Mampiasa solonanarana i Sabel, bandy iray pelaka monina ao Dar es Salaam, Tanzania, mba hifampiresahany amin'ireo olona hafa LGBTQ+ eny anaty tambajotra. Na mahatsapa ho somary tsy fantatra anarana ihany aza, dia manelohelo eny foana ny tahotra ny ho voasambotra.

“Eny anaty tambajotra, malalaka izahay amin'ny fanehoana ny maha-izahay anay amina solonanarana, nefa mbola misy ihany olona voasambotra, araka izany ny Virtual Private Network (VPN) dia manome sosona iray fiarovana amboniny”, hoy izy.

Ny VPNs dia mamorona fifandraisana aterineto azo antoka sy voafehy ka manatsara ny fiainana manokana ety an-tserasera, mandingana ny teritery ara-jeôgrafika, ary miantoka ny fampitàna ny angondrakitra, mahatonga azy ireny ho fitaovana sarobidy ho an'ny tsirairay sy ireo orinasa mikatsaka tontolo azo antoka ety anaty aterineto.

Ny fiarahana amin'ireo mpiara-mitan-tsoroka sy famoronana fifandraisana ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+ amin'ny alàlan'ireo sehatra toy ny fantsona Telegram dia manome an'i Sabel fahalalahana sy fifanohanana. Kanefa, malina hatrany izy ary maneho ny ahiahiny momba ireo loza ateraky ny firesahana ny fironany ara-pananahana eny imasom-bahoaka any anatin'ireo tranonkala media sôsialy samihafa.

“Tsy mampiasa media sôsialy hafa aho hanehoako ny fironako ara-pananahana. Ny Telegram no sehatra somary mba azo antoka ihany,” hoy izy manazava.

Tandindonin-doza anefa io làlana iray fanehoankevitra ho an'i Sabel sy ireo hafa mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ io.

Tamin'ny 13 Ôktôbra 2023, nisy fanambaràna iray navoaka izay tena nahakasika ny tontolon'ny nomerika tao Tanzania sy ny fiainana manokan'ny vondrom-piarahaminin'ireo LGBTQ+ ao aminy. Io no fotoana namoahan'ny antokon-draharaha ao Tanzania misahana ny fandrindràna ny fifandraisan-davitra (TCRA) ny fanambaràna iray milaza fa tsy maintsy manoratra ny anarany momba ny fampiasàna azy ireny ireo mpampiasa VPN. Ho fanamafisana ny maha-hamehana an'ilay toejavatra dia nametraka fetr'andro tsy azo ihoarana ilay fanambaràna: ny 30 Ôktôbra 2023, antso farany nalefa ho an'ireo olontsotra sy orinasa mba hampitsaharan-dry zareo ny fampiasàna VPN tsy voasoratra any amin'ny TCRA. Nampiditra pejy fisoratana ihany koa ny TCRA tety anaty aterineto mba hampidirana ny antsipirihan'ireo VPN.

Niteraka ahiahy teny anivon'ireo vondrom-piarahamonina marobe anaty tambajotra ilay fanambaràna, indrindra fa ny an'ireo izay nitady ny hitahirizany ny tsiambaratelony noho ny antony mihoatra lavitra ny resaka heloka an-tserasera mahazatra.

“Manandanja ny fiainako manokana. Na anaty aterineto aho na tsia, ny lalàm-panorenan'i Tanzania no miantoka izany,” hoy i Sabel.

Tanisain'ny andininy faha-13 sy faha-14 amin'ilay lalàna 2015 momba ny heloka an'habaka ho tsy ara-dalàna ny resaka vetaveta. Araka ny nolazain'ny minisitra lefitra tamin'izany fotoana izany, nisahana ireo raharaha mifandraika amin'ny lalàm-panorenana sy ny lalàna, Pauline Gekul, ny fanaovana pelaka dia raràn'ny andininy faha 154 ao amin'ny Lalàna Famaizana ao Tanzania. Raha niteny nanoloana ny parlemanta tamin'ny 17 Aprily 2023,  nilaza i Nape Nnaye, minisitry ny fifandraisana, fampahalalam-baovao sy ny teknôlôjian'ny filazambaovao, fa ao anatin'ny ady atao amin'ireo mampiroborobo ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana, nisy tranonkala 334, kaonty Facebook 361, kaonty Instagram 198, kaonty Twitter 12, ary “domain” mihoatra ny 2.456  no nakatona.

Lazain'ireo mpanohitra ilay fitakiana fisoratana anarana navoakan'ny TCRA ho lalàna vaovao mifehy ny VPN fa manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hafa voalazan'ny Lalàm-panorenana ao Tanzania izy io.

Mampanontany tena an'i Sabel, izay mampiasa VPN maimaimpoana, ny antony tsy maintsy anoratany anarana amin'ny maha-mpampiasa azy. “Mieritreritra aho fa izahay [olona LGBTQ+ ] no tena kendrena amin'io; toy ny hoe tsy natao ho anay ny hanana fiainana manokana,” hoy izy.

Eo ambanin'ilay fitsipika vaovao, ny fampiasàna VPN tsy voasoratra dia mety hiafàra amin'ny fandoavana sazy ara-bola TZS 5,000,000 (1.933 dôrala amerikàna) raha kely indrindra ary fampidirana am-ponja tsy latsaky ny roa taona na mihoatra, na izy roa mitambatra.

Olana tena goavana momba ny zo nomerika sy ny fahafahan'ireo LGBT+ maka ireo votoaty voaràra no tena fototr'io.

“Ilay fanerena hisoratra anarana dia toy ny fandraràna sarontsaronana, satria tsy mino mihitsy aho hoe hisy olona iray LGBT+ afaka handeha hisoratra anarana,” hoy i Tamba, lehilahy pelaka iray monina ao Dar es Salaam.

Tamin'ny 2022, nanana tsy fahasalamana tany amin'ny lavabodiny i Tamba saingy tsy nandeha namonjy hôpitaly noho ny tahotra ny hosamborina na hohadrohadroina.

“Eny anatin'ireo tranonkala LGBTQ+ no ahafantaranay hoe itsy na iroa dia olana iraisan'ireo pelaka, saingy voaràra ireny tranonkala ireny ao Tanzania. Ireo VPNs no hany afaka manao azy ireny ho azo idirana,” hoy izy nanazava.

Noresahan'i Sabel ihany koa fa marobe ny olona nosamborina noho ny zavatra nataony tety anaty aterineto. “Nosamborina ireo olona izay naneho fotsiny ny heviny.” Iray amin'ireo ambana atrehan'ireo olona LGBTQ+ ny hahavoatohintohina ny fiarovana azy ireo sy ny hamoahana ho fanta-bahoaka ny raharahan'izy ireo manokana. Manazava i Sabel fa marobe ny olona “nidiran'andro” tamin'i Mange Kimambi, mpitarikevitra iray ao amin'ny media sôsialy izay matetika mamoaka fiainan'olona manokana, indrindra fa ireo olo-malaza, ao amin'ilay app namboariny.

“Tsy hoe fotsiny avy amin'ny fanjakana, fa misy ambana iray hafa ihany koa atrehanay noho ny ataon'ireo olona mampiasa ny mombamomba anay mba hahazoana vola,” hoy i Sabel. ” Raha te-hahazo izay fanavaozam-vaovao farany avy amin'ny Mange Kimambi, mitaky vola ilay App ho an'ny fisoratana anarana. Marobe ny zavatra miporitsaka, miainga avy amin'ireo lahatsary ka hatramina resadresaka manokana,” hoy izy nanampy.

Ny Tanzania Digital Rights Coalition (TDRC) dia nanameloka mafy ireo fitsipika vaovao momba ny VPNs navoakan'ny TCRA, tao anaty fanambarana iray navoaka tamin'ny 14 Ôktôbra 2023. Nolazain'ilay vovonana fa ilay fihetsika dia manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra, ny fiainana manokana, ary ireo hirika ara-toekarena. “Mino mafy mihitsy izahay fa ny zo hahazo torohay, ny fitazonana ny fiainana manokan'ny tena, ary ny fanehoankevitra an-kalalahana eny anaty aterineto, dia tena fototra ho an'ny demaokrasia sy ny fiarahamonina mampiaty.”

“Ny VPNs dia manana anjara toerana lehibe amin'ny fiarovana ireo  mpampiasa azy tsy ho azon'ny fandrahonana, ny fanarahamaso tsy nahazoana alàlana ary ny fanitsakitsahana angondrakitra,” hoy ny fivakin'ilay fanambaràna. “Ny fameperana ny fampiasana azy dia fanohintohinana ny fiarovana manokana ny tena sy ny angondrakitry ny olompirenena tanzaniàna, mahatonga azy ireny ho marefo manoloana ny fanarahamaso sy ireo mety ho fanafihana an-tserasera.”

Entanin'ny TDRC ihany koa ireo manampahefana mba hanaja sy hiaro ny zon'ny olompirenena Tanzaniàna hahazo vaovao, hifandray am-pahatoniana ary haneho an-kalalahana ny hevitr'izy ireo ety anaty aterineto. “Mbola manolo-tena hatrany izahay hampiroborobo ny fisiana tontolo nomerika malalaka, misokatra, ary azo antoka ho an'ny teratany tanzaniàna rehetra.”

Tena inoanay tanteraka fa ny zo hahazo vaovao, hihazona ny tsiambaratelom-piainana manokana, ary haneho hevitra an-kalalahana ety anaty aterineto, dia fototra hisiana fiarahamonina demaokratika sy mampiaty.

“Ny VPN no manome anay sosona azo antoka kokoa hananana fahalalahana amin'ny aterineto, hanarahana izay atao an'ireo olona LGBTQ eto amin'ity firenena ity; ilay fanoratana anarana dia tsy inona fa fomba iray hamantarana anay,” hoy i Sabel. Ho azy, tsy ho afaka hatao mihitsy ny hitory ny fanjakàna mba hanafoanana ilay fanambaràna.

“Ireo fikambanana iraisam-pirenena no antenainay,” hoy i Sabel. Mino izy fa ireo fikambanana iraisam-pirenena dia afaka manakana ilay firenena tsy hampiasa lalàna manokana, na izany amin'ny faneriterena ny habetsahan'ny fanampiana na ny fampidirana ho anaty lisitra mainty ireo olona eo amin'ny fitondrana.