Tantara tamin'ny 03 Mey 2018
Mibilaogy hatry ny fahazaza: Atrikasa bilaogy eny an-tsekoly
Ceibal Plan dia fandaharan'ny governemanta Orogoiana hanome solosaina OLPC ho an'ny ankizy 6 hatramin'ny 11 taona (miisa 350.000) any an-tsekoly. Ahitana fidirana aterineto amin'ny wifi any an-tsekoly sy ny toeram-bahoaka ny fotodrafitrasa vao avy navaozina.
Masoarabo: Sombin'ny Eid
Eid androany, na rahampitso. Eid Al Fitr dia fankalazana manamarika ny fiafaran'ny volana Miozolomana fanaovana Ramadany, ary indreto ny fanehoan-kevitra vitsivitsy momba izany manerana ny tontolo Arabo.
Kiobà: Las Damas de Blanco
Izany no lohahevitra nifampiresahana indrindra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy kiobàna nandritra ny herinandro mahery: ny fisamborana ireo Las Damas de Blanco [Vehivavy manao akanjo fotsy] raha nanatontosa fihetsiketseham-panoherana milamina ho famotsorana ny vadiny, nogadrain'ny fitondran'i Castro ry zareo.
Hanohana an'i Mohamed Salah i Azia Afovoany Amin'ny Mondialy ao Rosia
"Mampiditra ny tena Islam amin'izao tontolo izao i Salah sy ny lazany amin'ny fahaizana milalao baolina fandaka sy ny fitondra-tenany tsara."
Armenia: Ekipan'ny mpanankarembe heverina ho tafiditra amin'ny fanafintohinana fampijaliana biby
Tsy vahiny amin'ny zavatra mampiady hevitra, indrindra rehefa hita ireo tatitra avy amin'ny gazety ao an-toerana izay mampifandrohy ny mpiambina azy manokana amin'ny tifitifitra sy fidarohana mpanao gazety, hita tamin'ny alalan'ny Twitter ny fahatafintohinana farany indrindra mahatafiditra ny sasany amin'ireo manodidina azy.
Maso Mivadibadika Miandrandra Lanitra, Namaky ny Fahanginana Tao Amin'ny Tranonkala Shinoa Faran'izay Voaporitry ny Sivana
"Toy ny tsela-baratra nandrava fanehoankevitra an'arivony maro nideràna ary nanakona ireo kabary nataon'ireo olona an'arivony maty atidoha..."
Inona Ireo Lahatsoratra Nahasarika Mpamaky Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 23-29 Aprily 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 23-29 aprily 2018, ny tantara nalaza indrindra dia tao amin'ny tranonkala Italiana, momba an'i Azerbaijan. Ary ny tranonkala Malagasy? Tantara iray momba an'i Shina.