Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

10 Oktobra 2019

Tantara tamin'ny 10 Oktobra 2019

Dinika nasionaly ao Kamerona diso lalana

Nanomboka tamin'ny alatsinainy 30 septambra 2019 ny herinandro fifampiresahana hamaranana ny ady ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny milisin'ny faritra miteny anglisy ao Kamerona, ary tontosaina ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Yaoundé izany. Na izany aza, mitarazoka ao amin'ny tahotra ny olompirenena fa tsy hampitsahatra ny krizy ny fifampiresaham-pandriampahalemana.

Ahitana ny vanim-potoanan'ny fibodoana an'i Japana sy ny tantaran'ny fanagadrana ny Japoney-Amerikana ity angon-tsary an-tserasera ity

Ahitana sary miisa 250 mahery tamin'ny vanim-potoana taorian'ny ady tany Japana ny Angon-tsarim-pianakaviana Theodore Akimoto.

Ahariharin'ny fanairana fahafotsian'ny vatoharan'i Tobago fa tsy misy ny ‘lalan-kafa’ iadiana amin'ny krizin'ny toetrandro

Koa satria miteraka korontana amin'ny vatohara manodidina an'i Tobago sy ireo nosy hafa ao amin'ny ranomasina karaibeana ny fitomboan-kafanan'ny ranomasimbe, niresaka tamin'ny biôlôzista iray izay manahy ny amin'ny hoavin'ny vatohara izahay.

Ny Fitetezana ny mozika afrikanina (2006)

Inona ny hip hop Afrikanina? Nahasarika ny sain'ny tanora ny hip hop, izay mamokatra tarika mpanao rap, break dance ary ireo b-boys. Maro no mihevitra fa ny fakany dia miverina any amin'ny vanim-potoanan'ny Mpampita hevitra araka ny fombandrazana afrikanina, ny hafa kosa milaza fa Afrikana-Amerikanina manokana izany.