Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2006)
Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. Na izany aza, tamin'ny Jona 2003, nampangain'ny fitsaran'ny Firenena Mikambana tao Sierra Leona ho nanao helobe bevava an'ady i Taylor ary nalefa ny taratasy fampisamborana azy. Nampanantena ny hanolotra an'i Taylor ny fanjakana Nizeriana, saingy rehefa tafatsangana ao Liberia ny fanjakana nofidiana tamin'ny fomba demokratika.
Janoary 2006: Nampianiana ho amin'ny toerana filoha voafidy tao Liberia i Ellen Johnson-Sirleaf. Tamin'ny 5 Martsa 2006, nangataka tamin'ny fanjakana Nizeriana ny famonjàna an'i Charles Taylor izy (araka ny vaovao tao amin'ny tranonkalan'ny State House, Abuja). Tamin'ny 28 Martsa 2006, nilaza ny fanjakana nizeriana fa nanjavona tao amin'ny trano fialofany i Charles Taylor. Andro iray taorian'izay, nosamborina teny am-piezahana hitsoaka an'i Nizeria izy. Amin'ny fotoana anoratana ity tatitra ity, mety efa an-dalana mankany Liberia izy — toa nifanaraka tamin'ny fangatahan'ny fanjakana liberiàna amin'ny fanolorana azy ihany ny fanjakana nizeriana.
Feno tatitra sy fanehoankevitra voalalina tsara momba ilay liberiàna mpitarika taloha sy lehibe an'ady efa voampanga ny tontolon'ny blaogy amin'ny teny Anglisy. Mijery ny sasany amin'izy ireny izahay, nosoratana mialohan'ny fanambaràna hoe voasambotra Atoa. Taylor.
Itarainan'ny blaogy GlobalLawAndPolitics ao amin'ny lahatsoratra ”‘Ny Fiakarana sy Fianjeran'ny Lalàna Iraisam-pirenena ao Afrika–Martsa 2006” ny mikasika ny fomba fanohizan'ireo ”olobe” ao Afrika ny fombany, famahanan-dry zareo ny ”kolontsain'ny tsimatimanota sy feno kolikoly izay manimba ny kaontinanta” . Manao fanamby amin'ireo Afrikana mpitarika izy mba hanatontosa ny andraikiny mifanaraka amin'ny zon'olombelona amin'ny fandàvana tsy hanome fialofana an'Atoa. Taylor.
Faritan'ny Transitional Justice Forum ho toy ny ”mora miovaova hevitra” ny fihetsik'i Nizeria taorian'ilay fangatahan'i Liberia ho fanolorana mpitsoa-ponenana voaheloka. Miantso ny filoha George Bush mba tsy hanao fivoriana miaraka amin'ny filoha nizeriana izy (voalahatra hatao ny 29 Martsa 2006) raha tsy hita sy voasambotra i Taylor.
Mamaritra ny fanjavonan'i Taylor ho toy ny ”fahatairana be tsy misy ohatr'izany” ny Black Star Journal , milaza fa tokony nisambotra ary nandefa an'i Taylor tamin'ny fiaramanidina ho ao Sierra Leona araka ny fangatahan'i Liberià i Nizerià. Manohitra ny filoha nizeriàna ny Africa Beat tamin'ny tsy nisamborana an'i Charles Taylor talohan'ny fanambaràny ampahibemaso ny fikasany hanolotra azy any Liberià.
Antsoin'ny Nigerian Times ny Firenena Mikambana mba hitazona ny filoha Nizeriàna ho tomponandraikitra tamin'ny fanjavonan'i Charles Taylor, toa tsy manana fangorahana ho an'ny fanjakàna nizeriàna. Ny African Shirts, tao anatina lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ”Nanjavona i Taylor”, dia mamaritra ilay toe-javatra iray manontolo ho toy ny ”fampisavorovoroana tanteraka”.
Tezitra amin'i Nizerià i David McCullough taorian'ny fanjavonan'i Taylor. Toa kivy izy amin'ilay toa ”fitsikombakomban'i Nizerià amin'i Charles Taylor” sy ny famelàna azy hitsoaka . Apetrak'i McCullough ho ao anatin'ny kilasin'ny jiolahy an'ady toa an'i Radovan Karajic avy ao Serbia i Taylor ary miantso an'i Nizerià tratran'ny ”kolikoly” mba hanadio ny fihetsiny.
Araka ny tatitra izay milaza fa tratra ary nogadrain'ny polisy Nizeriàna tamin'ny 29 Martsa 2006 i Charles Taylor, feno fanehoankevitra maro ihany koa ny tontolon'ny blaogy.
Mamintina ny fihetsehampo amin'ny ankapobeny teny anivon'ireo blaogera ny Parenthetical Remarks amin'ny filazana hoe: ”lasa andro tsara ho an'ny sisa amintsika ny andro ratsy ho an'ireo mpanao didy jadona teo aloha. Handany andro manoloana ny fitsarana amin'izay i Taylor no niafaràny, mety arahan'ny fighadràna mandram-pahafaty, izay toerany mendrika azy.” Milaza ny Mental Meanderings fa tokony hisintona lesona avy amin'i Nizerià i Serbia, izay miaro foana olona toa an'i Ratko Mladic ary hanolotra ireo jiolahy an'adiny.
Somary mampiditra ny zava-misy amin'ny fomba manesoeso ny Mansel Report amin'izao efa nahasamborana an'i Charles Taylor izao, hoe azon'ny filoha nizeriàna atao ny miandrandra fivoriana tsara miaraka amin'i George Bush izay ”hiresahana ny solika…” sy ny ”herisetra sy fahafatesana [tao amin'ny Niger Delta tao Nizerià].
Mampitandrina ny fanjakana Amerikana amin'ny fifandraisany amin'ny filoha Nizeriàna, miantso ”famerenana fandinihana ny fifandraisana akaiky sy tsy miankina eo amin'i Nizerià sy Etazonia ny The Counterterrorism Blog, raha sady faly tamin'ny fisamborana an'i Taylor nataon'ireo mpitandron'ny filaminana Nizeriàna no sady efa eny an-dàlana hankany Sierra Leona.
Misy blaogera mahita ny fangatahana fampodiana an'i Charles Taylor ho toy ny lasa aloha loatra sy tondro manambara ny famoretana ataon'ireo fanjakana maherihery kokoa. Mahita ny fiovana tampoky ny fon'ny filoha Liberiàna ho toy ny mampiahiahy ny Grandiose Parlor. Indray andro, laharam-pahamehana tsy dia lehibe ho an'ny fanjakany no fahitàn'ny filoha Liberiàna an'i Taylor.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...