27 Febroary 2018

Tantara tamin'ny 27 Febroary 2018

India: Eo Anelanelan'i Tibet Sy Shina

  27 Febroary 2018

Nandritra ny andro vitsivitsy lasa izay, nifantoka tamin'ny fandaminana ny fitroaran'i Tibet sy ny Governemanta Shinoa ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, saingy ao India, nahitana adihevitra maromaro mikasika ireo hetsik'i Shina ao Tibet sy ny andraikitr'i Tibet ao anatin'ireo fifandraisana misy eo amin'i India sy Shina....Tsy azoko mihitsy ny mbola tokony hanaovantsika 'tango' miaraka amin'i Shina. Manahy ve isika satria tsy afaka milalao an'ireo kilalao feno poizina mora vidy ireo zanatsika? Tsy ho gaga aho raha toa ny governemanta hamàny ampataloha

Japana: Niverina Ny Hetran'ny Solika

  27 Febroary 2018

Tafaverina indray ilay hetra "vonjimaikan'ny" solika any Japana, 25 yen isaky ny litatry ny solika, nohalavaina nandritra ny 30 taona ary namatsiana fandaharan'asa fanamboarana làlana 5000 eo ho eo, taorian'ny ady nifanaovana tamin'ny mpanohitra, ary tsy nankasitraka izany ny olona. Tantaran'ny zavatra niainany tamin'ny fanandramana hameno ny fitoeran-tsolikany teny amin'ny toby fitsinjaràna solika tamin'ny andro farany nialoha ny fiakaran'ny vidin'ny solika ny voalohan'ny volana May.