#StandWithBach: Ho fanohanana ilay mpisolovava ara-tontolo iainana manao fitokonana tsy hihinan-kanina ao Vietnam

Dang Dinh Bach

Dang Dinh Bach. Saripikan'ny tranonkala ‘Stand With Bach’

“Tsy hahomby ny fifindrana mankany amin'ny angovo maitso raha tsy manana anjara toerana ny mpiaro ny tontolo iainana toa an'i Dang Dinh Bach.”

Izany no hafa-panentanana ho fanohanana ny mpisolovava vietnamiana Dang Dinh Bach izay notanana am-ponja hatramin'ny Jona 2021 ary manefa sazy an-tranomaizina dimy taona noho ny fampandosiran-ketra.

Vondrona fiarahamonim-pirenena manodidina ny 80 eo ho eo no nanao sonia fanambaràna iray manondro ny mahatsikaiky ataon'i Vietnam amin'ny fanoloran-tena ho amin'ny fifindrana mankany amin'ny angovo madio na dia namafa ny asan'ireo mpiaro ny tontolo iainana malaza toa an'i Bach aza.

The Vietnamese government itself has committed to net zero emissions by 2050 and accepted a [USD] 15.5 billion deal to support a just transition to clean energy. But this cannot succeed with climate leaders like Bach in jail.

Ny governemanta Vietnamiana tenany no nanolo-tena hiantoka tsy hisian'ny fandefasana etona amin'ny taona 2050 ary nanaiky ny fifanarahana 15,5 miliara [USD] hanohanana ny fifindrana ara-drariny mankany amin'ny angovo madio. Saingy tsy hahomby izany raha misy mpitarika ara-toetrandro toa an'i Bach any am-ponja.

Nitarika Foibem-Pikarohana Fampandrosoana ny Lalàna sy ny Politika Lovainjafy nandritra ny folo taona tao Hanoi i Bach mandra-pahatonga ny fisamborana azy tamin'ny taona 2021. Tsy mpikambana ao amin'ny vondrona mpikatroka izy, saingy nilaza ireo mpanohana azy fa mety ho lasibatra noho ny asany momba ny orinasa Son La Hydroelectric izay nafindra toerana olona mihoatra ny 91.000 izy. Nandray anjara mavitrika ihany koa izy tamin'ny fampivoarana ny fifanarahana ara-barotra malalaka teo amin'ny Vondrona Eoropeana sy Vietnam, izay nitaky an'i Vietnam hanangana Vondrona Mpanolo-tsaina ao an-tanindrazana.

Nosamborina tsy nisy didy izy ary notanana amin'ny toerana tsy fantatra nanomboka tamin'ny Jolay 2021 ka hatramin'ny Aogositra 2022. Ankoatra an'i Bach, mpitarika ONG efatra hafa momba ny tontolo iainana no voampanga tamin'ny fiampangana fandosiran-ketra mampiahiahy ary tsy avela handalo paika ara-pitsarana.

Nilaza ny Vondronasan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fanagadrana Tsy Ara-dalàna fa ny fitazonana an'i Bach dia “avy amin'ny fanatanterahany am-pilaminana ny fahalalahana fototra ananany” ka nantsoina ny manampahefana Vietnamiana hamotsotra ilay mpisolovava momba ny tontolo iainana.

Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina amin'ny ampahany i Bach nanomboka ny 17 marsa 2023, ho fanoherany ny fanagadrana tsy ara-drariny. Nanapa-kevitra ny hanao fitokonana tsy hihinan-kanina feno izy amin'ny volana Jona, nanamarika ny taona faharoa nitazonana azy tsy ara-pitsarana. Nanonona fanambaràna avy amin'i Bach ny am-ponja ny vadiny, Tran Phuong Thao :

I refuse the entire prison rations. I refuse all medical visits; I refuse to sign any documents; I condemn the violation of my personal rights. The prison has arbitrarily filmed me and may try to use my pictures and post personal information related to me for any purpose and without my consent.

I will go on hunger strike completely starting from June 9. I accept the consequences, even if I lose my life. I affirm this action as non-combatant, non-violent, and free from internal and external conflicts.

Laviko ny sakafon'ny fonja manontolo. Laviko ny fitsidihana ara-pitsaboana rehetra; Tsy manaiky hanao sonia taratasy aho; Manameloka ny fanitsakitsahana ny zoko manokana aho. Ny fonja dia naka sary tsy nahy aho ary mety hanandrana hampiasa ny sariko sy handefa ny mombamomba ahy manokana amin'ny tanjona rehetra ary tsy misy faneken'ny ahy.

Hitokona tsy hihinan-kanina tanteraka aho manomboka ny 9 jona. Ekeko ny vokany, na dia hamoy ny aiko aza. Hamafisiko fa tsy miady, tsy misy herisetra ary tsy misy fifandirana anatiny sy ivelany ity hetsika ity.

Niampanga ny governemanta Vietnamiana ihany koa i Bach ho nanafina ny marina momba ny fiantraikan'ny tetikasa goavana sasany amin'ny tontolo iainana.

In order to conceal the truth and threaten the voices of people, the Vietnamese authorities have arrested, convicted and unjustly detained environmental and human rights activists

Mba hanafenana ny marina sy handrahonana ny feon'ny olona, dia nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana, nomelohina ary notanana tsy ara-drariny ireo mpikatroka mpiaro ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona.

Nandrisika ireo mpanohana azy i Bach hampiroborobo ny hafany ho an'izao tontolo izao:

-Practice green living;
-Help vulnerable communities affected by environmental pollution fight for justice;
-Join him in the hunger strike and spread the message.

- Manaova fiainana maitso;
-Ampio ireo vondrom-piarahamonina marefo iharan'ny fandotoana tontolo iainana hiady hahazo rariny;
-Manaraka azy amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ary manaparitaka ny hafatra.

Mampifandray ireo hafa-piraisankina nozarain'ireo mpikatroka sy mpiaro ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao ny farangoteny Twitter #StandWithBach. Nisioka ny ahiahiny i Mary Lawlor, Mpampakateny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny Mpiaro ny Zon'Olombelona :

Nandre ny vaovao manahiran-tsaina fa nitokona tsy hihinan-kanina nanomboka ny 9 Jona ny HRD Dang Dinh Bach avy ao #Vietnam 🇻🇳. Voaheloka higadra 5 taona izy noho ny fiarovana ny tontolo iainana. Tokony hifarana ny fanamelohana ireo mpiaro ny zo ara-tontolo iainana.

Tao Manila, nisy hetsi-panoherana natao teo ivelan'ny foiben'ny Banky Fampandrosoana Aziatika, izay namatsy fotodrafitrasa maro tao Vietnam.

Androany, nisy fihetsiketsehana natao tao @ADB_HQ nandritra ny @ACEF_Forum. Mitaky ny Banky hampitsahatra ny fampiasam-bola amin'ny #FossilFuels & #FalseClimateSolutions ny vondrona ary manentana ny fanovana haingana ho amin'ny angovo azo avy amin'ny masoandro sy rivotra. Izy ireo koa dia nanatevin-daharana ny antso ho an'ny fanafahana ireo mpitarika ara-toetrandro, fanafahana an'i Bach…

Niantso ho amin'ny fanohanana anjotra an'i Bach ny Fondation Manushya miorina any Thailandy.

Andro faha-5 amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina manoloana ny fanagadrana tsy ara-drariny azy ankehitriny i Bach.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.