‘Ny gitara beso no hazondamosina': Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny mpitendry gitara ‘bass’-n'ny Wailers, Aston ‘Family Man’ Barrett

(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 15 Febroary 2024)

Aston “Family Man” Barrett mpitendry gitara beso-n'ny Wailers, sary nopihan'i NoRMaN TsAi 蔡英颉 tao amin'ny Flickr, CC BY-NC 2.0 DEED.

Andro roa monja taorian'ny nanokafana ny Volan'ny Reggae tao Jamaika, taorian'ny aretina nitaiza azy fotoana elabe dia  nodimandry tamin'ny Sabotsy 3 Febroary tao amin'ny Hopitaly Oniversitera ao Miami, Florida, i Aston “Family Man” Barrett, mpitarika sy talen'ny mozikan'ny  Wailers tany am-piandohany. 77 taona izy tamin'izay. Ny zanany lahy, Aston Barrett Jr., no nanambara tao amin'ny Instagram ny fodiamandrin'ny rainy : “Io maraina io, izao tontolo izao dia namoy, tsy hoe fotsiny mozisiàna iray sangany sy hazondamosin'ny The Wailers fa koa olombelona iray niavaka izay namela lova goavambe ohatry ny talentany […] tsy misy teny afaka hanambara ny alahelo lalina ato anatinay.”

Avy amin'ny gitara beso mampangorintsina,  mikiry misisika izay manokatra ny “Natural Mystic”-n'i Bob Marley  — nasongadina tao anatin'ilay ampahany manokatra ilay sarimihetsika malaza “Countryman” — ka hatramin'ireo fomba mavitrika ao anatin'ilay rakikirany “Cobra Style” vonto “dub”, ny amponga mampatory mitsangana ary ny gitara beso izay nanosika ilay “Exodus” klasika sy ilay feo kanton'ny gitara beson'i Barrett no hery nanetsika tao ambadiky ny mozikan'i Bob Marley.

Ny Orina Bob Marley namoaka hoe:

Maso sy fo vonton-dranomaso no izarànay aminareo ny vaovao avy amin'i Aston Barrett Jr. fa ny rainy, namana tsy foinay, mpiaramiasa tamin'ny mozika, ny rahalahy akaiky Aston “Family Man” Barrett dia nandao ny tany. Isaky ny mihaino mozika isika, anongilano sofina tsara ny… pic.twitter.com/Nz1JJduXFx

— Bob Marley (@bobmarley) 3 Febroary 2024

Ziggy, lahimatoan'i Marley, naneho hoe:

Lasa ilay mpampianatra ahy. Aston Family Man Barrett, aingampanahy ho ahy sy ireo maro hafa ny fahatsapàny. Hotohizanay hatrany amin'ny fara sy dimby ireo fahaizamanaony ary hotsarovanay ny fanatrehany mivantana, mbola hitoetra maharitra ny angovom-panahiny & fampianarany. Am-pitiavana be ho an'ny ankohonan'i Barrett. MAP ry Dada. JAH Live pic.twitter.com/j2PFMncivr

— Ziggy Marley (@ziggymarley) 3 Febroary 2024

Teraka tao Kingston tamin'ny 1946, nankafy nihira i Barrett tamin'ny fahatanoràny saingy tsy nanao izany tamin'ny fomba matianina. Ny filalaovan'itpkl Lloyd Brevett, ilay mpikambana mpanorina ny tarika malaza Skatallites izay nilalao ‘contrebasse’ no nahasarika azy.

Hoy i Barrett tao anaty tafa iray tamin'ny 2007, “Rehefa mitendry gitara beso aho, dia toy ny mihira. Mamorona andàlana melôdika iray aho ary dia mahita ny tenako ihany mihira ny ‘baryton’ […] Ary rehefa manapaka hevitra aho ny hihaino hatrany anatiny lalin'ny mozika — amin'ireo ampahany rehetra sy ny zavamaneno lalaovina — tsapako fa ny gitara beso no hazondamosina, ary ny amponga no fo mitempo ho an'ny mozika. Araka izany, tamin'ireo taonan'ny fahatanoranay, noraisin'i Carlton zandriko ny amponga, ary izaho nandray ny gitara beso, dia nanapaka hevitra aho ny hiroso hanao azy io tsaratsara kokoa amin'ny fomba hafa. Araka izany dia nanamboatra ny gitara beso-ko ahy manokana aho.”

Tamba-takela-kazo sy hazo fanantonana lambam-baravarana no nanamboarany ny “contre-basse”-ny voalohany, niampy fasiana tain-tsigara efa kolakola natao “bridge”, fa i Carlton kosa namorona andian'amponga avy amina boatin-doko samihafa habe.

Tamin'ny 1974, nanjohy ny The Wailers ry Barrett mirahalahy, taorian'ny fisarahana nangidy tamin'i Lee “Scratch” Perry tao amin'ny tarika Upsetters. Avy eo ny “Family Man” dia nilalao tamin'ireo rakikira rehetra sy niara-namokatra azy ireny tamin'i Marley, ary taorian'ny nahafatesan'i Marley tamin'ny 1981, dia nanohy nilalao sy nanao fitsidiham-paritra niaraka tamin'ireo fahitàna vàtana isankarazany nataon-dry zareo. Nitsahatra izy tamin'ny 2019.

Mihoatra lavitra noho ny maha-mpitendry gitara beso azy tao amin'i Marley i Barrett. Ny asany, tsy ny tao amin'ny The Wailers ihany, dia nahataona olona maro maneran-tany. Toy ny nilazan'ny mpankafy mozika iray hoe:

MAP Aston “Family Man” Barrett antsoina hoe “Fams”. Tsy hay refesina hoe hatraiza no tratrany. Goavamben'ny gitara beso izay nilalao ny zava-drehetra niainga avy amin'ireo firaketana eran'izao tontolo izao nataon'ny The Wailers ka hatramin'ny “dub” izôterika nataon'i King Tubby. iray amin'ireo malaza indrindra mpitendry gitara beso hatramin'izay. pic.twitter.com/hQRq3W0skC

— Pack Pistol Pazzy (سيف الله) (@vinnie_paz) 4 Febroary 2024

Iray hafa niresaka momba ny fiarahamiasa mahazatra tamin'ilay mpandrindra rafi-peo King Tubby amin'ny “dub”:

Rariny loatra raha ny asany tao amin'ny The Wailers no ifantohana…

…nefa koa tsy maintsy lazaina fa i Family Man dia nanohy nitendry gitara beso tamin'ny “King Tubby Meets Rockers Uptown” – heverina ho ny “dub” goavana indrindra hatramin'izao

Beso lafatra, manako mandrakizay: https://t.co/jW47VwpjMO https://t.co/lELWpFZcm6

— Don Dada Daycare (@eddiestats) 3 Febroary 2024

Ity mpampiasa X ( Twitter taloha ) ity dia nanome voninahitra ny dindo goavan'ny môzikany:

Aston “Family Man” Barrett – tena famoizana lehibe hatrany amin'ny farany ambany, na aiza na aiza.

Mitomera anatin'ny hery. Haharitra any anatin'ireo mpitendry gitara beso an'aliny maro voasintonao ny “grooves’-nao 🙏#astonbarrett#familyman#bobmarley pic.twitter.com/dnrf9W5SHv

— bobby devito (@bobbydevito) 4 Febroary 2024

“Mozisiànan'ny mozisiàna” i Barrett  :

FANOMEZAM-BONINAHITRA:

Nampiana-tena aho nitendry ny gitara beso tamin'ny filalaovana ireo gadona nolalaovin'i Aston Barrett ho an'ny The Wailers, Burning Spear, Bunny Wailer sns.

Feb 2007 no fotoana voalohany nitendreko gitara beso tamina sehatra goavana; ny Andron'i Bob Marley.

“Nangoniko” daholo izay rehetra Familyman azoko natao. pic.twitter.com/B4UjEmFSFk

— Omutabaazi ☥🐆☥ MAYANJA (Nnalubaale Roots Warrior) (@TSbR_Bass) 4 Febroary 2024

Mpanoro hevitra i Barrett ary aingampanahy ho an'ireo mozisiàna hafa, indrindra fa Robbie Shakespeare, iray amin-dry Riddim Twins, izay nodimandry tamin'ny 2021. Tanaty antsafa iray tamin'ny 2009, nomarihan'i Shakespeare fa “Na ny fomba filalaon-dranamana ny gitara beso fotsiny, azonao… “Maître” izy ho ahy. Nahazo fanampiana sy dindo avy amin'olona hafa aho, fa ny tena isaorako be indrindra dia Family Man. Rehefa miteny ianao hoe ‘Vonjeo!’ Misy olona mipoitra avy any. Izy no iray ni… … Fony teo i ‘Family Man’, tsy afaka namonjy ny fandriako aho satria hoy izy “Eh, mitsangàna, mintsangàna. Niteny ianao hoe te-hianatra. Avia!'”

Nireharehan'i Barrett ery ilay taizany, nampifandraisiny tamin'ireo mpiangaly mozika manana ny maha-izy azy, isan'ireny i Bunny Wailer sy Peter Tosh, izay namela azy hitendry tany anatin'ny sasany tamin'ny hiran-dry zareo.

Hieritreritra angamba ianao hoe ilay anaram-bosotra hoe “Family Man” dia mety ho avy amin'ny fahaizan'i Barrett misarika ny olona rehetra ho ao anatin'ny faribolany, na koa noho ny fianakaviany midadasika, saingy niely ny tantara hoe talohan'ny nanombohany niteraka mihitsy aza (41 ny fitambarany, 18 vavy ary 23 lahy), dia efa nahita ny tenany ho toy ny mpitarika ny fianakaviana “Wailers” i Barrett ary nanomboka niantso ny tenany tamin'io anarana io izy.

Olona iray mpankafy reggae no nanamarika fa roa sisa izao no mbola velona amin'ireo Wailers (Carlton rahalahin'i Aston dia maty nisy nifititra tao Kingston tamin'ny 1987):

- Tyrone Downie
– Julian “Junior” Marvin
– Earl “Wire” Lindo
– Alvin “Seeco” Patterson
– Carlton Barrett
– Bob Marley
– Allan “Al” Anderson
– Aston “Family Man” Barrett

Al Anderson sy Junior Marvin sisa no mbola velona amin'izy mpiray tampo. pic.twitter.com/spckUzBEjR

— Marcus Origa (@Iya_Livity) 4 Febroary 2024

Mozisiàna iray no namaritra an'i Barrett tokana tsy manan-tsahala fotsiny izao:

Misy ireo olona mitoetra ao anatin'ny zavatra ataony ka sarotra soloina TANTERAKA & tsy azo ihodivirana. Iray amin'ireny i Ashton “Family Man” Barrett. Tsy ho tahaka izay nahenoana azy ny feon'ny mozikan'i Bob Marley raha tsy teo IZY nitendry gitara beso. Mitomoera anatin'ny hery & Fiadanana☝🏿 Marina izany. 🌹 pic.twitter.com/sV3vH4ddFX

— Vernon Reid (@vurnt22) 4 Febroary 2024

Fanamarihana iray nampihetsipo eny ambany pejy: Aston Barrett Jr., izay sady nitendry gitara beso no nilalao koa ireo zavamaneno hafa, no nandray ny fanilo naka ny toeran'ny mpively bateria sy mpitarika ny tarika taorian'i Marley Wailers tamin'ny 2006. Izy ihany koa no nitàna ny toeran'ny rainy tao anatin'ilay ‘biopic’ fampahafantarana an-drainy (Marley biopic) “One Love,” izay tao Kingston no nalefa voalohany tamin'ny 23 Janoary. Havoaka ho hitan'ny daholobe ilay sarimihetsika manomboka ny 14 Febroary.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.