Any Taiwan, mankalaza ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy ny hetsika Diabem-pireharehan'ny Pelaka lehibe indrindra any Azia

Diabem-pireharehana Taiwan 2023, sarin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Nankalazain'i Taiwan tamin'ny Sabotsy 28 Oktobra tao Taipei ny hetsika faha-21 n'ny Diabem-pireharehana, fanohizana ny tarazon'ny hetsika fanta-daza indrindra any Azia ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ , izay ahitana mpandray anjara eo amin'ny 170.000 eo ho eo tamin'ity taona ity.

Nikarakara ny Diabem-pireharehany voalohany i Taiwan tamin'ny taona 2003 — voalohany tamin'ny fiarahamonina miteny shinoa — izay nahitana mpanatrika 20.000. Nitombo haingana ho 50.000 izany tamin'ny taona 2011 ary 200.000 tamin'ny taona 2019. Nifindra tao anaty aterineto  tamin'ny taona 2020 ny hetsika mivantana noho ny valan'aretina COVID-19, ary niverina teny an-dalamben'i Taipei indray tamin'ny taona 2021. Nanao diabem-pireharehana tao an-toerana ihany koa ireo tanàna hafa, toa an'i Kaohsiung any atsimo.

Tombanana ho nahasarika olona 176.000 avy amin'ny lafivalon'i Taiwan sy any an-toeran-kafa any Azia ny andiany 2023 any Taipei – izany hoe, Japana, Korea Atsimo ary Azia Atsimo Atsinanana, sy mpitsidika vitsy ny avy any Eoropa sy Amerika Avaratra. Araka ny filazan'ny Fikambanana Taiwan Rainbow Civil Action, vondrona miandraikitra ny fitantanana ny hetsika, “Stand with Diversity (Mijoroa amin'ny Fahasamihafana)” no lohahevitra amin'ity taona ity. Nandany ny lalàna momba ny fanambadian'ny mitovy fananahana i Taiwan tamin'ny taona 2019 — ny voalohany tany Azia — ary nampian'ny volavolan-dalàna tamin'ny taona 2023 sy ny politika momba ny fanambadian'ny samy lahy na samy vavy eo amin'ny samy firenena sy ny fananganan-jaza ho an'ny samy lahy na samy vavy.

Raha hijery bebe kokoa, vakio: Mandresy ny fitiavana, notohanan'ny mpanao lalàna ao Taiwan ny fanambadian'ny samy lahy sy samy vavy

Na izany aza, tsy mbola feno tanteraka, tahaka ny any ivelany, ny fahasamihafana ao anatin'ny fiarahamonina pelak. Araka ny fanamarihan'ny Fikambanana Taiwan Rainbow Civil Action :

Transgender issues are precisely put in a situation where the concept of dichotomous categorization is challenged and related debates oftentimes fall into polarization. Although transgender issues hold several facets to be explored (such as the unique difficulties transgender people face at school, in the workplace, or in daily life, along with issues about gender-friendly spaces), many people often target non-biological women and regard them as criminal, while framing the protection of transgender rights as an invasion of women’s spaces; this leads the public to be hostile to transgender people under the pretext of “safeguarding women's rights,” and to adopt rhetoric that spreads fear and derision against transgender women.

Tafiditra tsara ao amin'ny iadian-kevitra ny tsirinkevitry ny fanasokajiana hisampan-droa ny resaka mpanova fananahana ary mivadika ho fisaraham-bazana ny adihevitra mifandraika amin'izany. Na dia manana lafin-javatra maromaro mila dinihina aza ny olana momba ny mpanova fananahana (toy ny fahasahiranana tsy manam-paharoa atrehin'ny pelaka any an-tsekoly, any amin'ny toeram-piasana, na eo amin'ny fiainana andavanandro, sy ny olana amin'ny sehatra natokana ho an'ny lahy sy vavy), matetika ny vehivavy tsy biolojika no lasibatry ny olona ary mihevitra azy ireo ho toy jiolahy, no sady mandrafitra ny fiarovana ny zon'ny pelaka ho fananiham-bohitra ny toeran'ny vehivavy; ka mitarika ny vahoaka hankahala ireo olona pelaka izany amin'ny mody filazana fa “fiarovana ny zon'ny vehivavy”, ary mandray ny lahateny mampiely tahotra sy fanesoana ireo vehivavy mpanova fananahana.

 

Raha te hahalala bebe kokoa, vakio ny tsoraka lalina momba ny seho an-tarika mialoha ny Diabem-pireharehana 2023

Satria hanao fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka amin'ny volana Janoary 2024 i Taiwan, antoko politika maromaro ihany koa no nanao diabe tamin'ny matsom-pireharehana, anisan'izany ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Maitso, ny antokon'ny fitondrana Antoko Demokratika Liampandrosoana (DPP), ary ny Antoko Hery Vaovao, manantena ny hahazo vato avy amin'ny vondrom-piarahamonina.

Diabem-pireharehana Taiwan 2023, sarin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Na dia eo aza ny hatsiaka tsy mahazatra sy ny rotsak'orana voalohany, nasehon'ny diabem-pireharehana ny lokony sy ny fahasamihafany rehetra araka ny hita amin'ity sary ity.

Eto amin'ny ankavia ny fanomezam-boninahitra ny fomban-drazana Taiwaney manome voninahitra ireo andriamanitra, izay hita any amin'ny tempoly maro eo an-toerana:

Zanatany Japoney ihany koa i Taiwan nanomboka tamin'ny taona 1895 ka hatramin'ny taona 1945 ary mbola misongadina ao amin'ny nosy ny kolontsaina Japoney. Tonga handray anjara amin'ny Diabem-pireharehana ihany koa ny Japoney Pelaka satria tsy dia hita loatra ao Japana izy ireo.

Diabem-pireharehana Taiwan 2023, sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Vatana amin'ny endriny rehetra no hita tao amin'ny Diabem-pireharehana, araka ny hita amin'ireto sary manaraka ireto:

Taiwan Pride 2023, sarin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Tonga nanatevin-daharana ny vehivavy, mazava ho azy, na dia hita fa vitsy kokoa aza.

Taiwan Pride 2023, sarin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Taiwan Pride 2023, sarin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Nandeha tamim-pireharehana koa ny alika sy ny mpankafia alika ary ny alika kely olombelona.

Taiwan Pride 2023, sarin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Diabeam-pireharehana tao Taiwan 2023, sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Diabeam-pireharehana tao Taiwan 2023, sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Ho an'ny pelaka Maleziana, maneho toerana ho an'ny fiarovana sy ny fahalalahana i Taiwan, satria heverina ho heloka bevava ao amin'ny fireneny ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy.

Diabeam-pireharehana tao Taiwan 2023, sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

                                   Fa ny tena zava-dehibe amin'ny Fireharehana dia ny ho tonga amin'ny maha-ianao anao ary hankalaza!

Diabeam-pireharehana tao Taiwan 2023, sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.