Kurdistance: Mangingina

(Fanamarihana: lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny novambra 2006)

Iray amin'ireo zavatra sarotra indrindra momba ny fandrakofana ao amin'ny tontolon'ny bilaogy isan-karazany ny fiverimberenan'ny vaovao sy ny fifamoivoizan'ny lahatsoratry ny olona. Somary mangingina hafahafa ny tontolon'ny bilaogy Kiorda tao anatin'ny tapa-bolana, karazana fahanginana fahita mialoha ny tafio-drivotra mahery.

Hiwa avy ao amin'ny Hiwa Hopes nanoratra momba ny kolikoly manjaka ao Avaratr'i Iraka/Atsimon'i Kurdistan. Vladimir ao amin'ny From Holland to Kurdistan kosa miresaka momba ny fiakaran'ny lazan'ny politika Frantsay iray mpomba ny Kiorda. Rasti indray mampiseho ny andraikitry ny vehivavy ao amin'ny PKK. Ary i Save RojTV kosa mankalaza ny herintaonany.

Miala tsiny noho ny fiadan'ny herinandro, na izany aza, raha te hamaky resadresaka mahaliana momba ny natioran'i Kurdistan ara-jeografika ianao, jereo ireo fanehoan-kevitra farany ao amin'ny Kurdistance.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.