08 Aogositra 2017

Tantara tamin'ny 08 Aogositra 2017

Ahoana ny Hanampiana ireo Niharam-Boinan'ny Fihovitrovitry ny Tany tao Indonezia

Afaka mitsidika ny bilaogin'i Merlyna Lim ankehitriny ireo mpikambana ao amin'ny firaisamonina iraisam-pirenena izay miahiahy tanteraka manoloana ny horohorontany tao Indonezia, izay tafakatra 5.000 ny maty ary an'arivony marobe no naratra, manangona am-pivitrihana momba ny adiresin'ireo sampan-draharaha marobe ao Indonezia sy iraisampirenena manao fanampiana ny bilaoginy.

08 Aogositra 2017

Kurdistance: Mangingina

Miala tsiny noho ny fiadan'ny herinandro, na izany aza, raha te hamaky resadresaka mahaliana momba ny natioran'i Kurdistan ara-jeografika ianao, jereo ireo fanehoan-kevitra farany ao amin'i Kurdistance.

08 Aogositra 2017

Myanmar : Tapaka ny Aterineto

Manohana faobe an'ireo fihetsiketsehana ankehitriny ny bilaogera Birmana ary feno sary sy vaovao momba izany fihetsiketsehana izany ny tontolon'ny bilaogy Birmana. Noho izany antony izany, nanapa-kevitra handràra ny bilaogy politika, ny fitondrana miaramila, vokatr'izany, voaràra avokoa ireo bilaogy hafa ao Myanmar.

08 Aogositra 2017

‘Turkmenator':  Mampiseho Ny Fahaizany Milalao Basy Sy Antsy Ao Amin'ny Fahitalavi-panjakana Ny Filohan'i Turkmenistan

Niseho voalohany tao amin'ny fahitalavi-panjakana Turkmenistan ny sary. Tsy misy ny fahalalahan'ny fampitam-baovao any Turkmenistan, kanefa haingana tamin'ny fangalana ny lahatsarin'ny fahitalavi-panjakana ny Mpamoaka Vaovao Turkmenistan any ampitan-dranomasina izay sehatra fampahalalam-baovao tsy miankina ary nanova izany indray ho toy ny sombin-tsarimihetsika amin'ny endriny Hollywood

08 Aogositra 2017