo nosy atolls misy mponina teo akaiky teo ny taratra radioaktifa. Nanatanteraka andrana fitaovam-piadiana nokleary 67 tany amin'ny Nosy Marshall ny tafik'i Etazonia teo anelanelan'ny taona 1946 sy 1958.

Nandoto nosy roa farafahakeliny ny andrana ary nahatonga famindran-toerana maharitra ireo vondrom-piarahamonina voaloton'ny radioaktivite. Nitombo tao anatin'ny folo taona manaraka ny tranga homamiadana sy ny aretina goavana hafa ateraky ny andrana nokleary .

Nisy ny fanonerana saingy mbola miteraka fahasimbana mandraka ankehitriny ny voka-dratsy manapoizina nateraky ny andrana. Nanantitrantitra ny vondrona fiarahamonim-pirenena ICAN fa “tantaran'ny fomba nanongotana ny fiainana tao amin'ny Nosy Marshall, nandotoana ny tany, ary ny olona navela hiady amin'ny voka-dratsy manavatsava taranaka maro” ny andrana Castle Bravo.

Nanamarika ny faha-70 taonan’ny andrana Castle Bravo tamin'ny alalan'ny fitakiana ny rariny ny fivoriamben’ny besinimaro tany Fidji sy ny Nosy Marshall.

Ny FWRM no nitarika ny hira nandritra ny Diaben'ny Firaisankina ho an'ireo Niharam-boina ny Nokleary tao amin'ny USP Laucala Campus any Suva androany.

70 taona izay no lasa hatramin'ny fipoahan'ny Castle Bravo tamin'ny 1 martsa 1954.

Nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa ny menavazana sasany sy ny taranak’ireo izay nesorina tamin’ny trano fonenany.

Ekenay ihany koa ireo menavazana tamin'ny andrana nokleary Pasifika sy ny taranany izay nanatevin-daharana ny @misa4thepacific Diaben'ny firaisankina ho an'ireo Niharam-boina ny Nokleary ao amin'ny @UniSouthPacific androany.

Sao adinontsika.

Enin-taona i Kathy Joel tamin’ny taona 1954 rehefa nesorina tao amin’ny vondrom-piarahamonina nisy azy ny fianakaviany.

I remember when I saw planes flying over my island, I was really frightened. We were evacuated by the US. Until now I long for my homeland. I always think about my homeland and I wish one day, with the help of our President, that I may set foot again on my homeland.

Tadidiko fa rehefa nahita fiaramanidina nanidina teo amin’ny nosiko aho, dia tena natahotra. Nafindran'i Etazonia izahay. Maniry mafy ny tanindrazako aho hatramin'izao. Manina foana ny tanindrazako aho ary maniry aho (fa) indray andro any, fa hampian'ny Filohantsika, mba hanitsaka indray ny tanindrazako ny tongotro.

Enin-taona i Kathy Joel raha nanaparitaka taratra radioaktifa tany amin'ireo nosy atolls avaratr'i #MarshallIslands ny andrana nokleary #Bravo, ka anisan'izany i Rongelap sy Ailinginae.

Nanamarika i Henry Puna, sekretera jeneralin'ny Forum Nosy Pasifika, fa mbola tsy ampy ny famahana ireo olana mifandraika amin'ny andrana nokleary.

Our history is littered with overwhelming foreign disrespect for our Blue Pacific. Clearly, we were used as a testing ground – more like a testing laboratory. And we must ask the question, why was the most beautiful corner of the world, with the most beautiful and peaceful people, chosen for these horrific acts without our informed consent?

While we have come a long way in mending past grievances, regrettably, the terms of resolving nuclear legacy issues in the Marshall Islands have been inadequate, and therefore remain unfinished.

Feno tsy fanajana goavana avy any ivelany ny tantarantsika mikasika ny Blue Pacific. Mazava ho azy fa nampiasaina ho toeram-panaovana andrana isika – toy ny laboratoara fitiliana. Ary tsy maintsy mametraka fanontaniana isika hoe, nahoana no nofidina ho amin'ireo hetsika mahatsiravina ireo ny zoro tsara indrindra eran'izao tontolo izao, miaraka amin'ireo olona mahafinaritra sy milamina indrindra nefa tsy nahazoana alalana mazava avy aminay? 

Na dia efa nandeha lavitr'ezaka aza izahay mba hanarina ireo fitarainana teo aloha, dia indrisy fa tsy ampy ny fepetra hamahana ny olana momba ny lova nokleary ao amin'ny Nosy Marshall, ka mbola tsy vita noho izany .

Nasongadin'ny Peace Movement Aotearoa ny lanja ara-politikan'ny Andron'ny Tsy fisian'ny Nokleary sy Pasifika Mahaleo tena.

Nuclear Free and Independent Pacific Day is a day to remember that the arrogant colonial mindset which allowed, indeed encouraged, this horror continues today – the Pacific is still neither nuclear free nor independent.

It is a day to celebrate the courage, strength and endurance of indigenous Pacific peoples who have persevered and taken back control of their lives, languages and lands to ensure the ways of living and being which were handed down from their ancestors are passed on to future generations.

Ny Andron'ny Tsy fisian'ny Nokleary sy Pasifika Mahaleo tena dia andro iray hahatsiarovana fa mbola mitohy amin'izao fotoana izao ny toe-tsain'ny mpanjanaka miavonavona izay namela, indrindra fa namporisika ity horohoro ity – mbola tsy afaka amin'ny nokleary no tsy mahaleo tena ny Pasifika.

Andro iray hankalazana ny herim-po, ny tanjaka ary ny fiaretan'ireo vazimba teratany Pasifika izay naharitra sy naka hifehy indray ny fiainany, ny fiteniny ary ny taniny mba hiantohana fa hodimbiasan'ny taranaka hoavy ny fomba fiaina sy ny maha-izy azy izay nolovaina tamin'ny razambeny.

Naneho firaisankina tamin'ny mponina ao amin'ny Nosy Marshall ihany koa i Shaun Burnie, mpanentana nokleary sy toetr'andro iraisampirenena ho an'ny Greenpeace International.

The proud people of the Marshall Islands have retained their profound and deep connection to their Pacific home, despite all efforts to destroy that connection through displacement and contamination. That same determination is now evident in their response to the devastating impacts of climate change.

Nitazona ny fifandraisany lalina sy mafonja amin'ny fonenany any Pasifika ny vahoaka mirehareha ao amin'ny Nosy Marshall, na dia eo aza ny ezaka rehetra handravana izany fifandraisana izany amin'ny alàlan'ny famindran-toerana sy ny fandotoana. Hita miharihary ihany koa ankehitriny ny famalian'izy ireo ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.