Handatsa-bato hifidy filoha vaovao ny Afrikanina Tatsimo amin’ny 29 mey. Mba hahazoana ny sehatra politika amin'izao fotoana izao any Afrika Atsimo, manolotra loharanom-baovao voafantina tsara ity lahatsoratra ity mba hampahanfatantra anao ny vaovaom-pifidianana hoavy sy ny vaovao Afrikana Tatsimo.
Miorina ao amin'ny faritra atsimo indrindra amin'i Afrika, mizara sisintany amin'ny firenena afrikana enina (Namibia, Botswana, Zimbaboe, Mozambika, Eswatini ary Lesotho) i Afrika Atsimo ary manana morontsiraka mirefy 2.798 kilometatra (1.739 maila) mankany atsimo. Ahitana mponina maherin'ny 60,69 tapitrisa sy velaran-tany mirefy 1.221.037 kilometatra tsimivadimandry (471.445 maila toradroa), izy no firenena faharoa be mponina indrindra any ambanin'ny ekoatera tanteraka, manaraka an'i Tanzania, ary laharana faha-23 amin'ny firenena be mponina indrindra eran-tany.
Manana fiarahamonina maro kolontsaina i Afrika Atsimo, ahitana firazanana, kolontsaina, fiteny, ary fivavahana samihafa, izay nanainga fanahy ny Eveka Desmond Tutu hamorona ny anaram-bositra hoe “firenena avana”. Raha milaza ho Afrikana Tatsimo mainty hoditra ny 80 isanjaton'ny mponina, ny ambiny kosa dia ahitana vondrom-piarahamonina taranaka Eoropeana betsaka indrindra eto Afrika (Afrikana Tatsimo Fotsy), Aziatika (Afrikana Tatsimo Indiana sy Afrikana Tatsimo Sinoa ) ary foko maro (Afrikana Tatsimo Metisy).
Mankatoa fiteny 12 ny lalàmpanorenan'ny firenena saingy ny fiteny Zulu, Xhosa, Afrikaans sy Anglisy no be mpampiasa indrindra. Amin'ny teny Anglisy sy Afrikaana ny ankamaroan'ny famoaham-baovao sy fampielezam-peo any Afrika Atsimo .
Ampitaina amin'ny besinimaro amin'ny alalan'ny gazety, gazetiboky, tambajotra fahitalavitra, onjam-peo ary media sosialy isan-karazany ny vaovao tena ilaina. Araka ny voalazan'ny Reuters Insitute, nihena ny fampiasana ny gazety sy ny fahitalavitra ho loharanom-baovao voalohany, raha nitombo kosa ny isan'ny olona miantehitra amin'ny vaovao amin'ny media sosialy, ka ny Whatsapp, YouTube ary Facebook no loha lisitra.
Ny South African Broadcasting Corporation(SABC), an'ny fanjakana no fampielezam-baovao voalohany indrindra amin'ny radio sy fahitalavitra.
Amin'ny fananana onjam-peo ara-barotra mavitrika 63 sy onjam-peom-piarahamonina maromaro, tsy mahagaga raha ny onjam-peo no fampielezam-baovao lehibe indrindra any Afrika Atsimo. Nanomboka tamin'ny taona 1960, i Afrika Atsimo no mpitarika manerantany amin'ny teknolojia radio. Ny onjam-peo dimy be mpihaino indrindra dia ny Ukhozi FM, Umhlobo Wenene FM, Lesedi FM, Thobela FM ary ny Metro FM, izay an'ny South African Broadcasting Corporation (SABC) avokoa.
Ankoatra ny onjam-peo, ny SABC an'ny fanjakana ihany koa no mpampita vaovao lohalaharana amin'ny fahitalavitra.
Fehezin'ny Fahefana Ara-pifandraisana Mahaleotena ao Afrika Atsimo- Independent Communications Authority of South Africa (ICASA) mafy ny radio sy ny fahitalavitra .
Omena manokana amin'ny alalan'ny fanasana ny zo hampiely, indrindra ho an'ny fahitalavitra. Vokany, vitsy ihany ireo fantsom-pahitalavitra mahaleotena mavitrika izay nahazo alalana hiasa hatramin'izao, ary anisan'izany ny e.TV sy M-Net.
Ahitana ny SABC ao amin'ny X (Twitter taloha), YouTube, Facebook, ary Instagram, manana mpanaraka tsirairay avy maherin'ny 2,8 tapitrisa, 2,34 tapitrisa ary 2,1 tapitrisa eo amin'ny sehatra.
Ny Sunday Times, izay an'olon-tsotra, no gazety tranainy indrindra sy lehibe indrindra any Afrika Atsimo. Miparitaka manerana an’i Afrika Atsimo sy any amin’ireo firenena manodidina toa an’i Lesotho, Botswana, ary Eswatini izy io. Vao haingana izy no namoaka vaovao mafàna momba ny African National Congress (ANC) teo aloha sy ny filoha fahefatra ao Afrika Atsimo, Jacob Zuma ary lohahevitra hafa mampiady hevitra tanteraka.
Gazety malaza hafa amin'ny teny anglisy an'ny tsy miankina ny Daily Sun, the Sowetan, the Citizen, ary ny Business Day. Ho an'ny gazety miteny Afrikaans, Volksblad no tranainy indrindra, raha Beeld kosa no gazety lehibe indrindra. Misy ireo gazety vitsivitsy nosoratana tamin'ny teny Zulu, ka anisan'izany ny Isolezwe sy Ilanga lase Natal.
Ho an'ny vaovao nomerika tanteraka amin'ny teny anglisy, ny sehatra toa ny News24, eNCA, Briefly News, Daily Sun, TimesLIVE, Eyewitness News ary ny Mail & Guardian no malaza indrindra, ary mirakitra lohahevitra marobe izy ireo, anisan'izany ny politika, fialamboly, haino aman-jery, fanatanjahantena, fomba fiaina, ary fandraharahana. Nahazo mpanaraka 7.7 tapitrisa, 4.4 tapitrisa, 2.7 tapitrisa, 2.1 tapitrisa, 2.1 tapitrisa, 1.6 tapitrisa ary 1.1 tapitrisa tsirairay avy tao amin'ny pejiny Facebook sy Twitter ireto tranonkalam-baovao ireto. Ho an'ny vaovao nomerika amin'ny teny Afrikaans, Netwerk24 antserasera no malaza indrindra.
Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, mahazo fitantarana avy amin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena miteny frantsay sy anglisy ny vaovao Afrikana Tatsimo, anisan'izany ny Voice of America, The Conversation, the Independent, Okayafrica, Al Jazeera, CNN, France 24, Radio France Internationale, The Guardian, ny fizarana amin'ny teny Anglisy ao amin'ny Africanews, BBC Africa sy Sky News.
Voaloton’ny sivana nataon'ny governemanta nandritra ny vanim-potoanan'ny fanavakavaham-bolokoditra ny tantaran'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Afrika Atsimo. Na izany aza, taorian'ny fiafaran'ny fanavakavaham-bolokoditra sy ny fitondran'ny Antoko Nasionaly, nitsahatra ny sivana ary navoaka ny lalàmpanorenana vaovao. Ity lalàmpanorenana ity dia ahitana Volavolan-dalàna miantoka ny zon'ny olom-pirenena tsirairay hanana fahalalahana haneho hevitra, izay ahitana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny haino vaky jery, ny fahalalahana mahazo na mizara vaovao na hevitra, fahalalahana amin'ny famoronana ara-javakanto, fahalalahana akademika, ary fahalalahana amin'ny fikarohana siantifika.
Tamin'ny taona 2024, nametraka an'i Afrika Atsimo ho laharana faha-25 amin'ny firenena 180 ny Reporters Sans Frontières, nisy fivoarana raha oharina tamin'ny laharana faha-35 teo aloha. Araka ny tatitry ny Freedom House, sokajiana ho “malalaka ” i Afrika Atsimo, izay manana isa 79 amin’ny 100. Nankasitrahana ho tompondakan’ny zon’olombelona sy mpitarika misongadina manerana ny kaontinanta afrikanina izy. Na izany aza, voampanga ho mamparefo ny andrim-panjakana mba hiarovana ireo manampahefana mpanao kolikoly sy hitandroana ny fahefany ny antoko eo amin'ny fitondrana.
Nitombo 0,9 isan-jato (mpiserasera 409.000) ny fidirana amin'ny aterineto any Afrika Atsimo teo anelanelan'ny volana Janoary 2023 sy Janoary 2024, araka ny tatitra avy amin'ny DataReportal, izay nilaza fa manodidina ny 25,3 isan-jaton'ny mponina no ivelanjotra tamin'ny fiandohan'ny taona 2024.
Manodidina ny 42,8 isanjaton'ny fitambaran'ny mponina no mavitrika mampiasa media sosialy, ka ny Facebook (mpiserasera 26 tapitrisa) sy YouTube (25,1 tapitrisa) no sehatra be mpampiasa indrindra. Manaraka azy ireo ny TikTok (17,46 tapitrisa), LinkedIn (12 tapitrisa) Instagram (6,95 tapitrisa) ary X (4,10 tapitrisa).
Na eo aza ny tantarany tamin'ny sivana nataon'ny governemanta nandritra ny fanavakavaham-bolonkoditra, nanao dingana lehibe ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny zon'olombelona i Afrika Atsimo hatramin'ny niandohan'ny demaokrasia tamin'ny taona 1994. Ankehitriny, mirehareha amin'ny fananana tontolon'ny haino aman-jery isan-karazany sy tsy misy antsojay ny firenena. Na izany aza, satria miomana handatsa-bato amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny Afrikana Tatsimo, dia mbola ho hita raha mbola hitohy amin'ny asa an-kalalahana ny haino aman-jery tsy misy fandrahonana na fanafihana.