Tatitra Unfreedom Monitor: Rosia

Sary: Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i  Rosia amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Manadihady ny antony fototra, ny fomba fanao ary ny anton’ny tsirefesimandidy nomerika any Rosia ity tatitra ity. Ny fitaovam-pikarohana sy ny fisoloana vava efa misy no ampiasain’izy io, ary ny fanadihadiana lalina mikasika ny fandrakofam-baovao momba ny hetsika lehibe mifandraika amin'ny fitantanana ny aterineto sy ny fandrindrana ny tontolo an-jotra ao amin'ny firenena, ary mampiasa fomba fiasa tokana notarihin'ny Global Voices Civic Media Observatory, ary nampifanarahana tamin'ny tetikasa Advox Unfreedom Monitor.

Manome topimaso fohy momba ny rafitra sy ny fitondrana politika ao Rosia ny tatitra, ary ny toerany eo amin'ny sehatra iraisampirenena sy ny fiovana lehibe ara-politika sy ara-tsosialy. Rehefa mandinika ny rafitry ny fampitam-baovao ao Rosia sy ny toetry ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, ny tatitra avy eo dia mampita vaovao feno momba ny fivoaran'ny aterineto sy ny fampiasana azy ao Rosia ary ny fivoaran'ny fomba fiasan'ny fanjakana amin'ny fitantanana votoaty, fampahalalana ary hetsika eo amin'ny habaka an-tserasera.

Araka izany hevitra izany, mampiasa ny fomba fiasan’ny Unfreedom Monitor ny tatitra mba hamakafakana ny fitantarana vao haingana avy amin’ny fampahalalam-baovaom-panjakana sy ny tsy miankina amin'ny tanjona hamoahana ireo foto-kevitra fototra momba ny tsirefesimandidy nomerika ao Rosia. Jerena amin'ny alalan'ireo hetsika na tranga lehibe maro ny famakafakana, toy ny fifidianana parlemantera farany teo, ny fandaniana ny lalàna manan-danja goavana na ny fampiharana ny paikadim-pitantanan’ny fanjakana, ary ny fanafihan’i Rosia mahery vaika an'i Okraina vao haingana. Ny hamaritana ireo rafitra fitantarana fototra atolotry ny fanjakana sy ny tsy fahafampony amin'ny fanazavana, fiarovana na fitsikerana ny antony fototra, ny fomba fanao ary ny valin’ny fomba fanaon’ny fitondrana jadona amin’ny sehatra nomerika no tanjon'ny famakafakana. Ny fanaraha-maso ireo rafitra ireo sy ny fandalinana ireo fomba fanao sy paikady amin'ny fitantanan'ny fanjakana ny aterineto, ny sivana ary ny fanaraha-maso no ahafahana maneho an-tsary mirindra kokoa ny fomba fiasan'ny tsirefesimandidy nomerika ao Rosia amin'izao fotoana. Manasongadina ny maha-zava-dehibe ny aterineto amin'ny fiainana politika sy sosialy ao Rosia ihany koa ny tatitra, ary noho izany, ny fahamehan'ny fanjakana amin'ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny seha-baovao an-tambajotra, ny fitobahan’ny angondrakitra, ny fifandraisan-davitra ary ny fotodrafitrasan’aterineto.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Authoritarian regimes have long had a complicated relationship with media and communications technologies. The Unfreedom Monitor is a Global Voices Advox research initiative examining the growing phenomenon of networked or digital authoritarianism.

Read the full report here.

The Unfreedom Monitor
Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).
Vakio ato ny tatitra feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.