Fifidianana filoham-pirenena ao Venezoelà: Tsy malalaka indrindra noho ny hatramin'izay

Fandravahana nataon'ny Connectas. Nahazoana alalana.

Nosoratan'i Cristian Ascencio tao amin'ny CONNECTAS tamin'ny 20 Marsa 2024 ity lahatsoratra ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny efa nasiam-panitsiana noho ny fiaraha-miasan'ny samy media.

Tsy tia mifaninana ny filohan'i Venezoela, Nicolás Maduro. Rehefa mahita fandrahonana ara-pifidianana izy dia mametraka sazy na fitsipika vaovao amin'ny mpifaninana. Tsy avelany hiongotra ny baolin’ny fahefana. Toa aleony manindrona azy toy izay mety ho resy amin'ny lalao.

Manoloana izany toe-javatra izany dia misy ny mpanohitra izay ara-tantara nitolona ho amin'ny fampiraisana ary nijoro ho filoham-pirenena lany voalohany tamin’ny taona 2013, ary kandidà filoham-pirenena efa in-telo misesy. Saingy heverina ho kihon-dalana ny tamin'ny herintaona tamin'ny valim-pifidianana savaranonandon'ny Seha-Pampiraisan'i Venezoelà, izay mampivondrona ireo antoko mpanohitra: María Corina Machado, mpitarika mpandala ny nentin-drazana ary iray amin'ireo anti-Chavistas hiringiriny, nahazo ny 92 isanjaton'ny ny vaton'ny savaranonando (vato telo tapitrisa mahery fotsiny), tao anaty fifidianana manan-tantara noho ny habetsaky ny fandraisana anjara.

Tsy naharitra ela ny fanantenana, manoloana ny setry navalin'ny sampana roa fehezin'ny Chavismo, tahaka ireo fahefam-panjakana rehetra ao amin'ny firenena. Tsy vitan'ny hoe tsy noraharahian'ny Vaomieram-Pirenena misahana ny Fifidianana ity valin'ny savaranonando ity, fa nohamafisin'ny Fitsarana Tampony ny fanintsanana an'i Machado tsy hirotsaka hofidiana mandritra ny 15 taona, satria voampanga izy ho nanohana ny fanasaziana an'i Venezoelà ary — heverina ho — nandray anjara tamin'ny ‘fitondram-piloham-pirenena vonjimaika’ an'i Juan Guaidó, nandritra ny krizim-(pifidianana) filoham-pirenena taona 2019.

Mampiharihary izany fa tsy mampaninona ny fitondrana Maduro ny hanary ny fivoarana vitany tamin'ny alàlan'ny fifanarahan'i Barbados vao haingana nifanaovana tamin'ny mpanohitra ary niarahana tamin'i Etazonia. Tao anatin'izany fifanarahana izany ankoatra ny hafa ny nitakian'i Etazonia antoka hisian'ny fifidianana malalaka.

Tamin'ny 25 Marsa, tapitra ny fe-potoana fisoratana anarana ho kandidà, ary tsy navelan'ny governemanta Maduro hisoratra anarana i Corina Yoris, ilay mpampianatra ambony nofidin'i María Corina Machado hiadidy ny firotsahany hofidiana manoloana ny fanitntsanana azy. Izany no ilazana hoe: ity fifidianana ho filoham-pirenena ity no ho voalohany hatao ao Venezoela tsy misy kandidan'ny mpanohitra voafidy tamin'ny latsa-bato savaranonando saika hatramin'ny nanombohan'ny Chavismo.

Vakio bebe kokoa: Zoro maha-vehivavy azy ireo mihitsy no anafihana ireo vehivavy nirotsaka ho filoham-pirenena ao Venezuela, araka ny nasehon'ny fanadihadiana

Ho setrin'izany, mampiasa tetika hafa ny Chavismo ifikirana amin'ny fahefana: mametraka tetiandrom-pifidianana tena mifanakaiky izy io mba ho kely kokoa ny fotoana hanaovan'ny mpifanandrina aminy  hetsika (nokasaina ho amin'ny 28 Jolay ny fifidianana, fa tsy amin'ny Desambra, daty mahazatra amin'ny fifidianana filoham-pirenena), mamorona sakana tsy araka ny lalàna hanakanana ny fandraisan’ny mpanohitra anjara amin’ny fifidianana, ary manakana ny hetsika ataon’ny fikambanana iraisampirenena. Ohatra, iray volana lasa izay no nandroahan'ny governemantan'i Maduro tao Venezoela ny biraon'ny Kaomisera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona.

Amin'ny 28 Jolay, hanatontosa fifidianana filoham-pirenena i Venezoela. Azo antoka ve ny mangarahara? #OppenheimerPresents, Alahady amin'ny 9 ora alina. Ora Miami.

Manazava i Eugenio Martínez, Venezoeliana mpanao gazety, manam-pahaizana momba ny fifidianana ary talen'ny Votoscopio.com, fa “tena lafo ho an'i Maduro ny saran'ny fialana amin'ny fahefana, raha toa ka ambany dia ambany ny saran'ny (fifikirana)… efa mahay miaina tsara amin'ny zavamisy, efa nianatra hiaina amin’ny sazy iraisampirenena ny governemanta venezoelana”.

Manonona ohatra ara-tantara any Amerika Latina mitovy amin'ny krizin'ny fifidianana amin'izao fotoana i Javier Corrales, mpampianatra siansa politika. Tamin'ny taona 1973 dia vonona ny hamela hisìn'ny fifidianana demaokratika ny fitondrana miaramila any Arzantina, saingy amin'ny fepetra tsy ahafahan'ny jeneraly Juan Domingo Perón mirotsaka. Avy eo nanapa-kevitra ny jeneraly hanohana an'i Héctor Cámpora ary raha ny marina, ny teny filamatra tamin'io fanentanam-pifidianana io dia hoe “Cámpora eo amin'ny governemanta, Perón eo amin'ny fahefana.”

Ary nandresy tokoa izy ireo ary roa volana monja no nifanolo toerana. Niantso fifidianana vaovao izy, izay nahafahan'i Perón nisoratra anarana, ary mazava ho azy fa nandresy.

Ary inona no nolazain'i María Corina Machado? Tamin'ny alin'ny 17 marsa, nanambara tao amin'ny media sosialy izy, fa toy ny efa fanaon'ny fitondrana, hifaninana amin'ireo kandidà mpanohitra sandoka ny irìn'ny fitondrana tamin'ny fanintsanana azy. “Mariky ny fahalemena izao fihetsika izao… Very mpanohana ry zareo eny ifotony ary tsy mety intsony ny fomba fanaony manao kendaroroka”, hoy ny nosoritany. “Tsy hahaisotra anay amin'ity lalam-pifidianana ity ry zareo… tsy ifampiraharahana ny azon'ny tanana,” hoy izy saika teo amin'ny faran'ny lahatsary, andro vitsivitsy talohan'ny nahafantarana fa tsy havelan-dry zareo hisoratra anarana Yoris.

Niteraka fitsipahana eny fa na dia avy amin'ireo mpiara-dia tsy misy fepetra amin'ny governemanta Maduro teo aloha aza ny fandraràna an'i María Corina Machado sy Corina Yoris tsy hisoratra anarana  : nosoritan'ny filohan'i Brezila, Luiz Inácio Lula da Silva, ho hetsika “tsy misy fanazavana ara-pitsarana na ara-politika” izao fanitsanana izao, “nanameloka tanteraka ny fanilihana kandidà matotra sy azo itokisana” ny filohan'i Frantsa, Emmanuel Macron, ary nanentana ny hamerenana amin'ny laoniny ny fahafahan'ny kandidà handray anjara amin'ny fifidianana, ary nanamafy ny filohan'i Kolombia Gustavo Petro fa “tsy isalasalàna ny maha-fanonganam-panjakana antidemaokratika” ireo sakana amin’ny fisoratan'ny mpanohitra anarana hirotsaka hofidiana.

Maherin'ny 1.400 ireo olom-pirenena nahintsana tsy ho afaka hirotsaka hofidiana ao Venezoela, anisan'izany i Freddy Superlano, naato raha mbola teo ampanisana vato ny tao amin'ny fanjakan'i Barinas, izay noheverina fa handreseny amin'ny fifidianana ho governora. Teo koa i Henrique Capriles izay nahazo 49 isanjaton’ny vato tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013. Tamin'ny taona 2017, herintaona talohan'ny fifidianana filoham-pirenena vaovao, nahintsana izy tsy hahazo mihazona asam-panjakana mandritra ny 15 taona, toa an'i María Corina Machado.

Araka ny voalazan'i Luis Salamanca, PhD amin'ny siansa politika, mampiseho ny fanadihadiana fa ny 80 isanjaton'ny mpifidy no maniry hanova fitondrana. “Noho izany, mba tsy hahavery izany fahafahana izany dia tsy maintsy mieritreritra zavatra ny mpanohitra. Tsy kandidà tsara i Maduro, azo resena izy, noho ny vesatry ny krizy ara-tsosialy, ara-toekarena ary maha-olona nandritra ireo taona nahatsiravina ireo”, hoy ny fanazavan'i Salamanca.

Efa za-draharaha amin'ny fanodinkodinana fifidianana ny Chavismo. Tamin'ny taona 2015 efa nahazo ny maro an'isa tao amin'ny parlemanta ny Faribolan'ny Firaisankina Demaokratika. Saingy nametraka ireo sakana isan-karazany ny fitondrana ary farany dia nambaran'ny Fitsarana Tampony tamin'ny taona 2019 fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny maro an'isa. Tamin'io taona io ihany ny mpanohitra  no nanao io dingana lehibe diso io dia ny fanambaràna an'i Juan Guaidó ho filoha vonjimaika.

Mitadiava Venezoeliana ao Arzantina handeha any amin'ny foiben'ny masoivoho Venezoeliana ao amin'io firenena io mba hanandrana hisoratra anarana na hanavao ny mombamomba azy ireo ao amin'ny rejisitry ny fifidianana, raha mikasa ho afaka hifidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 28 jolay

Etsy andaniny, maro amin'ireo mpanohitra no tsy mitsahatra manenina tamin'ny fanapahan-kevitra tsy handray anjara tamin'ny fifidianana farany azon'i Nicolás Maduro tamin'ny taona 2018, nandresy tamin'ny 67,8 isanjaton'ny vato, araka ny filazan'ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana. Tamin'izany fotoana izany dia firenena 60 mahery no tsy nanaiky ny latsa-bato ho manan-kery. Tsy dia nisy dikany loatra izany.

Noho ny Chavismo efa zatra fanamelohana sy sazy iraisampirenena, lasa ny fanontaniana hoe inona no anton-javatra mety hanery an'i Maduro hanome ny fahefana, tahaka ny nataon'ireo didy jadona hafa tany Amerika Latina tamin'ny taonjato farany. Angamba mikatsaka karazana antoka tsy fahazoamikitikitika azy ny filoha sy ireo akaiky azy hanekeny izany toe-javatra izany. Fa misy fifanoherana hafa kokoa: tsy mitovy amin'ny miaramila tamin'ny taonjato faha-20 i Maduri fa mahatsiaro ho tohanan'ny hery ivelan'ny kaontinanta toa an'i Rosia sy i Shina, izay niavaka tamin'ny fanohanana ny fitondrana tsy refesimandidy manerana an'izao tontolo izao.

Vao mainka manasarotra ny raharaha io toe-javatra farany io, satria, araka ny filazan'i Eugenio Martínez, mpanao gazety sady mpandinika ny fifidianana, dia hiova ihany ny zava-drehetra ao Venezoela raha toa ka mahavita mamaky ny firaisankinan'ny eo amin'ny fitondrana ny hetsika nasionaly sy iraisampirenena, izay mitarika ho amin'ny dingan'ny fifampiraharahana izay “mampihena be dia be ny sandan'ny fialan'ny [ Chavismo] amin'ny fahefana, raha toa ka mitombo kosa ny sandan'ny fijanonana eo amin'ny fahefana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.