29 Avrily 2019

Tantara tamin'ny 29 Avrily 2019

Ireo Libiana Blaogera Tao anatin'ny Herinandro

Somary nahaliana iny herinandro lasa iny raha toa ka niresaka mikasika ireo fahamendrehana mifandraika amin'ny zava-misy virtoaly sy ny tontolo miafina, na momba ny vintana amin'ny Second Life (Fiainana Faharoa) izay afaka hidiranao foana na rahoviana na rahoviana raha toa ka leo amin'ny fiainanao amin'izao fotoana izao ianao.

Nampientanentana ny mponina ny fitsidihan'i Obama an'i Indonezia

  29 Avrily 2019

Nampientanentana ireo vahoaka Indoneziana maherin'ny 6 500 izay tonga nanatrika ny filoha amerikana nitafa tamin'ny firenen'izy ireo tao amin'ny Oniversiten'i Indonezia tamin'ny alarobia maraina i Barack Obama. Nanafangaro ny kabariny tamin'ny fiteny Bahasa Indoneziana izay nianarany tamin'izy nipetraka tany Jakarta fony mbola zaza, nampientanentana ny vahoaka i Obama raha nanomboka ny kabariny.