Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Costa Rica: Nanapaka ny Fifandraisana Diplomatika Amin'i Taiwan Mba Hiarahana Amin'i Shina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2007)

Ny 8 Jona, nambaran'ny Filoham-pirenen'i Costa Rica, Oscar Arias, ny fahatapahan'ireo fifandraisana ara-diplomatika amin'i Taiwan sy ny fiandohan'ireo fifandraisana ireo ihany miaraka amin'i Shina [es] . Nitarika tsikera marobe sy fifamihimpihinana koa io fahatapahana fifandraisana ara-diplomatika efa naharitra 60 taona io  Samy naneho hevitra avokoa, na ireo mpanao lalàna, ireo mpanao blaogy, mpilaza vaovao [es] sy ny sisa sy ny sisa.

Inona no azon'i Costa Rica tamin'ny fanekena ny fisian'i Taiwan? Ho an'ny sasany, ny vola no azony. Nandritra ireo taona maro, nitazona fifandraisana akaiky tamin'ireo firenena Amerikàna Latina i Taiwan.ary nanolotra fanomezana, fampindramam-bola mahafapo, tolotànana sy ny sisa. Noho ny antony ara-moraly dia tsy afaka ambara ho nahazo anjara tamin'ireny fifandraisana ireny i Costa Rica sy ireo firenena 24 hafa. Toy izany koa, tsy afaka lazaina ho ratsy toetra ilay firenena noho io fifandraisana mifototra amin'ireo tombontsoany ireo fa tsy noho ny faharesen-dahatra ao anatiny.

Naneho hevitra ny bilaogy Costa Ricains sasantsasany ary ny ankamaroany no nanambara ho manohitra ilay fanapahankevitra, ohatra ny bilaogy La Suiza Centroamericana [es]:

Y nos ha confirmado sin ambages que hemos entrado de manera decidida y definitiva en la era de la prostitución diplomática…Nuestra relación con Taiwán no estaba bien planteada porque se basaba en las dádivas y no en los principios fundamentales compartidos.

Efa voamarina, tsy nisy ambadimbadika afenina, fa tafiditra anaty vanimpotoanan'ny fivarotantena ara-diplaomatika ary tsy azo iverenan-dàlana isika… Tsy tena niorim-paka tsara ny fifandraisantsika tamin'i Taiwan satria nifototra taminà fanomezana tombon-dahiny manokana fa tsy taminà fotokevitra niraisana.

Azo atao ny manontany tena raha toa nadio tsara ny fifandraisana nisy teo amin'i Costa Rica sy Taiwan, na toy ny fanambadiana natosiky ny tombontsoa fotsiny. Tsy azo lavina, nanana ny fotokevitra niraisana ireo firenena roa ireo dia ny demokrasia, ny zo ho afaka miteny, saingy inona no tena zava-dehibe amin'izany?

Manoratra i Juan Carlos Hidalgo [es]

Considero totalmente imprudente y bastante perjudicial la decisión del gobierno de cortar relaciones diplomáticas…Costa Rica siempre ha ‘rajado’ de ser un país promotor de los derechos humanos y la libertad. ¿Cómo se justifica romper relaciones con una de las pocas democracias consolidadas del Este Asiático a cambio de un régimen represivo y violador de las libertades civiles más básicas como lo es China?

Mino aho fa tena tsy fitandremana sy mampidi-doza tanteraka ilay fanapahana ny fifandraisana… Firenena iray nanao ezaka foana i Costa Rica mba ho firenena mamporisika ny fiarovana ireo zon'olombelona sy ny fahalalahana. Ahoana no hanazavàna ilay fanapahana fifandraisana taminà  firenena iray tena isain'ireo firenena demokratika matanjaka indrindra ao Azia Atsinanana ka handeha hikambana indray amina firenena toa an'i Shina manana rafitra fanaporetana, mifototra amin'ny fanaovana tsinontsinona ireo fahalalahana sivily?

Misy koa ireo bilaogy hafa manohana manontolo ilay fanapahankevitra, ohatra ny Fusil de Chispas [es] izay manoratra fa:

El comercio y las puertas que se abren con la voraz economía China, se me hacen mucho más beneficiosas potencialmente, que el costo afectivo que parece tener el a otra cosa mariposa, en este momento específico

Manokatra varavarana sy tsena eo anoloan'i Shina ny hatendàna ara-toekarena  ananany ary mino aho fa arakaraky ny andehanan'ny fotoana dia io no tena mitondra tombony betsaka raha mitaha amin'ny sanda ara-pihetsehampo aterak'ilay fahatapahana. Ho ela velona anie ny zava-baovao.

“Atao anaty diplomasia tsy tia misehoseho no andraisana ny fanapahankevitra iray tena avo lenta. Nangarahara ihany koa isika, araka izay azo natao sy namelàn'ny toedraharaha hanaovana izany,” hoy ny fanazavan'ny filoham-pirenena Oscar Arias raha nanontaniana azy ny antony nanaovana ankiafinafina ireo fifampiraharahana. Ankehitriny azo sokafana amina tsena iray ahitana ny 20%-n'ny mponina manerantany (olona 1,3 lavitrisa) ny firenena, fanararaotana iray goavana mety hahatsara ny firenena [es].

 Roy Rojas

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.