Ahitana ny vanim-potoana taorian'ny ady izay niainan'i Japana teo ambany fibodoan'ny fitondrana tafika mpiara-dia ary nitolona ho an'ny fanarenana ny angon-tsary hita an-tserasera .
Ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto dia ahitana sary maherin'ny 250 ary nalain'i Theodore Akimoto ny sary sasany tamin'izany, niaraka tamin'ny sary hafa nangonin'ny mpaka sary nandritra ny fotoana niarahany niasa tamin'ny Jeneraly Douglas MacArthur, Kômandy Ambonin'ny Tafika ho an'ny Tafika Mpiara-dia (SCAP) , izay nitondra an'i Japana ho mpanao jadona virtoaly an-taonany maro taorian'ny ady.
Ny Densho Digital Repository no mampiantrano ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto, izay mitahiry ireo sary, antontan-taratasy, gazety, taratasy ary ny dosie lehibe momba ireo Amerikana Japoney nampidirina am-ponja tany Etazonia taorian'ny fanombohan'ny Ady Lehibe Faharoa. Nogadraina niaraka tamin'ny fianakaviany talohan'ny nidirany tao amin'ny tafika Amerikana ary lasa niasa tany Japana nandritra ny fibodoana i Theodore Akimoto, teratany Amerikana.
Nilaza ny Densho Digital Repository momba ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto hoe:
The Theodore Akimoto Family Collection consists of materials from Theodore Akimoto's time with the 44nd Regimental Combat Team, Military Intelligence Service, 71st Signal Service Battalion, and Photo Division SCAP. The majority of the images document Ted Akimoto's time as a U.S. Army photographer during the occupation of Japan.
Ahitana fitaovana tamin'ny andron'i Theodore Akimoto niaraka tamin'ny ekipan'ny Rezimanta faha-44 , ny Sampam-pitsikilovan'ny Miaramila, ny Sampan-draharaha Fanairana faha 71 ary ny Divizionan'ny Sary SCAP ny Ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto. Mirakitra ny andron'i Ted Akimoto amin'ny maha mpaka sary azy tao amin'ny Tafika Amerikana nandritra ny fibodoana tany Japana ny ankamaroan'ny sary.
Araka ny filazan'i Theodore (Ted) Akimoto tao anatin'ny fitantarana andian-tsary dia tsy ny sary rehetra ao amin'ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto rehetra akory no nalain'i Akimoto tenany fa naka sary ihany koa ny vondrona miaramila isankarazany nisahana ny fanadihadiana ny vanim-potoanan'ny fibodoana taorian'ny ady tany Japana. Eo ambanin'ny lisansa Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 4.0 International License ny sary rehetra.
Tamin'ny fotoana nanafihan'ny Japoney ny Pearl Harbour tamin'ny 7 Desambra 1941, nipetraka tany Los Angeles, Kalifornia ny fianakaviana Akimoto. Nikasa hilatsaka an-tsitrapo hanao raharaha miaramila izy telo miarahaly tao amin'ny fianakaviana dia i Victor, Johnny, ary Ted Akimoto taorian'io andro io araka ny andiany All Things Considered tamin'ny taona 2016 izay nalefan'ny National Public Radio (NPR) any Etazonia. Fotoana fohy taorian'izany anefa, noroahana tamin'ny basy hiala tao an-tranony tao Los Angeles ny fianakaviana ary nogadraina tany amin'ny toby mitoka-monina izy ireo tahaka ireo Amerikana Japoney hafa an'arivony ary very avokoa ny fananany .
Niditra ho anisan'ireo lisitry ny Ekipan'ny Rezimanta faha-442 izy telo mirahalahy ny farany, izay vondron-tafika ahitana ireo zanaky ny Japoney mpifindramonina nanolo-tena hanao fanompoana miaramila ary nanompo tany Eoropa. Maty tany Eoropa i Victor sy Johnny Akimoto raha nalefa tany Japana kosa i Ted taorian'ny ady ho mpaka sary ofisialy an'ny Jeneraly Douglas MacArthur tany Japana.
Manolotra ny topi-maso sasantsasany momba ny fandehan'ny fanarenana taorian'ny ady tany Japana ny angon-tsary. Mampiseho an'i Ginza, distrika fivarotana mandroso be teo aloha tany afovoan'i Tokyo, izay mbola rava tanteraka, niaraka tamin'ny fotodrafitrasa tena antitra ity sary etsy ambony ity, nalaina tamin'ny taona 1946. Mampiseho an'i Ginza efa voaorina indray ny sary eto ambany, nalaina herintaona taorian'izay, nahitana fiara maro, kamiao fitaterana, fiara fitateram-bahoaka ary ireo fiara hafa eny an-dalana.
Mampiseho ihany koa ny angon-tsary fa mbola lavitr'ezaka ny fanatrarana ny firoboroboan'ny firenena sy ny fahombiazana niseho taorian'ny ady tamin'ny fahagagana niroboroboan'ny toekarena Japoney Mbola nijaly tamin'ny vokatry ny tondra-drano, araka ny asehon'ity sary manaraka ity ny faritra ambanivohitra.
Mbola nitohy ihany ny faharavana fa tsy nitsahatra tamin'ny taona 1945 izay nahitana ny fandamahana ny tanàndehibe Japoney tamin'ny vanim-potoan'ny ady. Tamin'ny volana Jolay 1948, ravan'ny horohorontany indray ny tanànan'i Fukui izay nanaovana fanarenana lehibe taorian'ny nidarohana baomba azy tamin'ny taona 1945. Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny famonjena ny tanandehibe taorian'ny zava-nitranga ny fibodoana nataon'ny tafika Amerikana.
Ahitana sary nalaina tany Korea tany amin'ny vanim-potoana nifaranan'ny ady ihany koa ny angon-tsary raha nanafaka ny firenena ny tafika Mpiara-dia.
Nanohy nampianatra ny fakana sary sy zavakanto nandritra ny 30 taona tany amin'ny lisea iray tany amin'ny tobin'ny tafika Amerikana tany Alemaina i Ted Akimoto, ary maty tamin'ny taona 1989. Notahirizin'ny Densho Digital Repository an-tserasera ankehitriny ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto.