Nisy lahatsarim-panadihadiana fohy iray nivoaka tamin'ny taona 2017 nijery ny fiainan'ireo mainty hoditra monina ao Tokyo. Notontosain'ilay artista Nizeriana-Amerikana Amarachi Nwosu, olona dimy no nozohin'ny filma, izay manana fiaviana hatrany Afrika Andrefana ka hatrany Etazonia, mitantara ireo fanamby ara-kolontsaina isan-karazany sy ireo tombontsoa azo araraotina amin'ny fiainana ao Tokyo, Japan. Hita ao amin'ny lahatsarim-panadihadiana ny tompon'ny fihetezana iray, artista iray, DJ iray ary miaramilan'ny Tafika an'Habakabaka U.S. iray mitoby ao ivelan'i Tokyo.
My debut documentary Black In Tokyo just premiered on @thefader via. My platform @MelaninUnscript ! Watch Below✨????https://t.co/yr0rGO5wew pic.twitter.com/1o2r8ozEaS
— Amarachi Nwosu (@AmaraWorldWide) November 20, 2017
Ny fanombohan'ny fanadihadiana mivoaka voalohany ao @thefader amin'ny alalan'ny sehatro @MelaninUnscript! Jereo eto ambany
Resahin'ireo nanaovana antsafa ny antony nanapahan'izy ireo hevitra honina ao Tokyo, lazainy ao ihany koa ny dikan'izany hoe mainty ao Japana izany. Lafin-kevitra voalohany nataon'i Melanin Unscripted ny fanadihadiana, ny voalohany amin'ny andiam-pilma nataon’ i Nwosu nikendrena “hanapongarana ireo mari-panondroana mifaningotringotra izay tsy alefa loatra any amin'ny fampitam-baovao be mpanaraka.