Ratram-po nahazo vehivavy jamaikàna iray lasa aingampanahiny nanorenana ‘Faribolana Fiahiana’ ho an'ireo sisampatin'ny fanararaotana ara-nofo

Alicia Bowen-McCulskie, mpanorina sady tale jeneralin'ny “Circle of Care” (Faribolana Fiahiana) ao Jamaika. Saripika an'i Bokeh Clicks Fotos, nahazoana alàlana

“Aza lazaina an'i neninao sao hokapohiny ianao.” Tsy hoe fotsiny tavela tao anatiny hatrany amin'ny fahadimy taonany ireo teny ireo ho an'i Alicia Bowen-McCulskie, mpanorina sy tale jeneralin'ny “Circle of Care Jamaica”; nisy fiantraikany ihany koa izy ireny tamin'ny fomba niainany ny fiainany. Ny fandrahonana dia avy amin'ilay nanararaotra ara-nofo azy voalohany indrindra izay niaro ny tsiambaratelony nandritra ny androm-piainany ary tamin'ny farany dia ny fiarovana manokana azy, tamin'ny alàlan'ny fampidirana horohoro tao anatin'ilay niharam-boina.

Kanefa, hatramin'ny 2022 dia nandratra an'i Bowen-McCulskie ny vesatr'ilay tsiambaratelo, rehefa tonga tamin'ny faha-42 taonany nanomboka naka ny fifehezana ny fiainany izy tamin'ny fizaràna ampahibemaso ny tantarany:

Nanomboka tamin'ny naha-niharam-panararaotana ahy, fa ankehitriny kosa sisampaty. Olona akaiky ny fianakaviako izy io. Mbola kely aho tamin'izany, tsy nahalala izay zava-nitranga. Fantatro fa tsy nety izany, saingy nampiasa ny teniny izy mba hampanginana ahy fony kely. Nitohy nandritra ny fotoana vitsivitsy izany ary na taorian'ny nifindrany toerana aza [fony ] mbola valo na sivy taona teo aho, olona iray avy anatin'ny fianakaviana ihany no nanararaotra ahy [ara-nofo]. Tamin'izany fotoana izany, fantatro fa tsy nety ny zava-nitranga nanjo ahy. Kanefa dia nitohy ilay izy, ary teo anelanelan'ny valo sy 13 taona, dia matetika nisy zaodahy roa samihafa nanararaotra ara-nofo ahy — mpikambana anatin'ny fianakaviana [izay] noeritreretina tokony hiaro ahy.

Tahaka ireo ankizy maro tsy ampy taona iharan'ny fanararaotana ara-nofo, noheverin'i Bowen-McCulskie ho noho ny hadalàny ny zava-nisy ary noho izany dia tsy niteny na inona na inona izy.

Tany amin'ny faha-16 taonako tany, nandeha namonjy hetsika iray aho, nijanona tany [an-tranon'olona] ary dia niharan'ny herisetra indray, voaolana aho. Tsy niteny na inona na inona aho, ary nitohy izany. Fony teo amin'ny faha-23 taonako, tany amin'ny anjerimanontolo, nisy nitàna an-kery aho ary voaolana. Tamin'io fotoana iray tamin'ny fiainako io, hoy aho hoe, ‘Izay izany!’ satria tsy tia ny tenako aho no sady tsy tiako ny fiainako. Nanana fisainana hamono tena aho ary nanao andrana marobe hanapitra ny aiko.

Rehefa tsy nahomby ireny fikasàna ireny, nezahany ny hivoaka tamin'izany tamin'ny filazàna tamin'ny tenany fa tsy tena izy ny ratram-po niaretany; hoe tsy nisy nitranga izany. “Tsy maintsy nanorina zavatra iray aho mba hanomezana dikany an'izany rehetra izany,” hoy izy nanazava, “satria tsy nisy tafita ireo andrana famonoantena nataoko ary toy ny nahatsapa aho hoe tsy tian'Andriamanitra.”

Nandritra ny androm-piainany, hoy i Bowen-McCulskie tamin'ny Global Voices, lehilahy dimy no nanararaotra azy; ny efatra tamin'ireny dia lehilahy fantany.

Faribolana fiahiana

Satria izay no tian'ny lahatra, nitondra azy ho amin'ny asa iarahana amin'ireo sisampatin'ny fanararaotana ara-nofo ny anjorian'asan'i Bowen-McCulskie nony farany, ary ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy (GBV). Ny fitahian'Andriamanitra no lazainy ho nanampy azy ho tonga amin'ny tanjony:

Indray andro, toa namaky ny Fanadihadiana 2016 momba ny fahasalaman'ny Vehivavy ao Jamaika aho, ary voalazany tao fa iray ampahefatry ny vehivavy tamin'izany fotoana izany no niharan'ny herisetra nataon'olona akaiky be azy na herisetra an-tokantrano. Hoy aho tamin'ny tenako ihany: ‘Tsy ao anatin'io tatitra io ny tantarako satria tsy nitatitra velively ny tranga nahazo ahy aho.’ Nanomboka nieritreritra izay tolotra sy karazana tohana tiako ho azoko amin'ny maha-niharam-boina ahy aho.

Teo no nanapahany hevitra hilaza ny tantarany nony farany:

Fantatry ny reniko ny fanararaotana nahazo ahy tamin'ny 2022. Taorian'ny fotoana voalohany nilazako izany ampahibemaso, namporisihana aho hampiasa ny traikefa[ko] ho fanampiana ny hafa ary izay no nahaterahan'ny “Circle of Care Jamaica”. Niharam-panararaotana tamin'ny dingana rehetra teo amin'ny fiainako aho, ary nisy marobe ireo olona niaina tranga nitovy tamin'ny ahy, kely kokoa, na mety ratsy nihoatra lavitra aza angamba — saingy nananako ny traikefa manokana, ny fahaizamanao amin'ny asa, ny fahalalàna ary ny fanohanana. Araka izany dia nanangana fikambanana iray aho izay mikendry ny hanampy.

Ny hevi-draikitra momba ny ‘lamba maloto’

Ao Jamaika, zavapady ara-kolontsaina ny firesahana momba ny fanararaotana ara-nofo, manomboka amin'ny fotoana iresahana izany dia mety ho rakotra henatra ny fianakavian'ny tena. “Aleo tsy hivoaka ato izany” ary “aza sasàna eny imasom-bahoaka ny lamba malotonao”, izany no valinteny mahazatra rehefa misy niharam-boina mikiakiaka milaza ny ratram-pony. Mifàka lalina ny fomba fiteny tahàka izany ary mamela ny fanararaotana hitohy satria mampiroborobo ny fahanginana izy ireny. Araka ny ambaran'i Bowen-McCulskie, “Ny fahanginana no mamoky ireo mpanao heloka”.

Mifanaraka amin'ny iraka tontosain'ny “Circle of Care” amin'ny fanomezana  “tolotra fiahiana sy fanohanana ho an'ireo olona nizaka fanararaotana ara-batana, ara-pihetsehampo, na ara-nofo”,  i Bowen-McCulskie “dia naminavina toerana azo antoka sy hirika ho an'ireo vehivavy na ankizivavy mba hidirany hahazo tohana ara-tsaina, fitaovana ary fikarakaràna ilainy hanamoràna ny fizoran-dry zareo mankany amin'ny fahasitrànana.” Matetika loatra ireo niharam-boina, hoy izy manazava, no “ngolin'ny henatra, ny tahotra ary ny ratran-tsaina niainany avy amin'ny fanararaotana, nanakana azy ireny tsy hahazo ny fahonanana ilaina mba hiantohana ny fahasitranana sy ny fiarenana indray.”

Mety ho isan'ny iharam-boina koa ny lehilahy

Na dia ny tovovavy sy ny vehivavy aza no voalohany ifantohan'ilay ONG tantaniny, notsipihan'i Bowen-McCulskie fa indraindray ireo niharam-boina dia tovolahy sy lehilahy, fa tsy ny mpanao heloka:

Tohizan'ny Jamaica Constabulary Force (JCF) ny mitatitra hoe fa maro koa ireo lehilahy no lasa iharan'ny fanararaotana. Mbola misy ihany koa ny fitsaratsaram-poana miraikitra [hoe marefo na “malefaka” ny lehilahy], saingy amin'ny alàlan'ireo ivontoerana firotsahana an-tsehatra amin'ny herisetra an-tokantrano, dia mivoaka bebe kokoa ry zareo.

Amin'izao fotoana izao ny “Circle of Care” dia miasa anatina fiarahamiasa amin'ny JCF izay azon'ireo niharam-bopina antsoina hitadiavany fanohanana, na lahy izy na vavy. “Fony nanomboka izahay,” hoy i Bowen-McCulskie, “ny tovovavy sy ny vehivavy no voalohany nifantohanay, nefa tsy tianay ny hanome lamosina ireo lehilahy niharan'ny fanararaotana.” Araka izany, misy  fandaharanasa andalam-pananganana azy, izay ahafahan'ireo olona miaraka amim-behivavy ka niharan'ny fanararaotana, mangataka fanampianaihany koa  satria izy ireny, mazàna, dia mizaka ratram-po ankolaka.

Antontanisa eo an-toerana sy any amin'ny faritra

Mety ho sarotra ny hahazo angondrakitra eo noho eo (ara-potoana) momba ny fanolànana sy ireo  herisetra hafa mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy, noho ny tsy fahampian'ny tatitra sy ny fahataràn'ny fahazoana tatitra. Araka ny tatitra iray tamin'ny 2007 avy amin'ny Birao momba ny Zavamahadomelina sy Heloka Bevava ao amin'ny Firenena Mikambana, ambony be ny isanjaton'ireo tovovavy sy vehivavy ao Karaiba mizaka herisetra amin'ny fiainany.

Ny telo amin'ireo taham-panolanana ambony indrindra erantany no misy ao Karaiba. Raha 15 amin'ny mponina 100.000 ny salanisa erantany amin'ny trangam-panolanana, ny ao Bahamas manana salanisa 133, St. Vincent sy  Grenadines 112, Jamaika 51, Dominika 34, Barbady 25, ary Trinidad & Tobago 18. Ankoatra izay, ilay tatitra dia manondro fanadihadiana iray izay manasongadina fa any amina firenena sivy ao Karaiba,  48 isanjaton'ny firaisana ara-nofo voalohany niainan'ireo adolantsento no “an-tery” na “somary an-tery.”

Kanefa toa hafa ireo antontanisa vao haingana. Araka ny notaterin'ny Jamaica Observer tamin'ny 2021, ny angondrakitra nomen'ny Statistical Institute of Jamaica (STATIN) sy ny JCF dia milaza fa, teo anelanelan'ny 2011 sy 2020, nisy 6.573 ny fitambaran'ireo heloka fanolànana naharaisana tatitra tao amin'ilay firenena. Amin'io tarehimarika io, 3.254 monja no nahitana vahaolana. Tamin'ny 2022, ny JCF dia naharakitra fitaterana trangam-panolanana niisa 241 , ary tamin'ny 2023, nihoatra ny 171 ny tranga naharaisana tatitra.

Tamin'ny 2020, ny Trinidad Express  nitatitra fa teo anelanelan'ny 2000 sy 2019, nisy 6.047 ireo trangam-panolanana voarakitra tao Trinidad & Tobago. Mihoatra ny 73 % amin'ireo niharam-boina no teo anelanelan'ny 7 sy 24 taona.

Tamin'ny 2022, nolazain'ny The Tribune, raha nitatitra momba ireo antontanisa nasiônaly momba ny heloka bevava avy amin'ny kaomiseran'ny pôlisy ao Bahamas, fa tany amin'ny 2020, “nitombo 34% ny isan'ireo tatitra momba ny fanararaotana ara-nofo, tranga 213, mitaha amin'ireo 159 tamin'ny 2019. Hita anatin'ireny heloka ireny ny fanolànana, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna na andrana saika hanolana. Nanomboka teo, nihamaro hatrany ireo trangam-panolanana sy ny fanararaotana ara-nofo.”

Fantatr'i Bowen-McCulskie tsara fa iray ao anatin'ny maro ny tantarany, ary noraisiny ho andraikitra ny hiaro ireo niharam-boina tamina fanararaotana ara-nofo sy hanamafy ny feon'ireo sisampaty mba ho fanampiana an'ireo hafa  mangirifiry anaty fahanginana.

Azonao atao ny mifandray amin'ny “Circle of Care Jamaica” amin'ny alàlan'ny tranonkala, na ny kaontiny Instagram.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.