Jordania: Lehilahy, Vehivavy ary Ankizy Vita amin'ny Ranomandry

(Marihina fa tamin'ny 3 Febroary 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mafana ny fifaninanana eo amin'ireo bilaogera Jordaniana izay mifaninana hahazo voalohany amin'ny fanamboarana lehilahy sy vehivavy vita amin'ny ranomandry ka nahatonga ny bilaogera iray hiantso fampitsaharana. Miaraka amin'ny Aterineto mihisatra manerana ny Afovoany Atsinanana dia tsy mahagaga ho an'ny bilaogera ao Jordania ny mizara ny famoronany any an-kafa.

Koa satria manambara zavatra betsaka ny sary dia avelako hankafy izany fotsiny ianareo ato amin'ity lahatsoratra ity.

Hiaraka amin'i Naseem Al Tarawnah aloha isika, izay nahitana ny namany antsoina hoe Tina nisahirana nanome antsika ny dingana tsikelikely amin'ny fomba fanaovana ny zazakely vita amin'ny ranomandry. Sy ny hoe inona no atao hoe ankizy vita amin'ny ranomandry ho azy manokana? Nanangana lehilahy vita amin'ny ranomandry izy mba ho namany noho ny hatsaram-panahy fotsiny. Indro ny pikantsarin'ny mpivady sambatra :

Tina

Sahirana tamin'ny fananganana ankizy vita amin'ny ranomandry azy manokana ihany koa i Tololy avy any Jordania. Hoy izy:

Why waste my time and risk catching pneumonia making a huge, beer-belly snowman?
I made the smallest, cutest snow babe instead

Nahoana aho no mandany ny fotoanako kanefa mety hahazo aretina pnemonia amin'ny fanamboarana lehilahy vita amin'ny ranomandry lehibe, bekibo misotro labiera ?
Aleoko manao ankizy vita amin'ny ranomandry kely sy mahafatifaty kokoa.

Indro ary ny ankizy ranomandry vitany, ianao no mpitsara:

Snowbabe by Jordanian blogger Tololy

Nanatevin-daharana ny fifaninanana ilay An American in Jordan, ahitana lehilahy vita sokitra ranomandry miala sasatra . Ity ny iray amin'ireo sary maro izay nalefany mba hanehoana ny sanganasany ;

Snowman in Repose by An American in Jordan

Niverina miaraka amin'ny sary sokitry ny Orampanala Fotsy izay aseho sary eto i Janmania :

Snow White by Janmania from Jordan

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, nanapa-kevitra i Jad  fa ny lehilahy vita amin'ny ranomandry tsara indrindra izay efa hitany hatreto dia ity iray ity:

Snowman and Littleman in Abdali Station in Jordan by Jad

Na dia teo aza ny fahadalana sy ny fahafinaretana tsy azo lavina, miantso fampitsaharana i 7aki Fadi. Niangavy mihitsy aza izy hoe:

For whatever is holy to you pleaaaaaaaaaaase STOP with THE SNOW POSTS.
Seriously, stop, it all looks the same, all the pictures.
EVEN the snow men look the same.

Fa na inona na inona masina ho anareo azafady AJANONY ny TSANGANANA RANOMANDRY.
Tena marina, atsaharo, mitovy daholo ireo rehetra ireo, ireo sary rehetra ireo.
NA DIA ireo lehilahy vita amin'ny ranomandry aza dia mitovy avokoa .

Lahatsoratra GV mifandraika amin'izany:

Iraq: Snow in Baghdad
Videos of Snow in Baghdad
MENA: Brrrrrr …It's Freezing
Middle East: Let it Snow ..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.