Raisin'ny olompirenena Taiwaney an-tanana ny fiarovana ny firenena: Antsafa nifanaovana tamin'i Wen Liu Mpampianatra ambony

Sarintavan'ny Mpikaroka mpanampy ny profesora Wen Liu, sary nahazoana alalana

Ho an'ny olona ao Taiwan miaina ao anaty fandrahonana ara-miaramila tsy tapaka avy any Shina, niteraka fanontaniana mikasika ny fahavononana sy ny faharetan'ny tafika Taiwaney ny fananiham-bohitra feno ataon'i Rosia an'i Okraina sy ny valintenin'ny Tandrefana momba izany.

Andro maro taloha taorian'ny fanafihan'i Rosia feno an'i Okraina tamin'ny volana Febroary 2022, nanome ny fanohanany haingana an'i Kyiv i Taipei ary nanalavitra ny tenany tamin'i Moskoa tamin'ny alalan'ny fidirana tao amin'ny lisitr'ireo firenena nampihatra fahirano. Manohy manohana an'i Okraina amin'ny alalan'ny fandefasana fitsidihana ofisialy any amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina mampiantrano ireo mpitsoa-ponenana Okrainiana ary manolotra vola ho an'ny fanarenana izy.

Saingy nanatsoaka lesona tamin'i Okraina ihany koa i Taiwan satria hitany ny fitoviana amin'ny fifandraisany manokana amin'i Shina sy ireo toe-javatra mety hitranga: hotafihana sa hosakanan'i Beijing, ahoana no hamalian'i Etazonia sy Japana — mpiara-dia roa matanjaka indrindra amin'ny nosy eo amin'ny lafiny ara-miaramila, ara-politika, ara-diplaomatika ary ara-toekarena ? Indrindra raha hita fa eo amin'ny antsasaky ny mponina ao Taiwan no maneho fisalasalana fa hahavita hiaro ny nosy manoloana ny fanafihan'ny miaramila Shinoa ny miaramilany. Ny baraingo lehibe eo amin'ny Taiwaney dia ny haben'ny fanoloran-tena ara-tafika hatolotr'i Etazonia raha sendra misy fanafihana avy any Shina. Raha ny marina, ny antontan-taratasy fototra mifehy ny adidin'i Washington amin'ny fiarovana ny nosy dia ny Lalàna momba ny fifandraisan'i Taiwan (TRA) izay, raha ny tena izy, mitazona ny politikan'ny “fanjavozavoana stratejika“. Nolanian'ny Kongresy Amerikana tamin'ny taona 1979, mamela an'i Etazonia hivarotra fitaovam-piadiana amin'i Taiwan ity politika ity fa tsy miteraka adidy ho an'i Etazonia hiditra an-tsehatra mivantana ara-miaramila raha manafika ny nosy i Shina. Mandritra izany fotoana izany, mitazona tafika miaramila 50.000 eo ho eo any Japana eo akaiky be an'i Taiwan i Etazonia.

Raha mila fanazavana fanampiny, vakio: Okraina anio, Taiwan rahampitso, mitombina ve ny fampitahana?

Niresaka tamin'ny Profesora Mpikaroka Mpanampy Wen Liu ao amin'ny Academia Sinica ao Taiwan ny Global Voices mba hahatakarana ny fomba fiomanan'ny ampahany manokana amin'ny fiarahamonina Taiwaney amin'ny mety ho fanafihan'ny miaramila na fanafihan'i Beijing ny nosy. Nahazo ny Ph.D. ao amin'ny Critical Social Psychology ao amin'ny City University of New York  izy ary manadihady ny jeopolitika trans-Pasifika, ny hetsik'ireo queer, ny fijery ara-bolon-koditra ary ny fiandrianam-pirenena amin'ny fomba fijery psykôlôjika sy ara-pihetseham-po. Amin'ny taona 2024 izy hamoaka ny bokiny “Feeling Asian American: Racial Flexibility between Assimilation and Oppression” (University of Illinois Press) izay manolotra hevitra momba ny fifanakalozan-kevitra ara-politika amin'izao fotoana izao avy amin'ny fomba fijerin'ny manam-pahaizana aziatika ampielezana amerikana iray. Mpikatroka queer, mpanoratra tantara, ary mpandika teny ihany koa izy.

Natao tamin'ny alàlan'ny mailaka tamin'ny teny anglisy ny tafatafa ary nahitsy endrika sy nohafohezina.

Filip Noubel (FN): Nolazainao vao haingana tamin'ny hetsika Taiwan-Okraina fa i Taiwan no firenena tokana manana tafik'antoko tamin'ny voalohany, ary izany no manazava ny haavon'ny tsy fahatokisan'ny Taiwaney maro. Afaka mamelabelatra sy manazava amin'ny mpihaino tsy zatra ny tantaran'i Taiwan ve ianao?

Wen Liu (WL) Taiwan's army initially belonged to the Kuomintang [the party that ruled Taiwan from 1949 to the early 2000s and remains one of the two main parties] and its objective was to fight the civil war between the Nationalists (Republic of China, or ROC) and the Communists (People's Republic of China, or PRC). As [Taiwan's leader till 1975] Chiang Kai-shek’s dream of ‘taking back the mainland’ looks no longer tangible or possible in the 1970s, the ROC government tried to refocus the army's purpose and a series of nationalization efforts between the 1980s–2000s attempted to leave the authoritarian baggage of the army behind. However, the army's leadership is largely preoccupied with more pro-China (in an ethnonationalist sense) sectors of the Taiwanese population, which creates distrust in the main public.

Wen Liu (WL) An'ny Kuomintang [antoko nitondra an'i Taiwan nanomboka tamin'ny taona 1949 ka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2000 ary mijanona ho iray amin'ireo antoko roa lehibe]  ny Tafik'i Taiwan tamin'ny voalohany ary tanjony ny hiady amin'ny ady an-trano misy eo amin'ny Nasionalista (Repoblikan'i Shina, na ROC) sy ny Komonista (Repoblikan'ny Vahoaka Shina, na PRC). Rehefa toa tsy azo tsapain-tanana na tsy azo atao intsony ny nofinofin'i Chiang Kai-shek [mpitarika an'i Taiwan hatramin'ny taona 1975] ‘handray indray ny tanibe’ tamin'ny taona 1970, niezaka ny hampifantoka ny tanjona maha-tafika azy ny governemanta ROC ary natao ireo ezaka handraisana azy ho an'ny Firenena teo anelanelan'ny taona 1980–2000 nanaisotra ny enta-mavesatry ny tsirefesimandidin'ny tafika. Na izany aza, variana ifandrombahan'ny sehatra mpomba an'i Shina (amin'ny heviny ara-poko) ao amin'ny vahoaka Taiwaney ny fitarihana ny tafika, ka miteraka tsy fahatokisan'ny vahoaka.

FN: Raha jerena fa mampitombo ny fandrahonana ara-miaramila i Beijing noho izy manohitra ny hevitra rehetra momba an'i Taiwan ho fanjakana mahaleo tena, maro ao Taiwan no nametraka ny olana momba ny filàna fanetsiketsehana matanjaka ny sivily. Ahoana no fandehan'izany, ary iza no mitarika ity hetsika ity?

WL: Different sectors of the Taiwanese civil society have since then mobilized to create infrastructures of resistance while the state's response to China's threats is slow. I generally divide them into three parts: one is a sector that has focused on the rising ‘China factor’ in Taiwanese society ever since Xi's rise to power in 2012. These include social movements-oriented grassroots groups that understand China's threats in both political and economic terms, and conceptualize war in terms of ‘hybrid war,’ which is already happening in Taiwanese society. Second, organizations cultivate community resistance through the disaster prevention approach, which is treating war as any other type of natural disaster to depoliticize the issue and make it appeal to a wider audience. Third, people who have expert knowledge of specific skillsets such as airsoft guns or hand-held radios occupied the other category, in which some of the ex-military officers are involved. Most of them are hoping to be more integrated with the state institutions to reach wider civilian participants.

WL: Nanomboka nihetsika mba hamorona fotodrafitrasa hanoherana ny sehatra samihafa ao amin'ny fiarahamonim-pirenena Taiwaney raha toa milolalola ny famalian'ny fanjakana ny fandrahonana ataon'i Shina. Amin'ny ankapobeny dia zaraiko telo izy ireo: ny iray dia sehatra iray izay mifantoka amin'ny fiakaran'ny ‘singa Shina’ ao amin'ny fiarahamonina Taiwaney hatramin'ny niakaran'i Xi teo amin'ny fitondrana tamin'ny taona 2012. Anisan'izany ireo vondrona ifotony miompana amin'ny hetsika ara-tsosialy izay mahatakatra ny fandrahonana ataon'i Shina eo amin'ny lafiny politika sy ny voambolana ara-toekarena, ary ny famolavolana ny ady amin'ny resaka ‘ady hybrid’, izay efa mitranga eo amin'ny fiarahamonina Taiwaney. Faharoa, volen'ny fikambanana ny fanoheran'ny fiaraha-monina amin'ny alàlan'ny fomba fisorohana ny loza voajanahary hanala azy amin'ny resaka politika ary hahatonga izany hahazo mpihaino maro kokoa. Fahatelo, nibodo ny sokajy hafa ireo olona manana fahalalana manokana momba ny fahaiza-manao manokana toy ny basy airsoft na radio enti-tànana, izay irotsahan'ireo manamboninahitra miaramila taloha an-tsehatra. Ny ankamaroan'izy ireo dia manantena ny ho tafiditra kokoa ao amin'ny andrim-panjakana mba hahazoana mpandray anjara sivily maro kokoa.

FN: Nilaza koa ianao fa ny fanetsiketsehana sivily dia sehatra iray izay mety hampatanjaka indrindra ny miralenta. Afaka manazava ve ianao?

WL: The wartime mobilization would only mobilize less than 15 percent of Taiwan's population [of 23 million people]. The remaining sectors of the civilian populations are the untapped capacity of any given conflict and should be of use and trained In these civil defense organizations, the military knowledge or training is not a privileged subject but something to be democratically distributed and all areas of knowledge and skills are mobilized (including medical aid, information management, food preparation, etc). In that sense, civil defense requires a more equal and diverse form of gender expression, and hence less masculized. Furthermore, in Taiwan it's mostly women who participate in different kinds of civil education classes even after their formal school training. This fact allows these spaces to have more diverse forms of gender participation than the traditional military sector.

WL: Tsy hanetsika afa-tsy ny 15 isanjaton'ny mponina ao Taiwan [olona 23 tapitrisa] ny fanetsehana olona amin'ny fotoanan'ny ady. Tsy azo ampiasaina amin'zay mety ho fifandonana ny sehatra sisa tavela amin'ny mponina sivily ary tokony ho azo ampiasaina sy hampiofanina ao amin'ireo fikambanan'ny fiarovana sivily ireo, tsy lohahevitry ny mahazo tombondahiny manokana ny fahalalana na ny fanofanana ara-miaramila fa zavatra tokony hozaraina amin'ny sarambabem-bahoaka ary ahetsika ara-miaramila ny sokajim-pahalalàna sy hakingàna rehetra (anisan'izany ny fanampiana ara-pitsaboana, ny fitantanam-baovao, ny fikarakarana sakafo, sns). Amin'izay heviny izay, ny fiarovana sivily dia mitaky endrika mitovy lanja sy marolafy kokoa amin'ny fanehoana ny lahy sy ny vavy, ary avy amin'izany tsy hanjakazakan-dehilahy loatra. Fanampin'izany, any Taiwan dia ny vehivavy no tena mandray anjara amin'ny kilasy fanabeazana sivily isan-karazany na dia aorian'ny fiofanany ofisialy any an-tsekoly aza. Io zava-misy io no mamela ireo habaka ireo ho maroendrika kokoa amin'ny fandraisana anjaran'ny lahy sy ny vavy noho ny mihoatra noho ny sehatra miaramila mahazatra.

FN: Betsaka ny resaka “Okraina anio, Taiwan rahampitso” milaza fa tokony hianatra avy amin'ny fananiham-bohitra feno ataon'i Rosia an'i Okraina i Taiwan satria tsy afaka manilika fanafihana mitovy amin'izany avy any Shina. Inona no ataonao amin'ity fampitahana ity, ary inona no nianaranao avy amin'ny setriny ataon'i Okraina, anisan'izany ny fampidirana ireo andian-tafika queer ao amin'ny tafika Okrainiana?

WL: What Taiwan can learn from Ukraine is about the unpredictability of dealing with authoritarian regimes. There is no rationality of Russia’s invasion but its imperial ambition, similar to China’s. Ukraine had the opportunity to regroup after 2014’s invasion but Taiwan does not. What we can learn is how the civil society really pushed the state to reform its military structure and policy as well as increase the civilian capacity in defense and resistance. The lessons are that it’s never too late to start but we must start somewhere from the bottom up.

WL: Ny zavatra azon'i Taiwan ianarana avy any Okraina dia ny momba ireo tsy ampoizina manoloana ireo fitondrana tsirefesi-mandidy. Tsy ara-pisainana ny fananiham-bohitr'i Rosia ankoatra ny faniriany hanita-panjakana, mitovy amin'ny an'i Shina. Nanana fahafahana nivondrona indray i Okraina taorian'ny fananiham-bohitra tamin'ny taona 2014 saingy tsy nanao izany i Taiwan. Ny azontsika ianarana dia ny fomba anosehan'ny fiarahamonim-pirenena ny fanjakana hanavao ny rafitra sy ny politikany ara-miaramila ary ny fampitomboana ny fahafahan'ny sivily miaro sy mifahatra. Ny lesona dia hoe tsy tara mihitsy ny manomboka fa tsy maintsy manomboka any amin'ny farany ambany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.