Toerana masina Oryx ao Oman – toerana voalohany voafafa tao anatin'ny lisitry ny vakoka manerantany

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2007)

Namoaka fanambarana an-gazety tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa teo manambara ny fanesorany voalohany ny toerana iray hiala amin'ny lisitry ny Vakoka Manerantany ny UNESCO (Fikambanana misahana ny Fampianarana, Siantifika sy Kolontsaina ao amin'ny Firenena Mikambana).
Ny zavatra nesorina dia ny Toera-masina Oryx Arabo ao Oman – toera-masina voajanahary mirefy 27 500 kilaometatra toradroa ao amin'ny faritra Wusta any Oman. Napetraka ity toera-masina mba hitahiry ny Oryx Arabo efa vitsy mba tsy ho lany tamingana ary notantanin'ny Rafitra manokan'ny Mpanjakani Oman. Milaza ny fanambarana an-gazetin'ny UNESCO fa nesorina tao anaty lisitra ny toerana noho i Oman tsy nahavita nampiseho izany fa mahaliana tokoa amin'ny fitehirizana ny Oryx satria nihena 90 isan-jato ny haben'ny toerana masina ary nihenaavy amin'ny isa 140 tamin'ny taona 1996 ka lasa 65 sisa isan'ny Oryx hita tao, ary mpivady efatra fotsiny sisa. Nanazava ny UNESCO fa natao ny fampihenana ny haben'ity toerana masina ity mba hanatsarana ny fikarohana solika ao amin'ilay faritra.

Toy ny mahazatra, nandre ny vaovao avy any ivelany izahay talohan'ny zavatra rehetra nolazaina teto. Natao tamin'ny volana janoary ny fampihenana ny haben'ny toerana masina taorian'ny didy navoakan'ny mpanjaka Sultan an'i Oman. Tonga tao amin'ny firenena ny vaovao momba ny fanesorana tao anaty lisitra, saingy mbola manontany tena ihany ny olona momba ny antony mahatonga ny fihenan'ny habeny. Tsy misy fanazavana ofisialy ara-dalàna  na fanamarinana ny zava-nitranga.

Bilaogera Muscati manazava fa nanana olana maro izay nitarika ho amin'ny fampihenana ny isan'ny Oryx tao amin'ny faritra ny toerana masina:

The problem, which most people don't seem to comprehend, is that the Oryx Sanctuary is massive. It is 27,500 square kilometers. For comparison, the entire state of Kuwait is 17,820 sq. km, while Qatar is 11,437 sq. km. So basically the Oryx Sanctuary was about the size of Kuwait and Qatar combined. It is not easy to protect an area that large when all what a poacher needs is a land cruiser abu shanab and a rifle to go in under the cover of darkness, shoot an oryx or two and drive through the desert, slip the border into KSA or UAE and sell the animal to a rich sheikh who would gladly pay thousands of rials for that oryx.

Ny olana, izay toa tsy takatry ny ankamaroan'ny olona, ??dia lehibe ny Toerana masin'ny Oryx . 27 500 kilaometra tora-droa. Ho fampitahana, ny fanjakana manontolo ao Kuwait dia 17.820 km2, raha 11.437 km2 kosa i Qatar. Noho izany, mitovy amin'ny haben'i Koety sy Qatar ny toerana masin'ny Oryx. Tsy mora ny miaro ny faritra lehibe tahaka izany rehefa mila sambo abu shanab sy basy hidirana ao anatin'ny haizina ny mpihaza iray, mitifitra oryx iray na roa ary mandeha any an-tany efitra, miampita ny sisin-tany ao amin'ny Fanjakana Saodiana na any Emirà Arabo Mitambatra ary mivarotra ny biby amin'ny sheikh mpanankarena izay faly mandoa arivo ryals amin'izany oryx izany.

Sue Hutton, voalohany nitatitra ny vaovao tao amin'ny bilaogy Omaney, naheno fanazavana maro momba ny antony tsy nahafahan'ny governemanta nitahiry ny fitoerana masina:

As Rangers became unavailable, partly, if not mostly, as a result of lack of funding for training and salaries, the Oryx roamed beyond the boundaries of the sanctuary towards the boundaries of the UAE. Many allegations of poaching brought by Omanis claimed that the animals had been captured from across the international border for private collections in the emirates.

Satria nanjary tsy nisy intsony ireo mpiambina ala, amin'ny ampahany, na ny ankamaroany, noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola ho an'ny fampiofanana sy ny karama, dia lasa mirenireny mihoatra ny faritry ny fitoerana masina mankany amin'ny sisintanin'ny Emira Arabo Mitambatra ireo Oryx. Nilaza ireo fanamarihana maro momba ny fihazana avy amin'ny Omaniana fa samborina manerana ny sisintany iraisam-pirenana ireo biby hanaovan'olontsotra tahiry ho azy manokana ao amin'ny Emirà.

Ary raha hita fa tena zava-dehibe ho an'ny firenena an-dalam-pandrosoana ny solika, mbola mitohy ny fifanakalozan-kevitra momba ny hoe mety ve ny zavatra nataon'ny governemanta sa tsia, manaiky ny sasany fa mampalahelo tokoa ny fahaverezan'ny fahalianana amin'ny toerana masina sy ny ho avy tsy antenaina amin'ny oryx ao amin'ny faritra, ary etsy ankilany, maro no toa mahita fa fanamarinana tsara ho an'ny fanaovana sorona ny Oryx ny fitrandrahana solika. Hita mibaribary ao amin'ny lahatsoratra natao tao amin'ny forum Omania2.net izany fomba fijery izany.

Ny tena nanahiran-tsaina ahy indrindra, dia tsy isika menatra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena tamin'ity loka ity – izay voalohany voafafa tao anaty lisitra – fa ny fomba namoahan'ny gazety Omaniana ny tantara ary nilazany fa ny governemanta Oman no nangataka ny fanesorana ny toerana masina ao amin'ny lisitry ny UNESCO MBA HIAROVANA ny oryx:

كتب ـ عبدالله الجهوري:وافقت لجنة التراث العالمي التابعة لمنظمة اليونسكو في اجتماعها الذي عقدته أمس الأول بنيوزلندا على طلب السلطنة سحب محمية المها العربية بجدة الحراسيس من قائمة التراث العالمي وذلك حفاظاً على المها العربية حيث تتعرض هذه الفصيلة النادرة في ظل المساحة الكبيرة للمحمية للصيد غير القانوني من مصادر كثيرة خارجة عن إرادة السلطنة وفق ما صرح لـ(الوطن) سعادة الدكتور موسى بن جعفر بن حسن مندوب السلطنة الدائم لدى اليونسكو. وقال سعادته: إن قرار اليونسكو يأتي عقب تقليص السلطنة مساحة المحمية من خلال المرسوم السلطاني السامي رقم( 11/ 2007 ) من 28 ألف كيلومتر لتصل المساحة الجديدة إلى 2824 كيلو متراً.

Ny lohateny lehibe tamin'ny gazety lehibe rehetra dia nilaza fa ‘Nesorin'i Oman ny Toerana masina’, raha ny marina dia NESORIN NY UNESCO izany. Marina fa mety tsy afaka miteny amin'ny fanapaha-kevitra momba ity olana ity isika, fa ny kely indrindra mendrika antsika dia ny mahafantatra ny marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.