‘Matilda': Voambolana Aostraliàna ho an'ity taona ity, taorian'ny fandresena miezinezina nandritra ny Fiadiana ny ho Tompondaka Vehivavy – FIFA 2023

Teammates congratulate Matilda's Cortnee Vine

Ireo mpiara-milalao aminy miarahaba an'i Courtnee Vine, mpilalaon'ny Matildas, taorian'ilay daka penalty nandreseny an'i Frantsa tamin'ny lalao ampahefa-dàlana fiadiana ny ho Tompondaka Erantany,- Pikantsary tamin'ny lahatsary Youtube an'ny Optus sport

“Matilda” no tenin'ity taona 2023 ity tafiditra ao anatin'ny Australian National Dictionary (AND). Aostralianisma efa tranainy be izy io (fampiasàna teny avy amin'ny Oz), fantatra kokoa any Etazonia amin'ilay hira “Waltzing Matilda”. Io hira tsy ôfisialy io dia manondro swagman iray (mpiasa mpifindrafindra toerana) izay mitondra ny swag-ny (antontan'entany).

Nohazavain'ny AND tao amin'ny tranonkalany ny anton'ilay safidy:

Ny anaran'ilay tarika (Matildas, na Tillies rehefa afohezina) sy ny endriny tokana (Matilda) dia hita teny rehetra teny fony ny firohotana tamin'ny Matildas nandrakotra ny firenena, niaraka tamin'ireo Aostraliàna  babon'ny minitra tsirairay nilalaovana.
Ny ampahefa-dàlana nihaonan'ny Matildas tamin'i Angletera no fandaharana be mpijery indrindra tamin'ny TV tao anatin'ny taompolo maro tany Aostralia, nahatratra olona nihoatra ny 11 tapitrisa.

Matthew Rimmer nizara ny vaovao tao amin'ny Mastodon:

Ilay fifanintsanana dia niaraka nolalaovina tao Aostralia sy Nouvelle Zélande. Ny filalaovana ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany teo amin'ny taniny dia azo antoka fa nanampy ilay tarika hahazo mpanohana misimisy kokoa noho ireo fahafahana marobe nananan'ny olona hanatrika ireo lalao. Ireo tanora mpankafy ny  Matildas no tena nirehidrehitra araka ny hita anatin'ity lahatsary ity:

Iray monja ihany amin'ireo kaody fototry ny baolina kitra ny baolina kitra aostraliàna. Mazàna izy io no tondroina ho toy ny  ‘soccer’ na ilay lalao baolina boribory ho entina manavaka azy amin'ny AFL (Australian Football League), NRL (National Rugby League) ary ny Rugby Union, izay mampiasa ny baolina lavalava araka ny asehon'ny sary eto ambany avy amin'ny AFL. Samy manana mpanohana matanjaka daholo ireo efatra ireo, na ho an'ireo lalaon'ny lehilahy na ny an'ny vehivavy. Baolina lavalava iray ampiasaina amin'ny AFL no aseho ao anatin'ity lahatsary ity:

Robert Harvey's last game for St Kilda AFL club

Ny lalao farany nataon'i Robert Harvey tamin'ny lalao baolina kitra AFL [2008] – Sary natolotra am-pitiavana avy amin'ny mpampiasa Flickr Bradview (CC BY-ND 2.0 DEED)

Soccer dia fomba fiteny iray nanana ny fiandohany avy any amin'ny Fanjakana Mitambatra, fampiasa hamaritana ny lalao lalaovina ao anatin'ny atao hoe “baolina kitra’. Kanefa, aostralianisma ampiasaina betsaka ihany koa izy io eny anivon'ireo mpanaraka ny AFL. Matoanteny iray midika hoe “mandàka baolina tsy azo raisina tànana”’, araka ny asehon'ity sary ity:

The word 'soccer' used as an australianism

Ny teny hoe “soccer” ampiasaina ho toy ny aostralianisma – saripika an'ny mpanoratra: The Australian National Dictionary – Australian Words and Their Origins [Second Edition p. 1448]

Ireo mpankafy sasany dia nanao ny sorona faratampony ho afaka hanatrika ilay lalao ampahefa-dàlana nifanandrinana tamin'i Frantsa — ‘Naleoko nafoy ny tapakilako hijerena Taylor Swift mba hanotronana ny Matildas':

Taylor Swift ✖️
The Matildas ✔️🇦🇺 #FIFAWWC#FIFAWomensWorldCup2023 #AUS #ErasTour #TaylorSwiftErasTour pic.twitter.com/jRP4BXUjpf

— The Super Subs⚽️ (@the_super_subs) 10 Aogositra 2023

Ny 11 Aogositra, Courtnee Vine, 21 taona no tsy isalasalàna fa nalaza kokoa noho i Taylor Swift rehefa iny izy nandaka ny penalty nitondra ny Matildas ho any amin'ilay lalao voalohany ho azy ireo hiadiana ny manasa-dàlan'ny Tompondaka Erantany. Nankalazaina tao amin'ny TikTok izy niaraka tamin'ny pi8str1, mpankafy iray an'ilay Aostraliàna mpamily Formule 1, Oscar Piastri, izay nandefa ity:

@pi8str1

ts + the tilles 🫶🫶 (if youve seen this before, the original got taken down😫😫) #thematildas #womensworldcup #matildas #foryou

♬ original sound – bel⁸¹ ⁵⁵

Vetivety dia tsy hita izay eritreritra hoe vetivety dia hanjavona ny lazan'ny Matildas. Tamin'ny Oktôbra, ireo lalao telo nahomby nandritra ny fifanintsanana ho amin'ny Olaimpika tany Perth, renivohitr'i Aostralia Andrefana, dia tapitra avokoa ny tapakila: 59.155 no nanatrika ilay 8–0 namotehan-dry zareo an'i Filipina.

Tsy ela akory izay ny Matildas no nahazo fanondrotana karama. Nahazo fampitoviana karama sy fepetra toy ny an'ireo Socceroos, ekipam-pirenena sokajy lehilahy, ry zareo hatramin'ny 2019.  Nalahatry ny fikambanana erantany FIFA ho eo amin'ny laharana faha-11 ny Matildas, raha faha-27 kosa ny Socceroos, nahatonga ny olona sasany tao amin'ny media sôsialy hilaza fa tokony ho be karama kokoa noho ireo lehilahy ry zareo, izay tsy mbola tonga mihitsy tany amin'ny manasa-dàlan'ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany.  Iray tamin'izany i lucie digitální, mpampiasa Mastodon:

‘Matilda’ no toa safidy malaza be kokoa teny anivon'ireo mponina ao an-toerana raha alahatra amin'ilay tenin'ny taona nofidian'ny rakibolana Macquarie Dictionary hoe “cozzie livs” [vidim-piainana]. Na rakibolana Aostraliàna aza no resaka, tsy nianona tamin'ny fisafidianana ny aostralianisma ireo mpitsara tao amin-dry zareo.

Mandritra izany, ny kapitenin'ny Matilda sady mpilalao fantadaza ao amin'ny Chelsea, Sam Kerr, dia manana vaovao tsara vitsivitsy ho ankalazaina. Nozarainy tao amin'ny Instagram ity saripikan'ny fangatahana azy ho vady ity, fangatahana nataon'i Kristie Mewis, ilay Amerikàna matianina mpilalao soccer :

Antenain'ireo mpankafy ny baolina boribory sy ny baolina kitra aostraliàna ny hivadihan'ny lazan'ny Matildas, tsy ho lasa fitomboan'ny mpankafy ho maro kokoa fotsiny, fa koa fitomboana be amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanatanjahantena, na lahy io na vavy any an-tsekoly sy eny anatin'ireo klioba amin'ny sehatra ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.