
Pikantsary avy amin'i Louis Sako niteny tamin'ny mpiangona tamin'ny sasakalin'ny Krismasy, navoaka tao amin'ny Youtube tamin'ny 24 Desambra 2017 tao amin'ny fantsona Al-Mawsleya.
Nankalaza ny Krismasiny voalohany tao Mosul ny Kristianina Irakiana hatramin'ny nahazoan'ny tanàndehibe fahafahana avy amin'ny vondrona mpikatroka mahery fihetsika ISIS (fantatra ihany koa amin'ny hoe ISIL, Daesh sy ny Fanjakana Islamika) tany ampiandohan'ny taona 2017.
Natao tao amin'ny Fiangonan'i Masindahy Paoly ny Lamesa Krismasy, fiangonana tokana miasa ao Mosul amin'izao fotoana izao, miaraka amin'ny mpivavaka Kristiana miisa 100 eo ho eo. Maro tamin'ireo tompon'andraikitra ao an-toerana sy miaramila manampahefana ihany koa no nanatrika izany, ankoatra ireo Miozolomana maromaro mba hanehoana ny fanohanan'izy ireo ilay vondrom-piarahamonina vitsy an'isa.
Tao anatin'ny fiarovana mafonja no nanombohan'ny fitoam-pivavahana niaraka tamin'ny hiram-pirenena Irakiana, izay nahatsapana lalina ny firaisam-pirenena nandritra ilay fotoana.
Nampita hafatra momba ny fandriampahalemana sy ny fitiavana i Louis Rapheal Sako, patriarika ao amin'ny Fiangonana Katolika Kaldeana any Iraka. Nandrisika ny fiangonana mba hivavaka ho an'ny “fandriampahalemana sy ny filaminana ao Mosul, Iraka, ary ho an'izao tontolo izao izy.”
Efa hatry ny taonjato maro no nisian'ny vondrom-piarahamonina Kristianina ao Mosul ary anisan'ny manan-danja amin'ny endrika samihafa izay mandrafitra ny tanàndehibe izany. Kristiana manodidina ny 200.000 eo no mipetraka tao Mosul talohan'ny fakana an-keriny nataon'ny ISIS ny faritra avaratr'i Irak tamin'ny taona 2014. Tsy nahitana intsony ireo vondrom-piarahamonina fahiny ny tanàndehibe rehefa avy niatrika ny fanomezana fe-potoana farany izy ireo na hiova fo hanaiky tsy fidiny ny finoana Islamo, na handoa hetra ara-pivavahana, na maty. Nandositra ny ankamaroan'ny fianakaviana ary nesorina tamin'izy ireo teny an-dalana ny fananany .
Raha nitondra faharavana ho an'ny Kristiana Irakiana ny tao anatin'ny telo taona farany dia nandrisika ireo Kristiana nifindra monina manerana an'i Iraka sy ireo izay nahita fialofana tany ivelany mba hiverina sy handray anjara amin'ny fanarenana an'i Mosul kosa i Sako .
Nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny masoivohom-baovao iraisam-pirenena Agence France-Presse (AFP), nilaza i Dourid Tobia, mpanolotsaina momba ny raharaha Kristiana any amin'ny governoram-paritany, fa misy fianakaviana miisa 70 ka hatramin'ny 80 eo no niverina ary manantena izy fa mbola ho betsaka kokoa ny ho avy tsy ho ela .
Natao tany amin'ny vondrom-piarahamonina Kristianina manerana ny Lemaka Nineve sy Baghdad tany amin'ny fiangonana maro samihafa ihany koa ny fankalazana ny Krismasy.
#IraqiChristians celebrating Christmas mass in our ancestral towns and churches in Nineveh Plains. #Syriac#Christians at the Mart Shmoni Church in town of #Bartella, #Iraq. Thank you to Father Yacoub for his leadership. pic.twitter.com/erCJhPJuxu
— Iraqi Christian HRC (@iraqschristians) December 25, 2017
Mankalaza ny lamesa Krismasy tao amin'ny tanàndehibe sy ny fiangonan'ny razambe ao amin'ny Lemak'i Ninive ny Irakiana Kristiana. Kristiana Syriaka tao amin'ny Fiangonana Mart Shmoni tao Bartella, Iraka. Misaotra an'i Papa Yacoub noho ny fitarihany.
اول قداس في بلدة قرة قوش المحررة منذ عامين من بطش داعش في #الموصل#العراق من دون المسيحيين والايزيديين وبقية الطوائف لن يكون عراق
????? pic.twitter.com/Fh5I5tOB7Q— Heba David ?? (@Hakona_matata0) November 3, 2016
Ny Lamesa voalohany tao an-tanàndehiben'i Qaraqosh taorian'ny taona maro nanjakan'ny fitondrana Islamika mahery setra. Tsy maintsy miaraka amin'ny Kristianina, Yazidis, ary ny vondrom-piarahamonina hafa Iraka.
في الموصل اليوم …اول قدّاس لعيد الميلاد في كنيسة مار بولص بعد غياب دام اكثر من 3 سنوات.
سلام مقدس للشهداء الابطال الذين صنعوا هذا النصر.#ChristmasEve pic.twitter.com/bBbyF88KDF
— مهند حبيب السماوي (@alsemawee) December 24, 2017
Ny Lamesa Krismasy voalohany tao amin'ny Fiangonana Saint Paul tao anatin'ny telo taona mahery. Isaorana ireo maritiora izay nahavita izany fandresena izany.
Christmas Eve Mass at Holy Family Church
Baghdad – Bataween 24 Dec. 2017
قداس ليلة عيد الميلاد في كنيسة العائلة المقدسة – البتاوين pic.twitter.com/VtfWnrlYln— Bishop YALDO (@baselyaldo) December 24, 2017
Ny Lamesa tamin'ny Sasakalin'ny Krismasy tao amin'ny fiangonana Fianakaviana Masina.