Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy

Friends and supporters changed their avatars on social media to this Free Alaa poster today to protest the first anniversary of his unfair imprisonment

Nanova ny sary famantaran'izy ireo tamin'ity afisy Avotsory i Alaa ity tao amin'ny media sosialy ny namana sy ny mpanohana rehetra androany mba hankalaza ny tsingerintaona voalohany nanagadrana azy tsy ara-drariny

Herintaona izay no nampidirana am-ponja ilay bilaogera Ejipsiana Alaa Abdel Fattah, olomangan'ny revolisiona Ejipsiana, noho ny fikatrohana nataony. Nahazo sazy dimy taona an-tranomaizina i Alaa noho izy voalaza fa nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana sy “nanao herisetra tamin'ny polisy ary nangalatra ny walkie talkie-ny.” Voasazy handoa onitra 100.000 livra Ejipsiana  (13.000 dolara amerikana) ihany koa izy. Mba hanamarihana ny tsingerintaona, nanova ny sary famantaran'izy ireo tamin'ny sary malazan'i Abd El Fattah tao amin'ny sehatra haino aman-jery sosialy ny mpiserasera manerantany mba hisarihana ny saina mikasika ny manjò azy sy ireo gadra politika hafa an'arivony ao Ejipta.

Iray tamin'ireo 25 voampanga tamin'ilay nanjary fantatra amin'ny anarana hoe raharaha Vaomiera Shura i Abd El Fattah. Izy no voasambotra voalohany tamin'ity raharaha ity tamin'ny 28 Novambra 2013. Tamin'ny volana Jiona, nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina tamin'ny fitsarana tsy natrehiny izy ary voasazy handoa onitra 100.000 livra Ejipsiana rehefa voaheloka fa nidaroka mpitandro filaminana iray sy nandika ny lalàna nivoaka tamin'ny 2013 mifehy ny fihetsiketsehana izay mandràra ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana. Araka ny tatitry ny Mada masr, izay nanonona ny Vavahady haba-tranonkalan'ny fanjakana Ahram, voampanga ho: “mikarakara fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana tao ivelan'ny Vaomiera Shura ao Kairo, midaroka polisy, mangalatra talkie-walkie, fanaovana herisetran-jiolahimboto, herisetra tamin'ny mpitandro ny filaminana, fanakanan-dalana, famoriambahoaka amin'ny toerana ho an'ny daholobe sy fanimbana fananam-bahoaka” izy ireo.

Taorian'ny fampiakaran'ny mpisolovavany ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony, namoahana fitsarana vaovao i Abd El Fattah tamin'ny volana Aogositra 2014. Tamin'ny 15 Septambra 2014, niala andaharana tamin'ny fitsarana ny raharaha ny mpitsara mpitari-draharaha taorian'ny zava-nitranga ny herinandro talohan'izay, raha nampiseho lahatsary ahitana an'i Manal Hassan, vadin'i Abd El Fattah mandihy ny mpitory. Nalaina tao anatin'ny solosaina findain'i Hassan izany sary izany, nogiazan'ny polisy ny solosain’ i Abd El Fattah tamin'izy nosamborina sy nalaina tao an-tranom-pianakaviany tamin'ny volana Novambra 2013, tsy ahitana fifandraisana mazava amin'ny hetsika ara-politika ataony ilay lahatsary.

Nanomboka nalaza ny raharaha tamin'ny 23 Febroary 2015, raha namoaka didim-pitsarana ny mpitsara vaovao ka nanome sazy dimy taona an-tranomaizina an'i Abd El Fattah sy voampanga iray hafa Ahmed Abdel Rahman, izay nandalo akaikin'ny  fihetsiketsehana, ary nosamborina niaraka tamin'i Abdel Fattah, satria nanampy ireo ankizivavy sasany niharan'ny herisetran'ny polisy izy. Voafelaky ny onitra mitovy amin'ny Fattah ihany koa i Abdel Rahman. Nahazo sazy mihantona telo taona an-tranomaizina kosa ireo voampanga valo ambin'ny folo hafa, ary voasazy onitra mitovy ihany koa.

Ankoatra ny fanovana ny sarintavan'ny andro fankalazana, nizara ireo tsonga sy ny siokan'i Abd El Fattah sasany ireo mpanohana azy. Nandika andahatsoratra ny sasany tamin'izany ny nenitoany Ahdaf Soueif izay mpanoratra tantara malaza :

Alaa aho. Mirehareha aho fa afaka manao izay azoko atao ary gaga ny tenako matetika mahita ny zava-bitako

Hamorona vahaolana tsy hifampigadra izahay rahampitso. Antsika ny ampitso.”

Bilaogera Libaney, Abir Ghattas, mpikambana ato amin'ny Global Voices Online nizara tsonga hafa:

Tsy mbola mpamadika mihitsy aho

Fomba fiteny iray hafa manazava ny fijerin'i Abd El Fattah tamin'ny fanagadrana azy:

isaky ny gadraina aho, misy vaky ny sombiny ato anatiko

Niteraka fanehoan-kevitra manerantany ny hetsika fankalazana ny tsingerintaona, satria fantatra sy hajaina manerana izao tontolo izao ny asan'i Abd El Fattah amin'ny maha-bilaogera azy.

Manam-pahaizana amin'ny fiarovana an'aterineto, Jacob Appelbaum, nisioka hoe:

Isan'andro, mieritreritra an'i Alaa Abdel Fattah sy ireo gadra hafa nofonjaina tsy ara-drariny ao Ejypta aho

Hoy i Ethan Zuckerman, mpanorina ny Global Voices Online:

Herintaona lava dia lava ny herintaona an-tranomaizina noho ny fikarakarana fihetsiketsehana

Tsy adino ihany koa i Ahmed Abdel Rahman. Marobe ireo nisioka hoe nahoana no voasaringotra tamin'izany ihany koa ny mpandalo tsy manan-tsiny. Hend Nafea manazava:

Herintaona izay i Ahmed Abdel-Rahman no tany am-ponja noho ny fiarovana vehivavy niharan'ny herisetran'ny polisy.

Mampahatsiahy antsika ny antony maha zava-dehibe ity fanentanana ity i Omar Robert Hamilton:

Zavatra kely ny sioka. Saingy mety hanaitra izao tontolo izao ny sioka an-tapitrisany. Matoky ny herin'ny fifandraisana i Alaa, ka tokony ataontsika izany androany, sa ahoana?

Nanazava izy:

Nanomboka tamin'ny volana Novambra 2013, tany am-ponja nandritra ny 575 andro i Alaa. Mbola mamita sazy efa-taona izy. Ny helony: nanao fihetsiketsehana

Rasha Abdulla, Ejipsiana mpiaro mafana fo ny fahalalaham-pitenenana nanampy hoe:

Tsy i Alaa irery no gadra noho ny fanehoan-kevitra. Mitaky ny famotsorana azy sy ny rehetra izahay.

Nidina an-dalambe ny fianakavian'i Abd El Fattah androany vao maraina, nitsangana teo anoloan'ny lapam-panjakana  Ittihadeya izy ireo mba hanohitra ny fanagadrana ity mpikatroka ity — ary koa ireo gadra politika hafa mitovy raharaha aminy:

Sary hafa tao ivelan'ny lapam-panjakana izay misy ny fianakavian'i Alaa manao fihetsiketsehana manohitra ny fanagadrana azy amin'izao fotoana.

Eo ankavanana ny renini’ Alaa, Leila Soueif, milanja afisy misy ny anaran'ireo gadra efatra mbola gadrain'ny fitondrana tamin'ny raharaha Shura. Ankoatra an'i Alaa sy Ahmed Abdelrahman, nogadraina ihany koa i Abdelrahman ElSayed sy Abdelrahman Tarek. Na dia teo aza ny famelan-keloky ny filoha hamotsorana ireo gadra politika, tsy tafiditra tamin'izany izy efatra ireo.

Amin'ity lahatsary ity, milaza i Soueif mpikatroka fa mitsangana mandritra ny adiny iray izy ireo mampahatsiahy ny olona momba an'i Alaa sy Ahmed Abdelrahman, izay herintaona tany am-ponja rehefa voasazy tamin'ny raharaha Shura.

Nanazava izy:

Of course, the trial was a farce and they were forgotten in the pardon. So we have four young men in the Shura case who were not included in the pardon. We also have thousands of detainees but today we are talking about Alaa and Ahmed Abdelrahman who have spent a year in prison.

Eny, tsy ara-drariny ny fitsarana ary adino tamin'ny famelon-keloka izy ireo. Mbola manana tovolahy efatra tamin'ny raharaha Shura isika izay tsy nahazo famelon-keloka. Mbola manana gadra an'arivony ihany koa isika saingy androany, miresaka momba an'i Alaa sy Ahmed Abdelrahman herintaona tany am-pigadrana isika.

Ny rahavaviny Mona Seif, mpikatroka ihany koa, milanja sora-baventy mivaky hoe: “Mbola marobe ireo nogadraina tsy amin'antony. Fahafahana ho an'ireo gadra” :

Mbola marobe ireo nogadraina tsy amin'ny antony. Fahalalahana ho an'ireo gadra.

Nipoitra manerana an'i Cairo ireo sorabaventy mitaky ny famotsorana ireo gadra politika efitra ambiny tamin'ny raharaha Vaomiera Shura tsy nahazo famelan-keloka. Mizara ny sarin'ireo sorabaveny sasany ao amin'ny Facebook ny anabavin'i Abd El Fattah, Sanaa Seif, izay mpikatroka ihany koa ary efa nigadra noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana :

Posters calling for the release of the remaining four remaining political detainees from the Shura Council case who were not included in a presidential pardon popped up across Cairo today. Photo credit: Sanaa Seif (Facebook)

Sora-baventy miantso ny famotsorana ireo gadra politika efatra ambiny tamin'ny raharaha Vaomiera Shura izay tsy tafiditra tamin'ny famelan-keloky ny filoha nipoitra manerana an'i Cairo androany. Sary: Sanaa Seif (Facebook)

Raha te hahita fanehoan-kevitra maro hafa, jereo ity angona Storify, izay nangonin'ny fampahalalam-baovao tsy miankina APC ity, nadikan'i Mada Masr tamin'ny teny anglisy ato ihany koa ireo lahatsoratr'i Alaa farany sasantsasany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.