Tonga Ny Ririnina: Miomana Hiatrika ny Vanim-potoanan'ny Zavon-Tsetroka Indray I Balkans

Skopje, Macedonia. Photo by Eko-svest, used with permission.

Skopje, Makedonia. Sary: Eko-svest, nahazoana alàlana.

Nandritra ny roa taona farany, nahatratra ny ambaratonga mampidi-doza ny fahalotoan'ny rivotra manerana ny tanànan'i Balkans. Nantsoina ho tena tanàna maloto rivotra indrindra any Eoropa i Sarajevo sy i Skopje: nangataka ny tanàna ny tanora ao Skopje hametraka zotram-pitaterana fanampiny amin'ny alina tamin'ny alalan'ny fametrahana tranolay eny amin'ny garam-piara fitateram-bahoaka manerana ny tanàna, ary nanao hetsi-panoherana hisian'ny lalana azo antoka kokoa eny an-dalana sy fotodrafitrasa ho an'ny mpandeha an-tongotra sy ny fitaterana tsy misy maotera tsara kokoa ny mpandeha an-tongotra sy ny mpandeha am-bisikileta avy ao Skopje.

Nizara ny fahoriany amin'ny tenirohy #RivotraMadio tao amin'ny Twitter ireo mpisera :

Fohy lalina! #RivotraMadio

“Fohy lalina” – Igor Džambazov
“Tsy mety fa maloto ny rivotra ” – Skopje
#TsyMiainaSkopje #RivotraMadio #AtaovyMaitso

 Nahazo lôkômôtiva mamoaka etona be ihany koa ny tanànan'i Skopje. #RivotraMadio

Iray amin'ireo olana lehibe indrindra eran-tany ny fandehanana any an-tanàn-dehibe satria mifindra monina any an-drenivohitra amin'ny fomba haingana dia haingana ny olona. Mila mahazo maotera mihodina haingana kokoa ny mponina an-tanàndehibe maro, ary midika fitomboan'ny isan'ny fiara eny an-dalambe izany. Fanamby izany, indrindra ho an'ny toekarena an-dalam-pandrosoana tahaka ny an'i Balkans, izay ahitana fitateram-bahoaka tsy manara-penitra sy tsy azo itokisana sy ny tsy fahampian'ny fanentanana satria mbola fiara mandeha gazoala avokoa no miasa amin'ny fitaterana .

Mandeha amin'ny solika ireo fiara ka mamoaka gazy karbonika be dia be, miteraka ny fahalotoan'ny rivotra sy mampidi-doza ny fahasalaman'ny olona ireo singa fandotoan-drivotra sy ireo karazana etona rehetra mahafaty ireo. Nanamafy izany tamin'ny COP21, natao tany Paris tamin'ny 2015 nandritra ny zaikaben'ny fanavaozana maharitra sy ny fihaonambe mikasika ny fikorontanan'ny toetrandro, ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana Eran-tany (OMS) tamin'ny alalan'ny Dr. Carlos Dora fa olona maherin'ny fito tapitrisa no maty isan-taona noho ny aretina mifandraika amin'ny fahalotoan'ny rivotra, ary ny solika no antony tena lehibe mahatonga ny fahalotoan'ny rivotra.

“Rehefa miresaka fitaterana ianao,  ny làlana avy hatrany no tonga ao an-tsain'ny olona . Kanefa isika tsy mila lalana hafa intsony. Tsy maintsy manangana fitateram-bahoaka tsara kokoa isika, ary mila mampieritreritra ny olona amin'ny fitaovam-pitaterana hafa, toy ny bisikileta sy ny fandehanana an-tongotra, “hoy i Carlos Felipe Pardo avy ao amin'ny Despacio, fikambanana iray tsy mitady tombontsoa izay manao fikarohana mikasika ny kalitaon'ny fiainana.

Na izany aza, tamin'ny tapaky ny volana Jolay 2016, nanambara ny ben'ny tanànan'i Skopje, Atoa Koce Trajanovski, fa hanaovana fanorenan-dalana vaovao 9000 metatra  sy lalambe ao an-drenivohitr'i Makedonia ny vola 17 tapitrisa Euro ho fepetra hanatsarana ny tontolon'ny fihariana ao amin'ny firenena. Tsy nilaza na inona na inona amin'ny fanomezana vahaolana hafa amin'ny fitateram-bahoaka na fandrisihana ho an'ireo izay mandeha bisikileta na mandeha an-tongotra rehefa mivezivezy manerana ny tanàna.

A parking for bicycles in central Amsterdam. Photo by GV, CC-BY.

Ny fitobian'ny bisikileta ao afovoan'i Amsterdam. Sary: GV, CC-BY.

Firenena iray izay mampiseho ny fomba hanatsarana kokoa ny toe-javatra toy izany i Norvezy — nanome ohatra tamin'ny fampiasana ny fiara mandeha amin'ny herinaratra  eny amin'ny arabe izy, amin'ny alalan'ny fandrisihana toy ny fanafoanana ny hetra sy ny fanomezana fiantsonana  maimaim-poana ho an'ny fiara mandeha amin'ny herinaratra. Ankehitriny, mihoatra ny iray ampaha-dimin'ny varotra fiara vaovao ao Norvezy no fiara mandeha amin'ny herinaratra . Firenena manana bisikileta maro indrindra isan'olona ihany koa i Norvezy, Soeda, Alemaina sy Holandy, ary samy manana tambajotra midadasika amin'ny lalan'ny bisikileta ao amin'reo tanandehibeny, ahitana lalana ho an'ny bisikileta mifanila amin'ny ho an'ny fiara.

Nahena hanomezan-toerana ireo trano lehibe vaovao handraisana ny fitomboan'ny mponina ireo faritra maitso ao an-tanandehibe manerana ny Balkans, nilaza anefa ny manam-pahaizana fa ny fahavitsian'ny drafitra an-drenivohitra sady tsy manara-penitra no olana. Mitaky fandraisana andraikitra avy amin'ny governemanta eo an-toerana ireo mpikatroka sy ny olom-pirenena any amin'ny tanàna be rivotra maloto indrindra ao Makedonia toa an'i Skopje [mg] sy i Tetovo [mg].

Miarahaba anao, ry governemantan'ny Tanànan'i Skopje ! Feno fiara i Skopje na dia nandritra ny Herinandron'ny Fivezivezena Eoropeana aza . Mangataka fandraisana andraikitra izahay,fa tsy fanambarana amin'ny #DiovynyRivotra[RivotraMadio]!

Nametraka zaridaina maitso mitsangana [mihantona] antsoina hoe “Tanàna Hazo”  ao amin'ny tanàna izay samy manana tahan-drivotra maloto avo — ao Skopje sy Tetovo — ny fikambanana Makedoniana tsy miankina amin'ny fanjakana Eko-svest mba ho fanairana amin'ny maha zava-dehibe ny faritra maitso ao an-tanàndehibe. Fa nilaza mazava i Ana Colovic Leshoska ao amin'ny Eko-svest nandritra ny valan-dresaka ho fampiroboroboana ny tetikasa hoe: ” tsy solon'ireo hazo akory ny Tanàna Hazo satria tsy misy mahasolo ny hazo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.