Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mitondra Amboaram-Peon-Jorery ny Vanim-potoanan'ny Andro Mafana

Higurashi cicada

Jorery Higurashi (Tanna japonensis). Sary avy amin'ny Wikimedia.

Ny Jorery no feo Japoney amin'ny vanim-potoana mafana. Na any ivelany any ambanivohitra izany na ao anaty tanàna, dia tafiditra tsara amin'ny fiainana andavanandro ao Japana itony bibikely itony hany ka maro amin'ny Japoney no afa-mamantatra ireo karazany amin'ny alalan'ny antso ataon'izy ireo.

Misy karazany maro ireo jorery mipoitra amin'ny fanombohan'ny vanim-potoana mafana. Raha mbola zanany tsy ary elatra ry zareo dia miaina any ambanin'ny tany, ka any no mihinana fakan-kazo, ary rehefa lehibe, dingana efa ary elatra kosa dia lasa irony bibikely tsy manaikitra olombelona irony fa mandany ny androny mihira amin'ny fanantenana sao dia mahazo sakaiza iaraha-monina.

Misy antony ve mahatonga ny jorery ho maro dia maro tahaka izao isan-taona? Siantifika Japoney iray no nahavaha ny ankamantatry ny fahamaroana faoben'ny jorery.

Mampiavaka ny jorery ny fiaraha-mivoaka amin'ny isa maro dia maro. Sady tsy maharo tena no tsy afa-manidina haingana, lasibatra mora ho an'ireo mpihinana azy ireto bibikely ireto. Ny fahatsapana ho voaaro ao anatin'ny fahamaroan'isa dia midika fa afa-miavotena ela araka izay tratra miaraka amin'ny namany ny jorery vitsy an'isa mandra-pahalanin'ny [hafa] azy.

Tafiditra lalina ao anatin'ny vanim-potoana mafanan'i Japana ny jorery, izay fantatra amin'ny teny Japoney ho “semi,” ka misy ireo olona sasantsasany ao Japana no mamoaka lahatsarin'ireo karazany maro sy ny fiantsoana mampiavaka azy ao amin'ny Twitter.

Minmin-zemi

Nanamarika toy izao ao amin'ny gazety miteny anglisy Japan Today i Philip Kendall:

There are some 30 different types of cicada in Japan, and each one’s song sounds that little bit different to the last. The cicada song most often used in TV and anime, though, has to be that of the “minmin-zemi.”

Eo ho eo amin'ny 30 ny karazana jorery eto Japana, ary ny feonkiran'izy ireo dia hafahafa kokoa noho ny tamin'ny farany. Matetika amin'ny tele sy ny sarimiaina [anime] no ampiasana ny feon-kiran'ny jorery ao anatin'ny karazany “minmin-zemi.”

Ka ity ary ny feon'ny minmin-zemi:

Mihatony mangatsiaka kokoa aho rehefa maheno minmin-zemi… (´∇`)

Abura-zemi

Malaza noho ny feony mirohodrohona ny abura-zemi:

Abura-zemi. Eny, navoakako ity taorian'io.

Kuma-zemi

Miverina ato an-jaridainanay ny kumza-zemis! Sambany aho no naheno azy ireo tamin'ity taona ity!

Tsukutsukuboushi

Ity jorery kely manana anarana lava ity dia nomena anarana taorian'ny antso manavaka azy manokana: “tsuku-tsuku boushi, tsuku-tsuku boushi”:

Tsukutsukuboushi!! ( ^ω^ )

Higurashi-zemi

Ny antsom-pitarainan'ny higurashi-zemi matetika dia mitranga amin'ny faramparan'ny volana Aogositra sy ny fanombohan'ny volana Septambra, miantsoantso ny fialan'ain'ny andro mafana sy ny fanombohan'ny fihintsanan-dravina:

Rehefa mandre ny kiakam-pahafatesan'ny higurashi-zemi aho, sy ny fambaran'ny maripana mangatsiaka kokoa, dia fantatro fa ho tapitra ny andro mafana ary manakaiky ny fihintsanan-dravina.

Korataban'ny jorery

Mazava loatra fa hiaraka hipoitra ireo karazan-jorery, izay hiafara amin'ny horikoriky ny antso isan-karazany. Toy izao ary ny minmin-zemi sy ny tsukutsukuboushi miara-mihira:

Miarahaba maraina ny rehetra! mahafinaritra ny toetrandro androany eto Yokohama, andro tsara andalovana ambany aloky ny hazo. Toy izao ny minmin-zemi sy ny tsukutsukuboushi miara-mihira. Enga anie isika rehetra hisitraka andro mahafinaritra hafa indray!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.