Mpanao Gazety Thailandey Sy Mpitsikera ny Governemanta Enti-Miaramila Miatrika Fiampangana Fampisaraham-bazana Noho Ny Lahatsoratra Facebook
Tamin'ny herinandro lasa, voampanga ho mampisara-bazana noho ny lahatsoratra mitsikera ny governemanta enti-miaramila ireo mpisera Facebook miisa telo tao Thailandy .
Nampandrenesin'ny polisy mikasika ilay fiampangana fampisaraham-bazana ireo mpanao gazety zokiolona Pravit Rojanaphruk, Watana Muangsook ao amin'ny antoko politika Pheu Thai, ary ny minisitry ny angovo teo aloha Pichai Naripthaphan .
Nandrombaka ny fahefana ny miaramila tamin'ny taona 2014 ary mbola mitondra ny firenena amin'ny alalan'ny Lalàmpanorenana izay nolaniany tamin'ny taona 2016. Ankoatra ny fifehezana hentitra ny fampahalalam-baovao, dia manao fanenjehana amin'ny fomba mahery vaika ihany koa izy ireo na io olona voampanga ho nanivaiva ny mpanjaka na nanakiana ny fitondrana miaramila. Nametraka ny lalànan'ny Lese Majeste (manohitra ny faniratsirana ny Fanjakana) i Thailandy, izay hinoan'ny mpitsikera fa hanaovan'ny tafika fanararaotana mba hampanginana ny feon'ny mpanohitra .
Nanoratra i Pravit, mpanao gazety matihanina ao amin'ny vohikalam-baovao Khaosod English, tamin'ny 1 Aogositra 2017 mikasika ny fomba namantarany ilay raharaham-pampisaraham-bazana :
I received a call from the Deputy Superintendent of the Technology Crime Suppression Division informing me at about 6.40pm that a police of the rank of Police Lieutenant Colonel is charging me of violating sedition law through an estimate 5 Facebook postings. I insist that I criticize the military regime in good faith […] I will continue to criticize the illegitimate military regime until they take away my smartphone.
Naharay antso avy any amin'ny Mpitantana Lefitry ny Sampandraharahan'ny Ady Amin'ny Heloka Ara-Teknolojia aho tamin'ny 6 ora 40 mn hariva izay nampahafantatra ahy fa miampanga ahy tamin'ny fandikan-dalànan'ny fampisaraham-bazana ny polisy manana grady Lietnà Kolonely noho ny famoahana lahatsoratra Facebook miisa 5 teo ho eo. Nanizingizina aho fa nitsikera ny fitondrana miaramila tamim-pahamarinana […] Mbola hanohy ny fanakianana ny fitondrana miaramila tsy ara-dalàna foana aho mandra-panendahan'izy ireo ny smartfindaiko.
Tsy nampahafantatra azy ny polisy hoe iza tamin'ireo lahatsoratra tao amin'ny Facebook nosoratany no heverin'ny fanjakana fa mandrisika fampisaraham-bazana.
‘Nasain”-ny tafika i Pravit teo aloha mba hiatrika ny fivoriana mikasika ny ‘fanitsiana toetsaina’. Ity fihazonana tsy mahazatra ity dia fomba hanenjehan'ny tafika ireo mpitsikera mivantambatana ao amin'ny fampitam-baovao sy ny tontolon'ny fampianarana ambony.
Raha hita fa meloka, dia mety hahazo sazy an-tranomaizina hatramin'ny 20 taona i Pravit.
Correction: Aft consulting @TLHR2014 again, possible maximum imprisonment term is 20 not 60 yrs. Should I celebrate? #Thailand#seditionpic.twitter.com/pi49iH5OLn
— Pravit Rojanaphruk (@PravitR) August 4, 2017
Fanitsiana: Rehefa nijery ny @ TLHR2014 indray, dia hita fa 20 taona farafahabetsany ny sazy an-tranomaizina fa tsy 60 taona. Tokony ho faly ve aho?
Mandritra izany fotoana izany, miatrika fiampangana kolikoly amin'izao fotoana izao i Pichai izay niasa teo ambany fahefan'ny praiminisitra teo aloha, Yingluck Shinawatra. Araka ny Khaosod English, nandefa ity sata manaraka ity izay nohavaozina tao amin'ny Facebook i Pichai , izay nolazainy fa nosoratany tamin'ny ‘fo madio':
If the government does not solve it in time, the economic situation will keep deteriorating, like a frog in a pot that gradually boils. I hope the Thai government and Thai people will realize this in time, and be the frog that leaps out before the water boils.
Hiharatsy ny raharaha ara-toekarena raha toa ka tsy mamaha izany ara-potoana ny governemanta, toy ny sahona ao anaty vilany izay mangotraka tsikelikely. Manantena aho fa ho tonga saina amin'izany ny governemanta sy ny vahoaka Thailandey rehefa mandeha ny fotoana, ary izy ireo no ho sahona izay hitsambikina hivoaka raha mbola tsy mangotraka ny rano.
Mpikambana iray hafa ao amin'ny fitantanan-draharahan'i Yingluck i Watana izay nampangain'ny polisy ho nanao fitarihan-dalana diso ny vahoaka momba ny rafi-pitsarana sy ny fitondrana enti-miaramila tamin'ny alalan'ny lahatsoratra izay nalefany tao amin'ny Facebook .
Samy mpikambana ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana i Pichai sy Watana talohan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny taona 2014.
Voampanga tao anatin'ny herinandro iray avokoa ireo mpanao politika roa ireo tamin'ny fotoana nitsarana an'i Yingluck ho nanao kolikoly nifandraika tamin'ny fitantanana ny fanampiam-bary, izay nahatonga ny olona sasany hanontany tena raha toa ka natao hampanginana ny mpanohana an'i Yingluck ny fiampangana.
Nahatonga ny mpisera Twitter sasany haneho hevitra mikasika ny famerana ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena ireo vaovao fitoriana fampisaraham-bazana izay atao amin'ireo mpitsikera ny fitondrana miaramila :
How can anyone be accused of sedition 4 opposing an illegal govt that came to power unconstitutionally by overthrowing a democ elected govt?
— JQ Public (@JQP6) August 5, 2017
Nahoana ny olona no voampanga amin'ny fampisaraham-bazana noho ny fanoherana ny governemanta tsy ara-dalàna izay tonga teo amin'ny fitondrana tsy araka ny lalàmpanorenana, sy nanongana governemanta voafidy tamin'ny fomba demaokratika?
Naneho an'i Prayut, lehiben'ny tafika teo aloha, izay nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014, ary praiminisitra ao amin'ny firenena ankehitriny ny sioka iray :
cartoon of the day – Pravit vs Prayut @PravitR@suranand@Reaproy@SZarifi@G_Garachonpic.twitter.com/SQYOdfLXZa
— stephff cartoonist (@stephffart) August 3, 2017
Ny sariitatra androany- Pravit sa Prayut
Vao mainka nampitombo ny ahiahy mikasika ny fahavononan'ny governemanta enti-miaramila amin'ny famerenana ny fitondrana sivily sy ny demaokrasia ao amin'ny firenena ny fametrahana fitoriana telo samy hafa ireo tamin'ny herinandro lasa izay mitambesatra amin'ireo mpitsikera malaza ny fitondrana miaramila .
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...