Lasibatry ny finoanoam-poana ny sola loha, hoy ny polisy ao Mozambika

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2017)

Nampitandrina ny vahoaka ny polisy tany Zambézia fa mety ho tratran'ny fanafihana ireo lehilahy sola any Mozambika . Sary: Anders Bolin / Flickr, CC-BY-NC 2.0

Nampanahy ny polisy tany amin'ny faritanin'i Zambézia any Mozambika ny trangan-javatra iray vaovao fakàna an-keriny ireo olona sola loha hanaovana fanondranana taova an-tsokosoko, izay voalaza fa teraka noho ny finoanoam-poana ka nanaovan'ny governemanta andiana hetsika mba hanakanana izany fomba fanao izany.

Tamin'ny fiandohan'ny volana Jona 2017 dia lehilahy telo no nisy namono tany amin'ny distrikan'i Milange, kilaometatra vitsivitsy miala ny sisintany Malaoita. Hita fa notapahan-doha ny iray tamin'ireo niharam-boina ary nesorina ny ampahany tamin'ireo taovany. Lehilahy roa no voasambotra ary niaiky avy eo fa  mpitsabo amin'ny ody any Tanzania sy Malawi no mila ireo taova ireo.

Noho ny finoanoam-poana tany an-toerana no antony nahatonga ny famonoana izay nitana ny fiheverana fa misy volamena na afaka mampanan-karena ny lohan'ny lehilahy sola, hoy ny mpitondratenin'ny polisy iray tao Zambézia tamin'ny BBC. Voalohany tamin'io ny lehilahy sola no lasibatry ny resaka fanafihana tany Mozambika.

Saingy nisy tranga hafa niseho tao amin'ny firenena izay nahitana tatitra manokana momba ny famonoana vokatry ny ody maizina, izay niantraika manokana tamin'ny ireo olona bobo. Nanjary nahatsiravina tokoa ny raharaha ka voatery nanatanteraka iraka ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2016 hanadihady ilay fomba fanao tany amin'ireo firenena afrikana Atsimo Atsinanana vitsivitsy.

Nisy tatitra mikasika ny fanenjehana ireo olona bobo ihany koa tany amin'ny firenena hafa tany Atsimon'i Afrika, indrindra tany amin'ny manodidina an'i Tanzania, izay nanatontosain'ny governemanta fanentanana mba hiadiana amin'ny finoanoam-poana sy ny hevi-draikitra ary ny fisamborana ireo olona noahiahiana.

Tany Mozambika, niresaka momba ity fanafihana farany natao tamin'ireo lehilahy sola loha tao amin'ny firenena ity ny olona tao amin'ny tambajotra sosialy .

Nampitandrina ireo izay nikasa handeha ho any an-toerana i Ukombe Weya, mponina ao an-tanàndehiben'i Maputo.

Atenção Homens calvos viajando para Moçambique

Homens calvos em Moçambique estão sendo alvo de ataques rituais, alertou a polícia Moçambicana, após o recente assassinato de três homens calvos para as partes dos seus corpos. Dois suspeitos foram presos no distrito central de Milange, onde ocorreram os assassinatos.

Fampitandremana ho an'ireo lehilahy sola izay handeha ho aty Mozambika

Lasibatry ny fanafihana noho ny fombafomba ireo lehilahy sola aty Mozambika, nampitandrina ny polisy Mozambikana taorian'ny famonoana olona telo lahy sola loha farany noho ny fakana taova. Olona roa no voarohirohy tao amin'ny distrika afovoany ao Milange izay toerana nitrangan'ny vono olona.

Nilaza i Hussene Algy Adamo, mpianatra monina ao an-tanàndehiben'i Inhambane, any atsimon'i Mozambika, fa efa mijery ity raharaha ity ny polisy any an-toerana:

PRM acredita no envolvimento de curandeiros na morte de homens calvos vulgo carecas.

A perseguição e assassinato de indivíduos calvos para a extracção e venda dos seus órgãos, no distrito de Morrumbala, província da Zambézia, para presumíveis rituais supersticiosos, tem motivações culturais e é encomendada pelos médicos tradicionais, considera a Polícia da República de Moçambique (PRM), que indica, também, existir uma crença segundo a qual as vítimas têm, na cabeça, algum poder que gera fortuna. Nos últimos dias, pelos três homens com problemas de calvície foram mortos naquela parcela do país.

Mino ny [polisin'i Mozambika] fa voarohirohy tafiditra amin'ity fahafatesan'ny lehilahy sola loha ity ny mpitsabo amin'ny ody.

Mino ny Polisy ao amin'ny Repoblikan'i Mozambika (PRM) fa fototra ara-kolontsaina sy baikon'ny mpanasitrana nentim-paharazana, avy amin'ny fombafombam-pinoanoam-poana no anton'ny fanondranana sy famonoana ireo sola loha hangalarana sy hamarotana ny taovan'izy ireo, ao amin'ny distrikan'i Morrumbala, faritanin'i Zambézia, ary hanondroany ihany koa ny fisian'ny fiheverana fa misy hery mampanan-karena ao amin'ny lohan'ireo lasibatra. Tao anatin'ny andro vitsivitsy, telo lahy nanana olana tamin'ny fihintsanam-bolo no maty tany amin'ity faritra ao amin'ny firenena ity.

Nizara tao amin'ny Facebook ny tatitra nataon'ny bilaogera Armen Snaippa i Angela Ferreira Samantha, izay nanolo-kevitra fa tafiditra ao anatin'ireo fanamby ara-tsosialy lehibe miantraika amin'i Mozambika ilay olana:

EU QUERIA UM MOÇAMBIQUE COM VERGONHA NA CARA

Um país onde as pessoas tivessem vergonha de sair a rua vestidas como se fossem a gravação de um filme porno, onde os professores tivessem vergonha de pedir sexo em troca de notas e as alunas de oferecer sexo em troca de notas, emprego e outros benefícios, uma nação onde as pessoas procurassem empregos honestos e não tivessem que ferir ou mesmo tirar a vida dos outros para ganhar o seu pão, um país onde não se caçassem nem albinos e nem calvos ou carecas para práticas obscuras ou de “magia negra” visando o enriquecimento fácil.

ALEOKO MAHALALA MENATRA I MOZAMBIKA

Firenena izay maha-menatra ny olona ny mivoaka ny trano miakanjo tahaka ny hilalao sarimihetsika mamoafady, ahitana ireo mpampianatra menatra angatahana hanao firaisana ho takalon'ny mari-pahaizana sy ireo mpianatra menatra hivaro-batana hahazoana mari-pahaizana, na asa, na tombontsoa hafa, firenena izay hitadiavan'ny vahoaka asa mendrika ary tsy mila mandratra na manaisotra ny ain'ny hafa mba hinanan'izy ireo mofo, firenena izay tsy hihazana ireo bobo sy sola loha noho ny fanao maizina na ny “mazia mainty” hikendrena fanambinan-karena mora foana.

Na teo aza ny nahahenjana ny raharaha dia mbola nisy foana ny olana sasany namazivazy kely. Nampiasa ny sehatra Twitter hanamarihana i Zenaida Machado, mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch any Angola sy Mozambika sady mpisera Twitter mavitrika, fa samy sola loha avokoa ny lehiben'ny distrikan'i Morrumbala, Pedro Sapange sy ny mpitondratenin'ny polisy ao Zambezia, Inácio Dina.

Tena manahy mafy momba ny famonoana olona sola noho ny fombafomba ny manampahefana Mozambikana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.