Tantara tamin'ny 16 Aogositra 2018
Torkia am-pitendrena milina…
Talk Turkey nanoratra momba ny Etazonian'i Eorazia ho avy izay niteraka adihevitra tena mahaliana sy fanehoan-kevitra momba ny mpitsara Kiorda vaovao hisolo mpitsara Kiorda hafa mba hitsara an'i Saddam Hussein.
India : Zava-misy Sy Isa Mahaliana Momba ny Fifidianana
Andiany faha-15 izao no nisian'ny fifidianana ho solombavambahoaka tao India taorian'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny 1947.
Fifidianana Indiana 2009 : Misidina ny kiraro
Tsy nanampo mihitsy i Muntadhar al-Zaidi tamin'ny fotoana nitorahany ilay kiraro ho an'i George Bush hoe ho lasa hiparitaka be manerana ny kaontinanta rehetra io fomba iray nampiasainy hanehoany ny fomba fijeriny io.
Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara
''Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. ''
Nametraka tsipika mena ho an'ny fahalalahan'ny gazety ao Hong Kong ny fanamelohana ilay mpikatroka mitaky fahaleovantena
Ao anatin'ny fandrahonana ny Klioban'ny Vahiny Mpampita vaovao ao Hong Kong noho ny fikarakarana resadresaka ataon'ilay mpikatroka ho amin'ny fahaleovantena Andy Chan.
Fihemorana Erantany: “Ny Andalam-pandrosoana, Tsodrano Iray Vonjimaika”
Indraindray izahay tsy manana hohanina afatsy ireo makaronia nampangotrahina sy lasopy amin'ny boaty eny amin'ny mpivarotra. Amin'ity indray mitoraka ity, ny zavatra ratsy indrindra izay mety ho tonga aminay dia ny tsy fahafahanay mandeha miantsena. Tsy misy tokony hampisavoritaka izany.
Oganda: Nahoana no tsy nanoratra mikasika ilay tantara lehibe indrindra an'ny firenena ireo Ogandey blaogera ?
Tamin'ny 5 Martsa, nanao fitokonana ireo ogandey mpitsara sy mpahay lalàna taorian'ny bemidina bataon'ireo mpiaro ny filoha tao amin'ny Fitsarana Avo mba hisamborana indray ireo olona enina noahiahiana ho mpamadika izay navotsotra rehefa avy nandoa onitra
Arzantina: Fanavaozana ny reniranon'i Riachuelo
Manomboka mahita ny vokatry ny ezaka natao isika ankehitriny. Misy ny taranaka vaovao, ny fivoaran'ny fiarahamonina, ary ny lalàna miaro ny planeta, na farafaharatsiny izy ireo mba niezaka.
Hetsika tsy ara-politika manoloana ny fitsidihan'i Bush ao Goatemalà
Nitsidika ity herinandro ity tamin'ny alàlan'ny tontolon'ny bilaogy ao Goatemalà, nahaliana ny famakiana ireo fanehoan-kevitra tamin'ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Filoha Bush, izay tsy mitovy tamin'ny fanambarana mahazatra manohitra ny politikan'i Etazonia. Bilaogera sasany niady hevitra momba ny fampisehoana ireo mpilalao sarimihetsika Hollywood.
Ny herinandro tao amin'ny bilaogy Palestiniana: Voina nitranga teny amoron-dranomasina
Vaovao hafa: Faly i Ohoud nandre fa nahavita ny zava-bita tsara indrindra tamin'ny Guiness World ny tanàndehiben'i Ramallah taorian'ny nanamboaran'ny toeram-pisakafoana iray ny sakafo Tabouleh lehibe indrindra. Maromaro ny vaovao voalaza ato...