Nahoana Ny Efitra Fandroan'ny Japoney No Tsara Indrindra, Sy Lahatsary Hafa

Screenshot 2016-10-01 at 6.10.31 PM

Pikantsary tamin'ny fantsona Youtube Fiainana Any Amin'ny Misy Ahy

Efa mba nanontany ve ianao hoe ahoana no fomba iainan'ireo olona hafa ny fiainan'izy ireo andavanandro manerana izao tontolo izao? Tahaka ny ahoana ny trano fonenana? Inona no hohanin'ny olona amin'ny sakafo maraina, sakafo atoandro sy ny sakafo hariva?

Raha manan-kambara ianao, misy ny fantsona YouTube ho anao. Ny Fiainana Any Amin'ny Misy Ahy (Life Where I'm From) dia mampiseho bilaogin-dahatsary am-polony ambony kalitao momba ny fiainana ao Japana, ary indraindray avy amin'ny firenen-kafa.

Matetika i Aiko, tovovavv monina miaraka amin'ny fianakaviany ao Japana no nampiantrano ny bilaogin-dahatsary. Maka ny sary, manitsy sy mamoaka ny lahatsary i Greg, rainy, Kanadianina nifindra any Tokyo.

Efa olona an-tapitrisany manerantany no nijery ny bilaogin-dahatsary, anisan'izany ity manaraka ity izay manazava ny “antony mahatonga ny efitra fandroan'ny Japoney ho tsara indrindra”

Misy ireo lahatsary mamaritra fotsiny ny endrim-piainana rehetra ao Japana amin'ny fomba fijerin'ny ankizy, anisan'izany ny hoe tahaka ny ahoana ny fananana toeram-pisakafoanana ramen, na ahoana ny fankalazana Halloween ao Japana.

Manana tranonkala miaraka aminy ny fantsona YouTube, Life Where I'm From. Araka ny filazan'i Greg:

We've made a few videos about what life is like for us in Japan, but we have always wanted to know what life is like where you're from.

[…]

The whole point of the project was to have kids from around the world see what life is like for other kids around the world. If we're lucky enough to have you share your stories, we'd love to feature some of them in our videos.

Nanatontosa lahatsary vitsivitsy mikasika ny hoe tahaka ny ahoana fiainanay ao Japana izahay, saingy fanirianay hatrany ny hahafantatra koa hoe tahaka ny ahoana ny fiainanao any amin'ny misy anao.

[…]

Ny tena tanjon'ny tetikasa dia ny ahitana ireo ankizy avy amin'izao tontolo izao maneho ny fiainana any amin'ny misy azy ireo. Raha manam-bintana izahay manana anao hizara ny tantaranao, dia fanirianay ny hampiseho ny sasany amin'izany ao amin'ny lahatsarinay.

Mampiantrano ireo lahatsary ao amin'ny bilaogy iray koa ny tranonkala, izay lasa sehatry ny adihevitra mafana momba ny andavanandrom-piainana saika avy amin'izao tontolo izao.

Mandrisika ny mpijery mba hanampy hamaritra ny endriky ny lahatsary manaraka ihany koa ny ekipa ao amin'ny Life Where I'm From.

Life Where I'm From

Pikantsary avy amin'ny tranonkala Life Where I'm From

Manana bilaogin-dahatsary malaza iray hafa ihany koa, antsoina hoe Life Where I'm From X i Greg. Araka ny filazan'i Greg, ahitana ny “fomba fijerin'olon-dehibe ny fiainana ao Japana” ny bilaogin-dahatsary.

Ao anatin'ity bilaogin-dahatsary ity, miresaka momba ireo olana toy ny tsy manan-kialofana ao Japana, sy izany hoe manana fahasembanana mitsidika an'i Japana izany i Greg.

Ankoatra ny fantsona YouTube sy ny tranonkala, afaka manaraka ny ekipa Life Where I'm From ao amin'ny Twitter @lifewhereimfrom ihany koa ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.