Tanjon'ny Fanontàna 2018: Fandrafetana Tatitra Amin'ny Aterineto Ho An'i Azia Atsimo-Atsinanana

Ireo mpikambana amin'ny Global Voices ao Azia Atsimo-Atsinanana nandritra ny Fihaonambe tao Cebu tamin'ny taona 2015.

Mandritra ny taona 2018, hanao fanandramana fomba vaovao eo amin'ny asantsika ireo mpanonta avy ao amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices, mpitarika ny zana-tsampana, ary mpikambana ao amin'ny ekipa foibe: mametraka ara-potoana ny tanjona amin'ny antsipirihany ary manaraka ny fivoarantsika ao amin'ny Blaogin'ny Fikambanana. Ao amin'ity lahatsoratra manaraka ity, manolotra ny sosokeviny hanomboka Tatitry ny Mpisera amin'ny dika avy ao Azia Atsimo-Atsinanana (NR SEA) ny tonia ao amin'ny faritra Azia Atsimo-Atsinanana, Mong Palatino.

Nanomboka hatramin'ny nandefasan'ny mpiara-miasa tamin'ny Global Voices Rebecca MacKinnon ny Tatitry ny Mpisera Advox tamin'ny taona 2011, lasa vatofototr'ireo fandrakofan'ny GV mikasika ny olan'ny zon'olombelona ao anatin'ny vanim-potoana nomerika sy famintinana isan-kerinandro an'ireo fandrahonana amin'ny aterineto ny fahafahana maneho hevitra manerana an'izao tontolo izao izy io.

Ao Azia Atsimo-Atsinanana, ilaina mazava ny manamafy sy mampivoitra an'ireo fandrahonana miseho ao amin'ny faritra amin'ny fotoana izay maha-simba tsikelikely ny demokrasia arakaraky ny ametrahan'ireo governemanta ireo didy aman-dalàna famoretana, ny ankamaroan'ireo dia maka endrika anaty tambajotra.

Ato anatin'ny volana vitsy ho avy, hiasa amin'ny fandrafetana ny Tatitry ny Mpisera mampiavaka azy ny tarika avy ao Azia Atsimo-Atsinanana, natokana ho an'ny faritra izay mikatsaka ny hahazo fifantohan-tsaina misimisy kokoa sy hifantoka amin'ireo media anatin'ny tambajotra ao Azia Atsimo-Atsinanana, amin'ny alalan'ny fanipihana tsy ireo fandrahonana fotsiny fa ireo olana izay mety hanetsika ny fanohanana iraisam-pirenena na ny fisoloana vava ihany koa. Amin'ny fanatanterahana izany, manantena izahay ny hanaparitaka ny sahan'asa avy amin'ny Advox ao amin'ny faritra ary hampitombo ny fifantohan'ny Tatitry ny Mpisera amin'ireo olana ao amin'ny faritra misy anay.

Azia Atsimo-Atsinanana: nikororosy ny fahalalahan'ny aterineto ao Azia Atsimo-Atsinanana, miteraka ahiahy mafy ho an'ny adihevitra politika https://t.co/iGUkuqcUga pic.twitter.com/VinZQ7Ijxd

Fizotrany sy ny Tarika

Manantena aho ny hiaina indray ny fandraisana anjaran'ireo mpanoratra tsy navitrika tato amin'ny GV ka hanangana fahatsapàna fiarahamiasa anatin'ny tarika, amin'ny alalan'ny fanomezana fahafahana an'ireo mpandray anjara mba ho tafiditra anatin'ny fikarohana sy ny fiarahana miasa tsindraindray amin'ireo vaovao fohy, izay tsy dia mandany fotoana loatra amin'ny ankapobeny raha oharina amin'ny manoratra lahatsoratra GV iray manontolo.

Ny famoahana NR SEA ihany koa dia ho ampiasaina mba hanohana ny famoahana erantany. Hahitàna an'ireto ny tanjonay:

  • Fiantohana ny fandrakofana an'ireo olan'ny SEA ao anatin'ny famoahana erantany
  • Fandrisihana an'ireo mpanoratra mavitrika sy tsy mavitrika ato amin'ny GV mba hanohana sy hanjohy ny tarika NR SEA
  • Vantany vao tafapetraka ny fizotrany, hamoaka misaraka amin'ny famoahana erantany ny NR SEA
  • Aorian'ny telovolana ho avy, hanitatra ny NR SEA mba hampidirana an'i Oseania

Azonay trandrahana ny fisian'ireo mpiara-miasa aminay mikasika ireo tantara ho ampidirina ao anaty tatitra: Prachatai (Thailand), Irrawaddy (Myanmar), Loa (Vietnam). Azoko atao ihany koa ny mitanisa ireo tranonkala ao amin'ny faritra izay mamintina ny ireo tantara misy ifandraisany amin'ny NR, toy ny SEAPA, IFEX (Mpiara-miasa amin'ny GV), Forum Asia, ary ny Engage Media.

Fitohizam-potoana

Volana voalohany: Fanomanana ny Tatitry ny Mpisera: Famoahana an'i Azia Atsimo-Atsinanana

  • Mampiditra an'ireo mpilatsaka antsitrapo ary mangataka ny fandraisana andraikitra avy amin'ireo mpanoratra ao amin'ny GV (miroso mandritra ny telo volana)
  • Karajia miaraka amin'ny tarika Advox mba hahatakatra kokoa momba ny Tatitry ny Mpisera, mizara ireo tombom-pahafahana manao zavatra amin'ny tambajotra
  • Mamantatra ireo loharano (tranonkalam-baovao, lisitr'ireo Twitter, pejy FB, tranonkalan'ny governemanta) ho an'ny famoahana Tatitry ny Mpisera ao Azia Atsimo-Atsinanana
  • Mieritreritra fampandehanana iray ho an'ny mpilatsaka antsitrapo, mpanoratra mitatitra an'ireo tantara azo heverina ho ampidirina ao anatin'ny tatitra na amin'ny FB, na amin'ny Slack, na amin'ny imailaka

Volana faharoa: Vakiraoka sy fanombohana

  • Manomboka mametraka ireo tatitra, fanangonana ireo tantara, fampahafantarana ny tatitra amin'ny media sosialy,
  • Fandefasana voalohany ny Tatitry ny Mpisera: Famoahana an'i Azia Atsimo-Atsinanana; fampahafantarana amin'ny media sosialy

Volana fahatelo: Famoahana Tatitry ny Mpisera miisa roa an'i Azia Atsimo-Atsinanana!

Manantena hamporisika fandraisana anjara goavana avy amin'ny tarik'ireo mpanoratra ato aminay amin'izao fotoana izao aho; mamelona indray ireo mpanoratra GV monina ao amin'ny faritra; ary mandray olona marobe liana ny hametraka ireo tantara na ireo hevitra ho an'ny tatitra. Raha mahomby ny tetika, mino aho fa hampiasa ho loharano ny tatitra avy ao amin'ny faritra ireo vondrona mpaninjara vaovao, vondrona mpiaro ny zon'olombelona, sy ireo manam-pahaizana izay handrakotra ireny olana ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.