
Fianakavian'ny mpitondra ambony ankehitriny Xi Jinping sy ny mpitarika ambony teo aloha Li Peng manana orinasa an-dranomasina nokarakarain'i Mossak Fonseca. Sary avy amin'ny: ICIJ.
Raha toa ka miresaka #PanamaPapers izao tontolo izao , ny fiparitahana goavam-ben'ny tsiambaratelon'ny antontan-taratasin’ ny orinasa miorina ao Panama izay manampy mpanao politika maro hanafina vola amin'ny alalan'ny fananganana orinasa saritsariny an-dranomasina manerana izao tontolo izao, kosa dia tsy mahalala na inona na inona ny fisian'izany kosa ny ankamaroan'ny Shinoa.
Araka ny antontan-taratasy, izay nangonin'ny Fiarahana Misalahy Iraisam-pirenena momba ny Fanadihadian'ny Mpanao Gazety na International Consortium of Investigative Journalists (ICIJ) , ny antontan-taratasy niparitaka dia mampiseho ny orinasan-dranomasina mifandray amin'ny fianakavian'ny mpitondra ambony ao Shina , Xi Jinping, izay efa nivoady ny hiady toy ny “miaramilan’ ny kolikoly”.
Nosakan'ny anakana mpisivana tranonkala Shinoa tsy hahazo ny milina lehibe fikaroham-botoaty ny #PanamaPapers ary namafa ny fifanakalozan-kevitra rehetra milaza io fiparitahana io tao amin'ny media sosialy nanomboka tamin'ny 4 Aprily, ao amin'ny ezaka mba hitazomana ny ankamaroan'ny mponina Shinoa ao amin'ny tanibe tsy hahita fa (araka ny ICIJ) “olona ao amin'ny fianakaviana raha kely indrindra valo amin'izao fotoana izao, na mpikambana teo aloha tao amin'ny Komity Maharitra Poliburo ao Shina , izay mpanapa-kevitra voalohany amin'ny orinasan-damaody, no manana orinasa an-dranomasina nokarakarain'i Mossack Fonseca.” Nitatitra ireo mpisera aterineto fa na dia ny mailaka nilaza ilay fiparitahana ary dia nosimbaina.
Namoaka tsy tapaka ny vaovao farany momba ny fepetran'ny sivana ao amin'ny Twitter ny mpisera monina ao Shina. Voalohany, nanjavona tao amin'ny motera fikarohana telo voalohany tao Shina ny fandikan-teny Shinoa ny amin'ny Panama Papers.
Censorship in #China – Results searching #panamapapers in 3Top SearchEngines: Baidu,360 Search &Sogou. @TobiasBasuki pic.twitter.com/JjabpGXyt2
— Christine.S.Tjhin陈姝伶 (@cataya) April 5, 2016
Sivana ao #China – Valin'ny fikarohana #panamapapers ao amin'ny Motera Fikarohana 3Voalohany: Baidu,360 Search &Sogou. @TobiasBasuki pic.twitter.com/JjabpGXyt2
Mampiseho fanamarihana mipongatra ambonin'ny mpitety eo amin'ny efijery ny pikantsarin'efijery izay miseho rehefa mikaroka ilay teny saro-pady ny mpisera milaza hoe: “Tsy miseho ny valin'ny fitadiavana tsy mifanaraka amin'ny lalàna, ny fitsipika sy ny politika, . Tsara raha manandrana manao fitadiavana amin'ny voambolana hafa mifandraika aminy. “
Efa voafafa tao anatin'ny segondra vitsivitsy tao amin'ny Weibo ireo voambolana ny vaovao ary ny adihevitra hafa mifandraika aminy rehetra, :
墙内荒唐到了连冰岛愤怒选民向议会的墙壁投掷鸡蛋和香蕉的新闻都封锁了,凡是与保密银行洗钱有关的,甚至于连“巴拿马”这三个字都在被秒删!中国大陆的网管简直疯子了,一直在删,刚刷屏看见有人发文,刚点了个赞。这帖子就瞬间消失了,看来中共是不留任何死角!建议此刻大家伸手帮助墙内同胞了解真相
— 小悲 (@Zodiac4698) April 5, 2016
Ao anatin'ny Rindrin'Afo Lehibe, ny tena mampihomehy [mitranga ilay sivana]. Na ny vaovao momba ny olona ao Islandy mitoraka atody sy akondro amin'ny Lapan'ny Fanaovan-dalàna aza dia nofafana. Ny lahatsoratra rehetra izay mahakasika ny tsiambaratelon'ny banky, ny famotsiam-bola sy Panama dia voafafa tao anatin'ny segondra vitsy! Adala ry mpisivana aterineto, mamafa hatrany. Vao avy nanampy ekeko tamin'ny lahatsoratra aho dia nanjavona ilay izy. Toa hoe ny Antoko Kaominista Shinoa no mameno ny lavaka rehetra ao amin'ny rindrina. Manoro hevitra an'ireo izay any ivelan'ny rindrina aho mba hanampy ny namana ao anatiny hahafantatra ny marina.
Na dia ny mailaka tsy miankina aza toa eo ambanin'ny fanasivanana teny saro-pady:
网管要求自查自删所有涉及 #巴拿马文件 的内容,包括评论、微信。。刚看到好几位记者表示他们单位“不让翻墙”,于是能翻的人把维基百科做了个文档 供大家下载,但不翻墙的人说下不了(邮箱能受到)微信连文件下载都做过滤了 pic.twitter.com/Ia2YXkbPAz
— 贝带劲 (@beidaijin) April 5, 2016
Ny mpitantana vohikala tsy maintsy mifehy ny vavany sy mamafa ny votoaty rehetra mifandray amin'ny @Panamapapers avy amin'ny fanehoan-kevitra rehetra ao amin'ny Weibo sy Wechat. Nisy mpanao gazety avy ao an-toerana ao Shina nitaraina fa nanakana azy ireo amin'ny “fiakarana ny rindrina” ny fikambanan'ny haino aman-jery. Ho an'ireo izay afaka miditra Wikipedia,dia niezaka ny hanaparitaka ny vaovao amin'ny alalan'ny rakitra manaraka ny mailaka , fa nilaza ny namany ao amin'ny manda fa tsy afaka misintona ny antontan-taratasy (satria voasivana ny mailaka), na dia ny paingorina amin'ny alàlan'ny WeChat aza dia voasivana.
Manondro ny toromarika sivana niporitsaka fa miasa amin'ny heriny manontolo ny propagandin'ny manam-pahefana (amin'ny alàlan'ny China Digital Times ):
X Province Internet Information Office: Find and delete reprinted reports on the Panama Papers. Do not follow up on related content, no exceptions. If material from foreign media attacking China is found on any website, it will be dealt with severely. This directive was delivered orally to on-duty editors. Please act immediately. (April 4, 2016)
X Website: Please withdraw the article “Panama Papers Leaked, Putin in USD 200 Million Money Laundering Scandal” and related stories from the dual homepages [site-wide and news] (including [social media] clients), and move articles to the backend of the site. (April 4, 2016)
Faritany X Biraom-baovaon'ny Aterineto: Tadiavo ary fafao ny tatitra natonta momba ny Taratasin'i Panama. Aza manaraka ny votoaty mifandraika amin'izany, tsy an-kanavaka. Raha misy fitaovan'ny haino aman-jery vahiny manafika ao Shina ka hita ao amin'ny tranonkala, dia ho saziana mafy izy. Natolotra am-bava Ity toromarika amin'ny tonia mpamoaka lahatsoratra ity. Azafady, tanterahoy avy hatrany. (4 Aprily 2016)
Tranonkala X: Azafady esory ilay lahatsoratra hoe “Taratasin'i Panama tafaporitsaka”, Putin Ao amin'ny raharaha maizin'ny fanadiovam-bola 200 Tapitrisa dolara amerikana” sy ireo tantara mifandraika amin'izany avy amin'ny Pejy Fandraisana [tranonkala sy mpamoaka vaovao] (anisan'izany ny mpanjifan'ny [media sosialy]), ary afindrao ho any amin'ny faran'ny tranonkala ny lahatsoratra. (4 Aprily 2016)
Ahitàna ny zaodahin'ny filoham-pirenena Shinoa amin'izao fotoana izao Xi Jinping, ny zanakavavin'ny Praiminisitra Shinoa teo aloha Li Peng, ny zafikelin'i Jia Qinglin izay niala tamin'ny Komity Maharitry ny Birao Politika tamin'ny 2012, ary mpiara-miombon'antoka amin'ny raharaham-barotra Gu Kaila, ny vadin'i Shinoa mpanao politika teo aloha Bo Xilai izay voaheloka higadra mandra-pahafatiny noho ny kolikoly tamin'ny 2013 ny tatitra navoakan'ny ICIJ .
Ity ambany ity ny antsipirian'ny manam-pahefana Shinoa hita ao amin'ny tatitra ICIJ :
Li Xiaolin is the second child and only daughter of former Chinese Premier Li Peng. She was the vice president of China Power Investment Corporation, a state-run power company and served as a delegate to the Chinese People’s Political Consultative Conference or CPPCC, an advisory body to the Chinese legislature. She has been called China’s “Power Queen.”
Deng Jiagui, who has made a fortune in real estate development, became “Red Nobility” in 1996 when he married Qi Qiaoqiao, the daughter of Xi Zhongxun, one of China's revolutionary heroes and a former top official. Qi Qiaoqiao’s younger brother is Xi Jinping, who is president of China and head of China’s Communist Party. An investigative report by Bloomberg News in 2012 revealed that Deng and his wife had hundreds of millions of dollars in real estate, share holdings and other assets.
Jasmine Li became famous in China after she was photographed attending a debutante ball in Paris in 2009 with other wealthy and politically connected young female friends. Li attended boarding school in the United States and completed a bachelor’s degree at Stanford University in California. After leaving the university, Li began working in the art world as an assistant for the New York-based Chinese artist Cai Guoqiang and later as an “gallery relations liason” for the online art retailer Artsy in New York and Hong Kong. Her grandfather, Jia Qinglin, was China's fourth-ranking official on the ruling Politburo Standing Committee until he stepped down in 2012.
French architect Patrick Henri Devillers was a business partner of Gu Kailai, the wife of former high-flying Chinese politician Bo Xilai. Devillers met the Gu when her husband was a Communist Party official in charge of the industrial port town of Dalian in far northeastern China. Devillers and Gu were co-directors of Adad Limited, a company registered in the United Kingdom, but Devillers also helped Gu set up a secret offshore company that was used to purchase a luxury villa in the south of France. Devillers was detained in June 2012 at his home in Cambodia at Beijing's request and spent several weeks in custody in China before being released. His testimony was used in the 2013 corruption trial of Bo Xilai.
Li Xiaolin zanaka faharoa sady vavitokan'ny Praiministra Shinoa teo aloha Li Peng. Filoha lefitry ny China Investment Power Corporation izy, izay orinasam-panjakana mamokatra herinaratra , ary niasa ho solontena tao amin'ny Vaomiera Mpanolon-tsaina Ara-politikan'ny Vahoaka Shinoa na CPPCC, rafitra mpanolo-tsaina iray ao amin'ny mpanao lalàna Sinoa izy. Nantsoina hoe “Mpanjakavavin'ny Fahefana” izy ao Shina.
Deng Jiagui, izay nanankarena tamin'ny fanangana-trano, lasa ” Andriana Mena” tamin'ny 1996, fony izy nanambady an'i Qi Qiaoqiao, zanakavavin'i Xi Zhongxun, iray amin'ireo revolisionera mahery fo ao Shina ary manam-pahefana ambony teo aloha. Ny zandrin'i Qi Qiaoqiao lahy, Xi Jinping, izay filohan'ny Shina ary filohan'ny Antoko Komonista ao Shina. Nisy tatitra fanadihadiana nataon'ny Bloomberg News tamin'ny 2012 nanambara fa Deng sy ny vadiny dia nanana an-jatony tapitrisa dolara avy amin'ny raharahan'ny fananana mifaka (trano sy tany), zara lova ary fananana hafa.
Jasmine Li lasa malaza ao Shina taorian'ny fakana sary azy nanatrika ny lalao tsipy kanetibe ho an'ireo izay vao manomboka tany Paris tamin'ny 2009 miaraka amin'ny vehivavy mpanankarena tanora namana hafa sy manana fifandraisana ara-politika . Nianatra tao amin'ny sekoly kilasimandry any Etazonia i Li, ary nahavita ny mari-pahaizana amin'ny taona faha-telo tao amin'ny Oniversite Stanford ao California. Rehefa niala ny oniversite i Li dia nanomboka niasa tao amin'ny tontolon'ny zavakanto ho lefitr'ilay Shinoa mpanankato Cai Guoqiang ao New York ary taty aoriana dia niasa ho “mpampifandray Tranom-pampirantiana” ho an'ny zavakanto Artsy izay mivarotra amin'ny aterineto ao New York sy Hong Kong. Fahefatra amin'ny laharana ara-panjakana ao Shina amin'ny Komity Maharitry ny Birao Politika mandra-pialany tamin'ny 2012 ny raibeny, Jia Qinglin.
Ny mpanao maritrano Patrick Henri Devillers dia mpiara-miasa amin'ny raharaham-barotr'i Gu Kailai, vadin'ny mpanao politika shinoa teo aloha fantatra amin'ny halatra avo lenta Bo Xilai. Nihaona tamin'i Gui i Devillers raha mbola manam-pahefana tao amin'ny Antoko Komonista miandraikitra ny orinasa ao amin'ny seranan-tsambo ao an-tanànan'i Dalian avaratratsinanan'i Shina ny vadiny. Samy talen'ny Adad Limited, orinasa miorina any Angletera i Devillers sy i Gu , fa nanampy an'i Devillers ihany koa i Gu hanorina orinasa an-dranomasina miafina izay nampiasaina mba hividianana toeram-ponenana mihaja any amin'ny faritra atsimon'i Frantsa. Nosamborina tao an-tranony ao Kambodza i Devillers tamin'ny Jona 2012 noho ny fangatahan'i Beijing ary nandany herinandro maromaro tany am-ponja tany Shina alohan'ny nanafahana azy. Nampiasaina fitsarana kolikoly an'i Bo Xilai tamin'ny 2013 ny fijoroana vavolombelona nataony.
Araka ny ny tatitra farany nataon'ny BBC, manana havana mitazona orinasa an-dranomasina tafiditra ao amin'ny antontan-taratasy tafaporitsaka ny mpikambana roa hafa avy ao amin'ny Komity Maharitry ny Birao Politika, Zhang Gaoli sy Liu Yunshan. Liu Yunshan no lehiben'ny fampielezan-kevitra any Shina.
Hatreto, tsy nisy valinteny ofisialy momba ny Taratasin'i Panama, fa ny mpitondratenin'ny mpikambana ao amin'ny antoko, ny Global Times, no nanamafy fa misy “hery matanjaka” miasa ambadiky ny sehatra, miampanga ny fiparitahana ho tetidratsy hamelezana ny mpitondra firenena tsy-Tandrefana, ary milaza fa Vladimir Putin no lasibatra voalohany indrindra amin'io fiporitsahana io.