Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

22 Marsa 2019

Tantara tamin'ny 22 Marsa 2019

‘Tsy raboto izahay!’ Fihetsiketsehana ao Berlin manohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eoropeana momba ny sivana amin'ny fampidirana votoaty antserasera

GV Mpisolovava

Olona 5.000 teo ho eo no nivory tao Berlin tamin'ny 2 martsa mba hanohitra ny fitsipiky ny Vondrona Eorpeana mifehy ny zon'ny mpamorona  izay mety hanova tanteraka ny fahavitrihana amin'ny fandefasana sy fizarana votoaty an-tserasera.

Mampiaka-peo manohitra ny volavolan-dalàna momba ny heloka an-tserasera ao Iràka ireo mpikatroka

GV Mpisolovava

Manome sazy an-tranomaizina lava ilay volavolan-dalàna, anisan'izany ny famonjàna an-tranomaizina mandrapaha-faty noho ny lahateny manohintohina.

Egypta: Nekena tamin'ny fomba ofisialy ny fanaraha-maso ny mailaka

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Na dia liana kokoa momba ny politikan'ny governemanta Egyptiana tamin'ny famerana ireo andian-tafika nalefa tany Gaza aza ny fampitam-baovao tao an-toerana sy iraisam-pirenena, dia tsy misy vaovao firy momba ny fanaraha-maso nataon'ny governemanta Egyptiana an'ireo mpikamban'ny andian-tafika. Nanambara ny manampahefana...

Vaovao farany momba an'i Hoder

GV Mpisolovava

Nisy tranonkala sy bilaogy nanoratra tao anatin'ny andro vitsivitsy fa nosamborina i Hossein Derakhshan, Hoder. Nilaza zavatra roa hanaporofoana izany tamin'ny filazana toy izao izy rehetra ireo: ny tatitra avy amin'ny tranokalam-baovao Iraniana Jahan News sy ny zava-misy fa tsy nanavao ny bilaoginy nandritra ny 2 herinandro i Hoder.

Egypta: nanjavona ny bilaogera iray raha mbola voatazona any am-ponja ny iray hafa na dia teo aza ny didin'ny fitsarana

GV Mpisolovava

Nanjavona nanomboka ny Zoma 21 Novambra 2008 ilay bilaogera Mohammad Adel izay mitantana ny bilaogy Maeit ( efa maty! ) . Araka ny notaterin'i Wael Abbas tao amin'ny Twitter , voalaza fa hihaona amin'ny mpanao gazety Amerikanina iray mba hanatontosa antsafa i Adel saingy tsy nipoitra  izy.