Tantara tamin'ny 24 Janoary 2018
Thailandy: Mandefa Mivantana Ny Fanonganam-panjakana Ho Anaty Bilaogy
Farafahakeliny blaogy roa no napetraka mba handrakofana fotsiny ny fanonganam-panjakana ataon'ny tafika nitranga tao Thailandy (Septambra 2006)
Krismasy Tany Armenia Sy Zeorzia… Sy Tao Amin'ny Twitter
Raha tamin'ny 25 Desambra no nankalazaina tany Andrefana ny Krismasy, ny herinandro voalohany amin'ny volana Janoary kosa ireo firenena hafa no nankalaza azy io. Tao Armenia, anefa, toa lasa lohahevitra iray tao amin'ny Twitter izy io
Nanome Baiko Hanakatona Ny Tranonkalam-baovao Rappler Ny Manampahefana Filipina, Voatohintohina Ny Fahalalahan-Gazety

"Raha misy ity fanesorana fahazoan-dalana ity, hikatona tanteraka ny Rappler - fikambanam-baovao sambany hakaton'ny hetsika ataon'ny governemanta hatramin'ny nanambaran'ilay mpanao didy jadona Ferdinand Marcos ny lalàna miaramila tamin'ny taona 1972."
Ny tetikasa Arrorro: Ny Hira Fandrotsirotsiana Zaza Manerana Izao Tontolo Izao
Nanao ezaka mba hitrandrahana, handraketana ary hanangonana ireo hira fandrotsirotsiana manerana izao tontolo izao ilay mpanakanto Gabriela Golder avy any Arzantina, ary niezaka nitady ny mampitovy azy ireo ho an'ny Tetikasa Arrorro.
Egypta: Nohelohina Ny Renim-pianakaviana Iray Noho Ny Famorany Ny Zananivavy
Tamin'ny 23 May 2008, tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe The Victimization of Egyptian Women and Children (Ny Fanaovana Lasibatra ny Vehivavy sy ny Ankizy Egyptiana) , dia noresahana ny momba an'i Fantasia - tovovavy iray izay nanonofy mba hanana hoavy tsara kokoa ho an'ireo vehivavy Egyptiana....
Myanmar: Firariantsoa Amin'ny Tsingerintaonan'i Daw Aung San Suu Kyi
Maro ireo bilaogera tao Myanmar no nankalaza sy nandefa firariantsoa ho an'ny mpitarika ny antoko mpanohitra Birmana, Daw Aung San Suu Kyi izay nankalaza ny faha 62 taonany tamin'ny 19 Jona. (Nivoaka tamin'ny 20 Jona 2007 ny lahatsoratra teny anglisy)
Fitepon'ny Tontolon'ny Bilaogy Saodiàna
Lohahevitra maro samihafa sy mahaliana no voaresaka tanatin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana tamin'ny herinandron'ny 20/02, ka ndeha ary hatomboka avy hatrany ny fitetezana.
Bilaogera Maraokana Mitokona Ho an'i Erraji
Raha nosamborina tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Maraokana Mohammed Erraji, nitodika avy hatrany tamin'ny raharaha momba an'i Fouad Mourtada ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'i Mourtada tamin'ny niatrika fampidirana am-ponja, nihetsiketsika ny bilaogera Maraokana mba hanohana an'i Erraji.
Fahanginana sy ny Rariny Ao Caracas
Mazava ho azy fa ny tantara goavana manerana ny kaontinanta dia ny fahalanian'i Hugo Chávez indray ao Venezoela tamin'ny vato 60%. (Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.