Tiorkia: Ny fisandratana sy ny firodanan'ny Clubhouse

Pikantsary avy amin'ny tranonkala : https://www.joinclubhouse.com/

[Raha tsy asiana fanamarihana mifanohitra, ny rohy rehetra ato dia mitondra ho amina tranonkala amin'ny fiteny anglisy .]

Tamin'ny Janoary, rehefa nanomboka hetsika ireo mpianatra mba hanoherana ny fanendren'ny filoha ny rektora ao amin'ilay anjerimanontolo ao Boğaziçi, Tiorkia, dia tao amin'ny Clubhouse ny ankamaroan'ny seraseran'izy ireo no natao.

Tao anaty antsafa iray niarahana tamin'ny Middle East Eye, nilaza i Furkan Dabaniyasti, mpandrindra ny iray amin'ireo efitra karajia ifampiresahana ao amin'ny Clubhouse-n'i Boğaziçi, fa ilay vondrona dia « itambaran'ireo rehetra ao amin'ny anjerimanontolo, mpianatra, amin'izao fotoana sy fahiny, mpikambana avy amin'ny fiombonan'ireo mpampianatra, mba hisian'ny fifampiresahana malalaka eo anivon'izy ireo anatina vovonana iray misokatra sy hitan'ny rehetra».

Merve Tahiroglu, mpandrindra ny fandaharanasan'ny tetikasa Project on Middle East Democracy (POMED) ao Tiorkia,  manazava fa ilay sehatra dia lasa « toerana iray ho an'ny firaisankina sy ny fanentanana. Tany aloha ny Clubhouse dia mbola teo amin'ny toeran'ny andrana, mbola natao fotsiny ho an'ny iPhone ary fanàsana no nidirana taminy fony izy tsikaritr'ireo [tr] mpanao hetsipanoherana sy ireo tiorka mpianatra ».

Ankoatra ny fisandratany teny anivon'ny anjerimanontolo tao Boğaziçi, ny fototr'ireo tiorka mpampiasa ilay fampiharana dia ahitàna ihany koa ireo artista sy mpitarikevitra malaza izay mandray anjara amin'ireo fifanakalozan-dresaka manodidina ny pôltika, ny solovola nomerika (cryptocurrency), sns… .

Anaty firenena iray mivakivaky tahàka an'i Tiorkia, izay ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovaova dia eo ambany fifehezan'ny fanjakana avokoa, tsy misy tokony hahagaga ny fisandratan'ny Clubhouse. Ho an'i Yalcin Ari, manampahazizana manokana amin'ny resaka media nomerika, « [ilay fampiharana dia] nahafahan'ny olona maro nifanakalo hevitra, izay tsy zatra nifampiresaka akory noho ny fizarazaràna naterak'ireo tranga pôlitika nandritra ny fito taona farany. Nifampihaino ry zareo, ary afaka nahita marimaritra iraisana mba hihoarana ny tsy fitovian-dry zareo ».

Toy izany koa, asongadin'ilay mpanao gazety, Pinar Tremblay, ny fomba nampivondronan'ilay fampiharana ireo vondrona sy olontsotra tena tsy misy itovizany, ireo Tiorka ampielezana tamin'ireo Kiorda, nandalo tamin'ireo olona LGBTQ+. « Ireo mpikambana avy amin'ny Kiorda any  ampielezana ao Eorôpa no mitantana ireo karajia natokana ho an'ny resaka momba ny Kiorda […] Tsy misy hafa amin'izay, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonina LGBTQ+ tiorka ao Eorôpa no mandray an-tànana ny momba ireo fahafahana sy ireo zo tokony hokatsahan'ireo mpanaradia an-dry zareo ao Tiorkia. Any amin'ny faran'ny fivoriana iray, misy mpihaino iray naneho hevitra hoe: « Tsy maintsy iverenako iainana amin'izao fotoana izao ireo nofinofiko rehetra. »

Saingy raha toa nalaky be ny fiakaran'ny lazany teny anivon'ireo mpanohitra ny filoha Erdogan, dia tahaka izay ihany koa ny firodànany. Mifanohitra amin'ireo tambajotra sôsialy toy ny Facebook, Twitter, YouTube sy Instagram, Clubhouse dia sehatra iray tsy mbola tratry ny governemanta am-perinasa, araka izany dia tsy mbola iharan'ny fitsikilovan'ny pôlisy izy hatreto.

Tamin'ny fiandohan'ny Febroary, niova ny toedraharaha rehefa nisy mpianatra telo [tr] nentina hatao famotorana satria nikarakara efitra fifampiresahana tao amin'ny Clubhouse mba hiresahana momba ireo hetsipanoherana ao amin'ny anjerimanontolon'i Boğaziçi. Nolazain'ny pôlisy fa voamarina tamin'ny alàlan'ireo ranty nalefan'ireto mpianatra ireto ho an'ny daholobe tao amin'ny Twitter sy Instagram ireo fisamborana ireo, saingy nilaza iretsy farany [tr] fa ny Clubhouse no hany zavatra tokana iraisan-dry zareo.

Ao Tiorkia, voalazan'ny tatitra fa nosamborina nentina hatao famotorana ireo mpandrindra ny efitra iray fifampiresahana ao amin'ny Clubhouse Boğaziçi.
Raha voamarina izany, io ve izany no fisamborana nalaky indrindra teo amina tambajotra sôsialy iray vaovao? Ny tiako hambara dia hoe, mbola amin'ny endriny andrana (Beta) tsy mbola natao ho an'ny Android aloha. pic.twitter.com/nidkcKBVNL

— Can Okar (@canokar) 3 febroary 2021

« Niharatsy ny toedraharaha nanomboka teo. Nanomboka nanontany tena ireo mpampiasa aterineto raha toa ka azo antoka ny Clubhouse manoloana ny fanarahamason'ny governemanta, ary mandritra izany fotoana izany, nameno ilay fampiharana ireo mpanao gazety sy feo mpanohana an'i Erdoğan » hoy ny nosoratan'i Tahiroglu.

Nanomboka teo, lasa kianja vaovao ho an'ny ady nomerikan'ny fifandonan'ny fampahalalam-baovao ny Clubhouse. « Tany am-piandohana, ireo olo-malazan'ny fanoherana irery ihany no nanjohy ilay tambajotra sy nandray fitenenana. Ankehitriny, nanjohy ireo efitrano tototra olona miresaka momba ireo olana pôlitika mafàna tamin'iny andro iny ireo mpikambana fahiny sy amin'izao fotoana izao ao amin'ny antoko AKP » hoy ny fanazavàn'i Tremblay.

Miaraka amin'ny isan'ireo mpampiasa azy sy ny laza tsy mitsaha-mitombo, nilain'ilay sehatra ihany koa ny nanaraka ireo lalàna henjana momba ireo media sôsialy izay nankatoavin’ny parlemanta tiorka tamin'ny taona lasa.

Araka io lalàna io, ireo orinasa misahana tambajotra sôsialy ka mihoatra ny iray tapitrisa ny mpampiasa azy isanandro dia sy maintsy manendry solotena iray ara-dalàna ao Tiorkia ary manokatra birao ao amin'ilay firenena mba ho tomponandraikitra manoloana ny lalàna. Raha tsy manaraka ireny fepetra ireny ireo orinasa, giazan'ny governemanta ny fatran-korian-dry (bandwidth) zareo, hatramin'ny 90%.

Ankoatra izay dia manana adidy ireo orinasa misahana media sôsialy mba hitahiry ny angondrakitra mombamomba ireo mpampiasa azy ao Tiorkia sy handefa tatitra momba ny asan-dry zareo, isaky ny enim-bolana, any amin'ny manampahefana miandraikitra ny teknôlôjiam-pifandraisana sy ny fampahalalam-baovao (BTK). Ny tsy fanatanterahana izany dia mitondra mankany amin'ny fandoavana lamandy hatramin'ny  10 tapitrisa liras tiorka (eo amin'ny 1,3 tapitrisa dôlara amerikàna).

Tamin'ny Novambra 2020, nomelohin'i Tiorkia ny Facebook, Twitter ary YouTube handoa lamandy nitentina 1,18 tapitrisa dôlara noho ny tsy fanajàna lalàna. Iray volana taorian'izay, mbola nampandoavin'ilay sampan-draharaha mpandrindra ny fifandraisana sazy vaovao ry zareo, 30 tapitrisa liras tiorka (eo amin'ny 3,8 dôlara amerikàna) noho ny tsy nanendreny mpisolo tena eo anatrehan'ny lalàna tao an-toerana.

Fotoana fohy taorian'ireo lamandy, tsy niandry ela tamin'ny fanendrena izay hisolo tena azy tao an-toerana ny YouTube, Instagram sy Tiktok, ary nanao toy izany koa ny Facebook tamin'ny Janoary 2021.

Tao anatin'izay fotoana izay, ny sampandraharaha mpandrindra dia nandràra ireo orinasa tiorka tsy hanao dokambarotra ao amin'ny Twitter sy Pinterest, izay tsy mbola nanaraka ny fitsipika. 

Ny volana Martsa, nambaran'ny Twiter ny hisokafan'ny birao iray mpisolo tena azy afaka volana vitsy, fanapahankevitra nokianin'ireo mpiaro ny zo nomerika.

Raha tokony hoe ny fidirana ao amin'ny Clubhouse no nobahanany, toy izay nataon'i Shina taloha kelin'izao, dia toa ny fandindràna sehatra tamin'ny alàlan'ilay lalàna vaovao napetrany no nataon'ny governemanta tiorka, ary hanome alàlana ny hiasàny ao anatin'ny firenena.

Ho an'ny Tahiroglu, ireo orinasa mitantana tambajotra sôsialy dia tokony « hiady » amin'ilay lalàna vaovao nataon'i Erdoğan. « Tokony hampiasa izay loharano rehetra eo an-tànany ry zareo mba hanombanana ireo fangatahana fanesorana mifanaraka amin'ny fotokevitra azy ireo manokana momba ny fahalalahana maneho hevitra sy hiadiana amin'izay rehetra didim-panjakana navoakan'ny governemanta tiorka sy ireo tribonaliny ka tsy manaraka ireny fenitra ireny. »

Araka ny Fikambanana miaro ny fahalalahana maneho hevitra, tany amin'ny Oktôbra 2020 i Tiorkia dia nibahana ny fahafahana miditra tamina sehatra mihoatra ny  450.000, rohy mihoatra ny 140.000 ary bitsika mihoatra ny 42.000.

Anatin'ny tontolo anjakan'ny sivana sy ny fanarahamaso, ireo fampiharana toy ny Clubhouse dia miasa ho toy ny sehatra isian'ny fahalalahana maneho hevitra sy fifanakalozana hevitra malalaka. Tahàka ny ilaina fisian'ny sehatra toy ireny ao Tiorkia. Raha tsy afaka ny handray azy ireny ny Clubhouse, dia azo antoka fa hahita fanolo any an-kafa ireo mpampiasa aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.