Maso Mivadibadika Miandrandra Lanitra, Namaky ny Fahanginana Tao Amin'ny Tranonkala Shinoa Faran'izay Voaporitry ny Sivana

Pkantsary nalaina tamin'ny CCTV.
Nandritra ny tapabolana voalohany tamin'ny volana Martsa, niasa hanafoana ilay fepotoam-piasana voafetra ho roa iasàn'ny filoha ny Kaongresy Nasiônaly Shinoa (NPC).
Miaraka amin'ity hetsika ity, napetrak'ireo mpanivana ny aterineto shinoa ireo fepetra henjana hanakanana ny mpampiasa serasera mba tsy haneho hevitra momba ireo fanovàna ifotony atao amin'ny lalàmpanorenana, ary hitazonana ny firindràn'ny fiarahamonina — farafaharatsiny amin'ny endriny ety ivelany
Nefa vakin'ireo hery virtoaly izay fahanginana an-tery izay, taorian'ny naharaketan'ny fakantsary mivantana avy ao amin'ny antsafa ho an'ny gazety tao amin'ny kaongresy an'i Liang Xiangyi , ilay mpanangona vaovao, nampiakatra sy namadibadika ny masony sady nanao tarehy ratsy taminà mpanangona vaovao iray hafa, Zhang Huijun, izay nametraka fanontaniana lavabe momba ny tetikasa ‘Fehikibo Tokana, Làlana Tokana – na ilay làlana vaovaon'ny lamba lasoà. Ilay antsafa nalefa tao amin'ny Fahitalavitra Foibe ao amin'ny firenena tamin'ny 13 March 2018.
Taty aoriana kely, tafaporitsaka tety anaty aterineto ny fifampiresahana nifanaovan'i Liang sy iray hafa mpiaramiasa aminy. Tao anatin'io, nilaza i Liang fa noheveriny hoe ” adala ilay vehivavy teo anilako.”
Azo ambara ho teo noho eo, niparitaka ho toy ny valanaretina tety anaty tambajotra sosialy ireo ampahantsary sy pikantsary misy ny endrika marikivin'i Liang ary an'aliny maro ireo mpisera no nalaky tamin'ny fanarahana ny kaontin'i Liang tao amin'ny Weibo, nidera azy tamin'izay fanehoany teo noho eo ny tao am-pony izay. Niparitaka toy ny afo ireo sary mahatsikaiky ahitàna fampiakarana sy famadibadihana maso — mandra-pizaràn'ireo manampahefana mpanao ny sivana ilay fampitandremana mandràra ny firesahana maso miakatra ety anaty aterineto….
Inona no voasivana?
Fa inona no voasivana amin'izao fotoana izao e? Ireto ny sasany amin'ireo fomba fiteny ao amin'ny Weibo izay hazain'ireo manampahefan'ny aterineto, araka ny naelin'i @Yorkson tao amin'ny Twitter:
“黑夜给了我黑色的眼珠,但我却只能翻个白眼。”
“一个白眼倾倒了全国,征服了世界。”
“不给我言论自由,古人尚可道路以目,新时代我们总有翻白眼的自由吧!”
“其实所有人都在翻白眼,只是镜头没够着。”
“浓妆白眼最相宜,翻出一群没脸皮。” pic.twitter.com/82wvLZWvxD— 鄭若舜Yorkson (@4OONHMEmTtmuKGP) March 14, 2018
“Nanome ahy voamaso mainty ny haizin'ny alina, saingy ny hany azoko natao dia ny namadibadika ny masoko.”
“Nandavo ny firenena sy nahababo izao tontolo izao ny fotsy mangatsangatsaky ny masoko.”
“Tsy nomena fahafahana haneho hevitra, saingy nipi-maso ireo olona fahiny mba ho fampitàna hafatra miafina. Ao anatin'ny vanimpotoana vaovao, ananantsika ny fahafahana mamadibadika maso.”
“Samy namadibadika ny masony ny rehetra, saingy tsy ampy ny fakantsary handraketana ireo maso rehetra navadibadika.”
“Ny maso fotsy no manja indrindra eo ambony tava feno ankosotra, asehon'ny maso ny fehezan-kenatra tsy misy fahamaotinana izay tsy misy tàvany.”
Ireo fomba fiteny rehetra etsy ambony ireo dia naneho ny tsy hafaliana noho ny fanivànana ilay tranga. Hatramin'ny nipoahan'ny vaovao, momba ny fanitsiana ny fepotoam-pitondran'ny filohampirenena noferan'ny lalàmpanorenana, dia voasivana tety anaty aterineto daholo ireo teny sy fehezanteny rehetra mifandraika amin'ilay fanitsiana.
Hatrany ampiandohan'ny Martsa, namoaka torolàlana ireo rantsana mpanao fampielezankevitra — ny fihaonana isantaona fanaon'ny NPC sy ny Kaonferansa Fakankevitry ny Kaongresy Nasiônaly Shinoa (CPPCC) ao Beijing — mba hiantohana mandritra ireo “Fotoam-pivoriana Roa” ny hoe tsy hahita hirika ireo fanehoankevitra manakiana, na eny anatin'ireo gazety mahazatra, na ety anaty aterineto .
Araka ny nandrasana, nolanian‘ny NPC ilay fanitsiana ny lalàm-panorenana, fanitsiana izay manomana ny làlan'ny filoha amperinasa Xi Jinping ho mpitondra firenena mandram-pahafatiny. Toy ny nirindra ny zavatra rehetra nandritra ireo “Fotoam-pivoriana Roa”, mandra-pisian'ilay Liang namadibadika ny masony nalefan'ny CCTV tamin'ny 13 Martsa.
Lazain'ny tatitra iray tsy voamarina naelin'ny Apple Daily fa nahantona ny fahazoandàlana hanao gazety an'i Liang ary noraràna izy tsy hanatrika intsony ireo tafatafa ifanaovana amin'ny mpanao gazety mandritra ireo Fotoam-Pivoriana Roa.
Na tsy teo aza izy, mitohy mivadibadika ny masony, farafaharatsiny tety anaty aterineto. Nidera ireo maso nivadibadika i @changhan327 noho ny nanabaribariany ny marina taminà fotoana iray:
划时代的白眼 ~
苦心经营的神圣庙堂,因为一个白眼引发了无数吃瓜群众的燃点笑点。这个白眼像一把锥子在这个时代的屁股上扎了一个针眼。
一个白眼让一个盛会抱头鼠窜。这个白眼将不朽,而许多号称不朽的在此刻已腐烂。
一个白眼像一道闪电,枪毙了一万首颂歌,胜过一百万脑残的扯淡。
时代会感谢铭 pic.twitter.com/jQPBW6IAew— 常邗✊ (@changhan327) March 15, 2018
Miezinezina tsy nisy toa azy ireo maso roa nivadibadika. Niteraka ny fihomehezan'ny olona io ary nandrodana ilay tempoly masin'ireo zavatra nokolokoloina fatratra sy narantiranty. Toy ny tsindrom-paingotra eo amin'ny vatam-pen'ny vanimpotoana ilay izy, voalavo iray mihazakazaka mamakivaky ny efitrano fihinanam-be. Ho lasa tsy misy toa azy io maso roa mivadibadika io, raha ho drodroka kosa ireo nanandran-tena ho tsy misy toa azy. Toy ny tsela-baratra nandrava fanehoankevitra an'arivony maro nideràna ary manakona ireo kabary nataon'ireo olona an'arivony maty atidoha. Ny tantara no hankalaza azy.
Vaky barara ny fitaovan'ny shinoa avy any ivelany
Tsy hehy ihany no aingam-panahy naterak'ireo maso nivadibadika. Tato anatin'ny andro vitsy, nanomboka notrandrahan'ny olona ny maha-izy azy sy ny tantaram-piainana niavian'i Zhang Huijun, ilay mpanangona vaovao nanaovan'i Liang tarehy ratsy. Milaza ny tenany ho talen'ny fahitalavitra American Multimedia Television (AMTV) i Zhang ary nankafy ireo 45 segondra nametrahana fanontaniana nalefa tao amin'ny CCTV avy amin'ilay tafa ho an'ny gazety.
Toa efa nisolo tena fampahalalambaovao vahiny marobe nandritra ny Fotoam-Pivoriana Roa i Zhang hatramin'ny 2011. Ireo mpisera ety amin'ny aterineto nitsakaraka momba ny fiavian'ilay fantsom-pahitalavitra dia tonga tamin'ny fanaovana tsoakevitra iray hoe ny AMTV dia toy ny sampana any ampitan-dranomasina an'ilay fitaovana fampielezankevitr'i Shina. Natomboka ny fanangonantsonia tao amin'ny tranonkala fanangonantsonian'ny Trano Fotsy Amerikana nitakiana ny hisian'ny fanadihadiana lalindalina kokoa momba io trano mpamoaka vaovao io:
Inoanay fa ny AMTV dia toy ny masoivoho iray tsy voasoratra anarana ao amin'ny Departemantan'ny Antoko Kaominista ao Shina sy rantsana miafin'ny China Central Television (CCTV).
Mifampiraharaha ireo mpanangona vaovaon'ny AMTV sy ireo manampahefana izay mamaly ny fanontanian-dry zareo efa nomanina sy nekena mialoha ampiarahana amin'ireo fitaovana fampielezankevitra, raha sady miezaka ihany miala ny tena fanontaniana avy amin'ireo fampahalalambaovao tsy miankina. Mampita ireo lainga avy amin'ny governemanta sy ireo fomba fijery manohitra ny amerikana ireo fandaharana alefany ho an'ireo olona miteny Mandarina any amin'ny tany Amerikana.Miainga amin'ilay Lalàna Fisoratana Anarana ho an'ireo Iraka Vahiny, angatahanay ny hanaovana fanadihadiana momba ny famatsiana vola azy sy ny fiarahany miasa amin'ny CPC ary ny fanakatonana azy raha hita fa nanitsakitsaka ny lalàna izy.
Raha ny marina, i Jason Quin, filohan'ny AMTV amin'izao fotoana izao, izay ny mombamomba azy ao amin'ny LinkedIn dia milaza fa izy no filohan'ny Ivontoerana Fanabeazana Conficius — sampana iray mahazo famatsiambola avy amin'ny governemanta shinoa mifamatotra mivantana amin'ny Departemantan'ny Mandatehezany Miray.
Fa izao, izay teny rehetra mifandraika amin'ny maso nivadibadik'ilay mpanangona vaovao dia mbola voasivana foana ety anaty aterineto. Saingy manomboka eto, hitondra dikany iray vaovao fanampiny ho an'ireo mpanao gazety mpandalina sy mpahay ny resaka politika sy ireo mpiseran'ny aterineto ao Shina ny famadibadihan'ny olona iray ny masony.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...