
“Ampio menaka ry vahoakan'i Hong Kong, Arovy ireo Hamsters”. Afisy anaty tambajotra avy amin'ny Save Hamsters Concern Group.
Nanao filazàna ireo manampahefana ao Hong Kong fa hamsters sy biby madinika miisa eo ho eo no tokony hovonoina, taorian'ny nahitàna fa mpiasa iray 23 taona, tao amin'ny tranombiby Causeway Bay no voalaza fa voan'ilay karazana COVID-19 Delta , izay mampiahiahy hoe ireo biby no mpivoy ny fiofoan'ny COVID. Niteraka hatezerana teny anivon'ny vahoaka ilay fanapahankevitra ka nanomboka nanomana fanentanana hamonjena ireo hamsters ireo olompirenena sasany.
Tamin'ny 16 Janoary, voamarina fa nitondra ny viriosy ilay mpiasa tao amin'ilay trano fivarotam-biby ary vehivavy 67 taona iray nitsidika vetivety ny trano fivarotam-biby tamin'ny 8 Janoary no voamarina koa fa nitondra ny viriosy ny ampitson'iny. Efa voamarina mialoha ihany koa hoe mitondra ny viriosy ny vadin'ilay tompona trano fivarotam-biby. Tamin'ny 4 Janoary, nividy hamster tao amin'ilay magazay ny fianakavian'ilay vehivavy.
Tamin'ny 18 Janoary,, nilaza tamin'ny gazety ny Ivontoerana Fiarovana ara-pahasalamana (CHP) fa tsy afaka ny hanilika ny ho mety fifindran'ny viriosy avy amin'ny biby mankamin'ny olombelona izy ireo, satria tamin'ireo karazam-pitiliana 125 nangonina avy amin'ireo biby 78, hamsters miisa 11 no voamarina ho mitondra ny viriosy COVID-19. Na izany aza, niaiky ihany koa ny tomponandraikitra ara-pahasalamana fa mety hiparitaka avy amin'ilay mpiasan'ny trano fivarotam-biby nankamin'ireo mpanjifa ilay viriosy, satria ny fifampikasohana samy olombelona no fifandràna tena fahita indrindra.
Mbola tena miahiahy be kokoa ireo tomponandraikitra satria tsy azon'izy ireo nofantarina izay nahatonga ilay mpiasan'ny trano fivarotam-biby harary.
Avy eo ireo tomponandraikitra dia nampanao fanadihadiana tao amina fitoeran'entana iray izay toerana fametrahan'ilay toeram-pivarotana ny bibin'izy ireo. Nahitàn'izy ireo santionana tontolo nisy ilay karazana soritr'aretina COVID-19 tao.
Ny Departemantan'ny Fambolena, ny Jono ary ny Fitahirizana (AFCD) dia nilaza fa biby madinika miisa 1 000 eo ho eo, anisan'izany ireo hamsters, bitro voalavo, ary ireo bitro, izay nangonina tao amin'ilay trano fitobiana no ho vonoina moramora (euthanasia) nandritra ireo fitiliana COVID-19 natao, na dia niiba aza ny valin'ny fitiliana, mba hampihenana ny hambana (risk).
Tamin'ny 19 Janoary, nahatsikaritra hamsters roa kaontenera avy any Hôlandy ny AFCD, izay mety ho mpitondra kôrônaviriosy, nitarika azy ireo hanao fitiliana sy hamono hamsters 1 000 isa tany ho any izany, izay amidy amin'izao fotoana izao any amin'ireo trano fivarotam-biby manodidina ny tanàna. Nandrisika ihany koa izy ireo ny tompom-biby izay nividy hamsters tamin'ny 22 Desambra na tao aorian'izay, mba hanatitra ny hamsters-n'izy ireo ho vonoina moramora.
Nampiato ny fanafarana izay rehetra biby mampinono ihany koa ny AFCD, anisan'izany ireo hamsters, no sady nanome baiko ho an'ireo trano fivarotam-biby rehetra izay nivarotra hamsters, mba hampiato ny asany mandrahapavitan'ny fitiliana COVID-19 an'ireo biby mampinono natoby tany amin'ny magazain'izy ireo.
Ny fanapahan-kevitra hamono moramora ireo zavaboahary ireo dia noraisina noho ny “fanomezan-danja amim-pitandremana ny fahasalam-bahoaka”, araka ny voalazan'i Thomas Sit, tale lefitra ao amin'ny AFCD.
Ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) anefa nanamafy fa raha toa ireo karazam-biby sasantsasany mety ho tratry ny kôrônaviriosy, dia kely kokoa ny vintana hahafahany hifindra amin'ny olombelona.
Ny fihetsik'ireo olompirenena
Tezitra noho ity fanapahan-kevitra ity ireo mpiserasera ao Hong Kong ary nifandamina ny sasantsasany mba hamonjy ireo biby mpikiky. Tao anatin'ny andro iray monja, olona maherin'ny 11.000 no nanasonia fanangonan-tsonia iray mitaky amin'ireo tomponandraikitra ny hanafoanana ilay didy famonoana.
Teo amin'ny media sôsialy, maro ireo naneho ny hatezerany fa noho ny hadisoana nataon'ny olombelona dia aim-biby no tsy maintsy tambiny. Nanambara ny mpanao Twitter @winktaev fa :
哈 2000多隻倉鼠
2000多條生命就這樣沒了
當生存的權利都不在自己身上
繁殖生來就是為了滿足人類的佔物慾
現在人道毀滅牠們 卻是因為人類自身的問題
得生由人 遭死因人
難道生命的價值就如此廉價嗎? pic.twitter.com/Yb8XQiq3uA— 菁 (@winktaev) January 18, 2022
Aina maherin'ny 2 000 no ho faty. Tsy afaka nisafidy ny ho velona izy ireo. Ompiana izy ireo mba hamaly ny faniriana feno fitiavantenan'ny olombelona ary novonoina mba hamahàna ireo olana nataon'ny olona. Ny olombelona no mifehy ny fiainana sy ny fahafatesan'izy ireo, izay mandray ny fiainan'izy ireo ho zavatra mora vidy toy izao.
Iray hafa mpampiasa Twitter, @hkguy1988, no naneho hevitra nitovy tamin'io tamin'ny alàlan'ny sariitatra iray, izay handàvan'ny hamster iray ny tolotra fanampiana nataon'ny totozy iray mba hahafahany mandositra noho izy atokisan'ny tompony:
倉鼠做錯了什麼?
硬要說的話就是將命運交由人類主宰這一點吧…#倉鼠 pic.twitter.com/2w52kf7U9K— 一個人 (@hkguy1988) January 19, 2022
Fa inona no heloka vitan'ireo hamsters ? Fehezin'ny olombelona ny zava-drehetra.
Raha toa maro ireo tompona hamsters manapa-kevitra ny handao ireo biby fiompiny taorian'ny namakiany ireo vaovao, nanapa-kevitra ny hanomana tarika vitsivitsy mpamonjy voina kosa ireo mpanao aterineto sasantsasany mba hanavotana ireo biby mpikiky nilaozana. Nizara torolalana mikasika ny famonjena izy ireo tety anaty tambajotra sôsialy. @liu20306 dia iray anisan'ireo nizara ilay torohay:
【倉鼠救援指南】
🆘香港人請分享🆘
🆘非香港人如果有香港友列也請分享🆘香港政府下滅鼠令,預計有2000隻倉鼠及小型動物受影響,極有可能出現棄鼠潮,請有能力人士盡可能幫助遇見的被遺棄動物! pic.twitter.com/vwIjO0mIaA
— 左眼的悲傷 🌈 (@liu20306) January 18, 2022
[Torolalana hamonjena ireo hamsters]
Ry mponina eto Hong Kong, zarao azafady!
Ireo tsy mponina ao Hong Kong, zarao azafady raha manana namana ao Hong Kong ianareo
Nanome baiko hamonoana an'ireo hamsters ny Governemanta Hong Kong, izay mahakasika hamsters sy biby madinika miisa 2 000. Mety hitarika andiana fandaozana hamsters maro izao. Ireo olona izay mba afaka, azafady indrindra, ampio ireo biby nilaozana mifanena aminareo !
Niforona tamin'ny andro nivoahan'ilay vaovao momba ny famonoana io ihany ny vondrona Facebook iray antsoina hoe “Save Hamsters Concerned Group” izay nahangona mpikambana mihoatra ny 5.000, tao anatin'ny iray andro latsaka. Zarain'ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona ireo torohevitra mikasika ny famonjena ary mampifandray ireo biby mpikiky nilaozana amin'ireo tompony vaovao.
Naharay fangatahana hiditra ho mpikambana vaovao an'arivony ihany koa ireo vondrona Facebook hafa, sahala amin'ny “Hamster Blog HK” sy ny “The Cute Hamster“.
Mpampiasa Twitter iray monina ao Taiwan, @taiwanlorraine, no nidera ireo vondrona sivika ao Hong Kong noho ny ezaka famonjena biby nataon'izy ireo.
雖然港府很沒有人道,但救野豬、救倉鼠,各種NGO呼應,還是讓人覺得香港是很有溫情的地方。
— Lorraine嶼妍 (@taiwanlorraine) January 19, 2022
Na tsy manana fo antra aza ny governemanta ao Hong Kong, ny famonjena ireo lambodia, ny famonjena ireo hamsters, ireo antsoantson'ireo ONG rehetra dia hahatsapako fa toerana iray feno fangorahana i Hong Kong.