Nanangana ‘Tranolay Fifohana Rivotra An-tendrombohitra’ Ireo Mpikatroka Ho Fanoherana Ny Rivotra Maloto Loatra Ao Makedonia

"Breathing in Skopje harms your health" reads the sign on the "Mountain air cabin" in Skopje. Photo by Urban Art Actions, used with permission.

“Manimba ny fahasalamanao ny miaina ao Skopje ” hoy ny soratra eo amin'ny “tranolay fifohana rivotra an-tendrombohitra” ao Skopje. Sary: Hetsiky ny zavakanto ao An-tanànadehibe, nahazoana alàlana.

[Fanamarihana avy amin'ny mpanitsy: Nivoaka tamin'ny volana desambra ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy, saingy nadika ihany noho ny halehiben'ny lohahevitra].

Tonga ao Balkans ny ririnina izay “vanim-potoan'ny zavon-tsetroka” [mg]. Mitodika any amin'ny hala tahaka sy ny hetsi-panoherana mba hanerena ny manampahefana hanao ny asany ireo olom-pirenena sy mpikatroka ao Makedonia, izay miatrika ny ambaratonga avo amin'ny fahalotoan'ny rivotra.

Ao anatin'ny fomban-drazana goavana miompana amin'ny ny zavakanton'ady anaty akata, nanolotra ny fanehoan-kevitra maneso momba ny olana mitohy tamin'ny alàlan'ny fanomezana ireo mponina ao an-drenivohitr'i Skopje ny fifohana “rivotra madio an-tendrombohitra” eny amin'ny “tranoheva fifohana” ny vondrona Hetsika Zavakanto ao An-tanàndehibe: :

Во знак на поддршка на напорите на граѓаните и еколошките организации за решавање на проблемот со енормното загадување во Скопје екипата наречена Урбани уметнички акции постави 2 кабини за дишење све планински воздух во Скопје односно во Буњаковец и кај пазарчето во Aеродром. Со оваа акција сакаме да помогнеме на граѓаните барем малку да подишат чист воздух. Акцијата ќе продолжи и наредните денови и ќе се носи нов свеж планински воздух. По Скопје акцијата ќе биде спроведена и во Тетово.

As a sign of support for the efforts of citizens and environmental organizations to solve the enormous problem of pollution in Skopje, the team named Urban Art Actions posted two breathing booths with mountain air in Skopje. They are located at Bunjakovec and near the green market in Aerodrom. With this action, we want to help citizens and let them take a breath of fresh air. The action will continue in the following days by bringing new fresh air from nearby mountains. After Skopje, the action will be conducted in Tetovo.

Namoaka tranoheva fifohana rivotra miisa roa misy rivotra avy any an-tendrombohitra tao Skopje ny ekipa atao hoe Hetsika Ara-Javakanto ao An-tanàndehibe mba ho mariky ny fanohanana ny ezaka ataon'ny olom-pirenena sy fikambanan'ny mpiaro ny tontolo iainana amin'ny famahana ny olana lehibe momba ny fahalotoan'ny rivotra ao Skopje.  Hita ao Bunjakovec sy ao akaikin'ny tsena maitso ao Aerodrom izy ireo. Miaraka amin'ity hetsika ity, te-hanampy ny olom-pirenena sy hanome azy ireo ny fahafahna mifoka rivotra madio izahay. Mbola hitohy  amin'ny andro manaraka ny hetsika amin'ny alàlan'ny fitondrana rivotra madio vaovao avy any an-tendrombohitra eo amin'ny manodidina. Aorian'i Skopje, hitohy any Tetovo ny asa.

Ny setroka avy amin'ny fandoran'ny mponina mahantra ireo hazo sy fingotra izay tsy manam-bola hividianana milina na herinaratra manome hafanana, ireo setroka avy amin'ny orinasa tsy misy fitaovana fanadiovan-drivotra, ny vovoka avy amin'ny toerana fanorenana sy ny fihadiam-bato, ary ny setroka avy amin'ny maoteran'ny fiara, ireo no tena mahatonga ny fahalotoan'ny rivotra ao Makedonia.

Ny renivohitra Makedoniana Skopje no tena miaina ny zavon-tsetroka amin'ny ririnina noho ny tsy fahatomombanan'ny drafitra an-drenivohitra. Efa namoaka toro-làlana ho an'ny mponina mba hijanona any an-trano ny fitondram-panjakana ao an-toerana kanefa tsy nisy ny fepetra azo tsapain-tànana hanohanana ireo ankizy na ny vehivavy bevohoka tsy maintsy handeha any an-tsekoly na handeha hiasa. Nitombo be noho izany ny fangatahan'ny olom-pirenena hahazo saron-tava fiarovana amin'ny etona   .

An amin'ny faritra maloto rivotra any Tetovo [mg], nitsiry ny fanantenana tamin'ny fiandohan'ny volana Desambra taloha kelin'ny fifidianana vao haingana. Rehefa niandry taona maro, nampihatra ny lalàna ary nanakatona vonjimaika ny toeram-pandrendreham-by Jugohrom ny governemanta, izay eo am-piandrasana ny fametrahana ny fanadiovana rivotra .

Residents of Skopje can take a breath of "fresh mountain air" through the breathing cabins posted by activists.

Afaka mifoka “rivotra madio an-tendrombohitra”  amin'ny alàlan'ny trano heva natao ho an'izany ny mponina ao Skopje .

Nampiseho ny fampitahana ny ambaratongan'ny fahalotoan'ny rivotra ao amin'ny faritra teo anelanelan'ny volana Novambra sy Desambra taona 2015 sy 2016 fa hita nihena 40-50% ny fahalotoan'ny rivotra. Na izany aza, mbola atahorana  ny haavon'ny fahalotoan'ny rivotra ao an-toerana amin'ny ankapobeny satria tsy mbola nasian-dresaka ireo antony mahatonga ny fandotoana hafa.

Tsy nahitana fepetra fanitarana toy ny famerana  ny fitaterana napetraka andro vitsy lasa izay tao an-drenivohitra Bosniaka ao Sarajevo ny fivorian'ny ben'ny tanàna vao haingana nokarakarain'i Koce Trajanovski ben'ny tanànan'i  Skopje izay nahitana kaominina miisa 17, ao anatin'izany ny faritra an-tanàndehiben'ny Skopje sy ny tanànakely eo amin'ny manodidina azy..

“Fivorian'ny ben'ny tanàna 18 maika momba ny fahalotoan'ny rivotra ao Skopje.”
Tonga tao amin'ny fivoriana izy ireo niaraka tamin'ny fiara miisa 18 samy hafa .

Anisan'ny fanapahan-kevitra izay nivoaka avy tao amin'ny fivoriana ny fampandoavana lamandy henjana kokoa ho an'ny olona mandoro arintany na mandoro ny fanaka sisa tavela ao an-tranony, ary ny fampanantenan'ny ben'ny tanànan'i Skopje fa hangataka amin'ny governemanta vaovao izy, rehefa mitsangana izany, ny amin'ny fanaovana tolo-barotra vaovao ho an'ny fananganana fotodrafitrasa ho an'ny fampiasana ny milina mitondra hafanana amin'ny etona voajanahary.

Tao amin'ny media sosialy, naneho ny tsy fahafaliany ireo olom-pirenena noho ny tsy fitovian-kevitra hita eo amin'ny kalitaon'ny fiainana izay hiainan'ny Makedoniana maro sy ny laharam-pahamehana ho an'ny governemanta (ary koa ny fitiavana fatratra amin'ny fomba ideolojika ny tantara fahiny).

Tsy tokony ho olana ho an'ny olona manana ny ADN-n'ny mpiady fahiny ny rivotra maloto indrindra ao Eoropa .

 

Soratra an-drindrina: “Toromarika: Aza maty noho ny homamiadana!” – Kaominina Bitola.

Nanambara hetsi-panoherana ampahibemaso ny olom-pirenena ao Skopje tamin'ny 28 Desambra, mitaky ireo manampahefana mba hanomboka handray fepetra hentitra manoloana ny fahalotoan'ny rivotra.

Manao hetsi-panoherana hisian'ny rivotra madio sy ny ankizy salama aho!
28.12.2016 tamin'ny 5 ora hariva tao amin'ny Loharanon'ny Zaridaina ao an-tanàndehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.